Tari-dalana Hoan'ireo Sambany Mahafantatra Ny Fetibe Sinulog ao Cebu

Scene from Sinulog Festival 2012. Photo Credits: Constantine Agustin.

Hita tamin'ny Fetibe Sinulog 2012. Saripikan'i Constantine Agustin.

Tontosaina isan-taona isaky ny alahady fahatelo amin'ny volana janoary ny fetibe Sinulog. Fety firavoravoan'ilay Jesoa Zaza, fantatra ao an-toerana ho Señor Santo Niño. Afa-manaraka ny talata matavin'ny Sinulog amin'ny 18 Janoary ny mpikamban'ny Global Voices tonga ao Cebu andro vitsivitsy mialoha ny fanombohan'ny Zaikaben'ny Olom-Pirenena Mpampita Vaovao Global Voices.

Dihy iray fanomezam-boninahitra ny sarin'ny Santo Niño, ny Sinulog dia maka tahaka ny fikorian'ny rano ankehitriny na “sulog” avy ao amin'ny Reniranon'i Pahina ao an-tanànan'i Cebu amin'ilay fihetsika indroa mandingana mandroso sy indray mandingana miverina araka ny fipaipaikan'ny ampongatapaka. Manatontosa izany dihy izany ny mpivarotra labozia eo anoloan'ny Basilica de Santo Niño ho endrika fitalahoana na fisaorana an'i Jesoa Zaza.

Nolazaina fa ntotontosaina tamin'ny fahatongavan'i Ferdinand Magellan,  Portiogey mpikaro-dalana, tao Cebu ny Sinulog voalohany, nilaza ny zaratany ho an'ny Satroboninahitra Espaniola, ary nanomboka ny fampibebahana ny teratany ho amin'ny Krisitianisa tokotokony ho 500 taona lasa izay tamin'ny 7 Avrily 1521.

Tao anatin'ny fombafomban'ny batisa [batemy], nanolotra ny sarin'i Santo Niño hoan'ny Mpanjakavavy Juana, vadin'ny mpifehy an'i Cebu, Rajah Humabon i Magellan. Ho setrin'izany dia nolazaina fa nandihy tamim-pifaliana ny Mpanjakavavy tamin'ny fandraisana ny sary avy amin'i Magellan.

Ny Sinulog amin'ny endrika ankehitriny dia vao nanomboka niaka-danja tamin'ny 1980, izay nahitana fihodidinan'olona vitsivitsy nanodidina ny Basilica de Santo Niño nokarakarain'izay fantatra tamin'izany fotoana izany ho Minisiteran'ny Fanatanjahantena sy ny Fampandrosoana ny Tanora.

Talohan'ny taona manaraka, tamin'ny 1981, dia napetraka haharitra ho Fetibe izy io tamin'ny alalan'ny fananganana ny Komitin'ny Sinulog manana andraikitra hanomana ny fetibe. Ankehitriny izy efa nivoatra ho fifaninanana lehibe mampisongadina ny karazan-dihy sy solontenan'ny olona avy amin'ny faritra isan-karazany ao amin'ny firenena.

Ireo sambany nanatrika ny Sinulog dia mety ho gaga raha arahabaina hatrany na aiza na aiza amin'ny alalan'ny fomba fitenenana hoe “Pit Senyor!” Izy io dia fanafohezana fotsiny ihany ny “Sangpit sa Senyor” izay midika hoe “Hiantso ny Señor Santo Niño.”

Tahaka ny maro dia lasa hetsika ara-barotra ny fetibe ara-pivavahana tahaka itony, lasa ambadiky ny fihetsiketsehana marobe, dihy mirindra, akanjo miloko marevaka sy mirentirenty, sakafo mitandahatra eny an'arabe, pitsopitsony ara-pivavahana ary ireo hetsika fanao amin'ny alina ny endrika ara-pivavahan'ny hetsika. Saingy ao ambadiky ny endrika fanintonana ara-pizahantany ahafantarana azy ankehitriny, ny Sinulog dia ny tantaran'ny nosy Cebu hanaraka ny fivavahana kristiana mihoatra ny dimanjato taona lasa izay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.