Tafahoatra Loatra Ny Lohatenin'ity Gazety ity Hoan'ny Mpamaky Maro ao Venezoelà

Roberto Fiadone mamaky ny Últimas Noticias. CC 3.0.

Nisy hetsika nataon'olom-pirenena tao Venezoelà tamin'ny herinandro teo mampiseho ny fomba hamalian'ny media sosialy ny sivana. Ho setrin'ny lohateny lehibe navoakan'ilay gazety Venezoelana Últimas Noticas (Ny Vaovao Farany Indrindra) tamin'ny 12 Janoary, dia naneso ilay gazety tamin'ny alalan'ny diezy #TitulaComoUltimasNoticas (“Manaova Lohateny Tahaka an'i Úlitmas Noticias”), tamin'ny famoronana lohateny fanesoana ny mpisera Twitter tao an-toerana. Lasa lohahevitra nalaza tao anatin'ny ora vitsy monja ilay diezy.

Iray amin'ny gazety lehibe indrindra tao Venezoela ny Últimas Noticas izay anisan'ny media maro namidy tamin'ny antoko tsy fantatra tamin'ny Oktobra 2013. Hatramin'izay fotoana izay, di ananamarika ny mpamaky fa nivadika mihitsy ny tondrozotra ara-panoratan'ilay gazety, indrindra rehefa tonga eo amin'ny sehatra fanehoan-kevitra momba ny governemanta izany. Ny zavanisy dia maro ireo mpanao gazety no niala ho fanoherana, taorian'ny nanasivanan'ny gazety ny lahatsoratra miresaka ny fihetsiketsehan'ny mpianatra tamin'ny fiandohan'ny taona 2014 sy ny tsy fisiana sy fikaran'ny vidin-sakafo.

Na eo aza izany, dia ilay lohatenin-gazety Últimas Noticas nivoaka tamin'ny 12 Janoary 12 manao hoe, “Fahombiazana ny Fitetezan-tany nataon'i Maduro” no nanetsika tampoka ny mpisera Twitter tamin'ny herinandro teo. Ny fitsidihan'ny Filoha Maduro ireo firenena maro mpikambana ao amin'ny OPEP dia nadika ho fametrahana tsara ny vidin'ny solika, izay iankinan'ny toe-karenan'i Venezoelà tanteraka. Maro amin'ny olona, izay nahita ny vidin'ny solika tsy mitsaha-midina no mahita ny lohatenin-gazety Últimas Noticas ho sarotra inoana.

Nisioka ny diezy #TitulaComoUltimasNoticas ny mpisera Twitter ary nanome ny vaovaom-panesoana nataon'izy ireo manokana. Raisina ho ohatra, ahoana moa ny itateran'ny gazety mitongilana ara-politika ny zavamisy fa mila milahatra lavabe ny Venezoelana maro hividianana sakafo?

Ny hafa manao hatsika amin'ny filatsahan'ny solika tsy nodiovina sy ny fiantraikany amin'ny fiaraha-monina Venezoelana: 

Maro amin'ny sehatra fampitam-baovao ao Venezoela no namidy, nakatona, na tsy mahavita na inona na inona intsony hatramin'ny nitondran'ny filoha Hugo Chávez. Ary nitombo nandritra ny fotoana nitondran'ny governemantan'i Nicolas Maduro ny sivana sy ny fanerena. Ny fanozongozonana misy ankehitriny ao amin'ny gazety Venezoelana, hoy ny mpamakafaka iray ao amin'ny Komity Miaro ny Mpanao Gazety, dia ao anatin'ny fanentanana naharitra ela hampalemena ny fampitam-baovao an'ny tsy miankina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.