Mianatra Mandihy Amin'ny Skype Mampifandray an'i Baghdad sy i New York City

Sean Scantlebury and Aadel Qies practicing. Photo courtesy of Jonathan Hollander (used with PRI's permission).

Fampiharan'i Sean Scantlebury sy Aadel Qies. Sary avy amin'ny hatsaram-pon'i Jonathan Hollander (nahazoana alalana avy amin'ny PRI).

Ny lahatsoratra sy ny tatitra amin'ny onjam-peo dia avy amin'i Shirin Jaafari hoan'ny The World izay nivoaka voalohany originally tao amin'ny PRI.org tamin'ny 2 Janoary 2015 ary navoaka indray noho ny fifanarahana fifampizarana vontoaty.

Hatramin'ny iray volana izao dia tsy nampiasa Skype i Sean Scantlebury.

Nifarana izany rehefa nanome andraikitra vaovao ho azy ny mpitantana azy, Jonathan Hollander, izay talen'ny Battery Dance Company avy ao New York ihany koa : Hampianatra Irakiana iray.

Hatramin'izay fotoana izay i Scantlebury sy i Aadel Qies, izay monina any Baghdad, dia tsy tapaka ny nifandray tamin'ny alalan'ny Skype hampianarana mandihy. “Sarotra ny mampianatra rehefa tsy miaraka anaty efitra iray,” hoy i Scantlebury. “Maiezaka ianao ny hiteny hoe ataovy mahitsy ny tongotra eto ary te-hanendry azy ianao, saingy tsy afaka, satria ao amin'ny tontolon-tsibera no miresaka.”

Ary rehefa amin'ny fotoana mampandeha ny Skype ihany; tsy azo antoka ny fifandraisana amin'i Baghdad. Hatramin'izao aloha dia tsy nisy nahasakana azy ireo ny vato maro misakana.

Sean Scantlebury in New York gives a dance lesson to Aadel Qies in Baghdad. Photo courtesy of Jonathan Hollander (used with PRI's permission).

Sean Scantlebury ao New York manome lesona fianarana dihy amin'i Aadel Qies any Baghdad. Sary avy amin'ny fahatsaram-pon'i Jonathan Hollander (nahazoana alalana avy amin'ny PRI).

Mianatra mba ho lasa mpisolovava i Qies’, saingy mankafy mandihy izy. Tsy tafiditra amin'ny fianarana mandihy matihanina any Baghdad izy ka any an-trano no mampihatra izany, eo amin'ny efitra fandraisam-bahiny. “Mandihy eo ambony firakotra izy,” hoy i Scantlebury tsy nino. “tsy mba gorodona harlequin akory, fa bodofotsy!”

Nikarakara atrikasa ho an'ny tanora sy ny tanora zokiny manerana izao tontolo izao ny Battery Dance Company an-taonany maro. Nanangana fandaharana iray antsoina hoe “Dancing to Connect” [Mandihy Hifandray] ry zareo tamin'ny 2012, andian'atrikasa ho an'ny tanora tao Iràka.

Koa satria moa norombahin'ny ISIS ny faritra maromaro ao Iraka tamin'ny fahavaratra [ilabolantany avatra] lasa teo, dia nahazo hafatra imailaka sy Facebook tamin'ny tanora Irakiana roa i Hollander. “Misy ireo mpitendry mozika, ny iray mpiantsehatra, ary mpandihy roa, ka tafiditra amin'izany i Aadel, izay, na dia Kiorda aza, dia monina any Baghdad,” hoy i Hollander tao amin'ny imailaka.

“Ireo rehetra ireo mahatsiaro ho kivy izy rehetra, mahatsapa tena ho mitoka-monina, ary maniry fatratra hifandray amin'ny tontolo ivelany,” hoy izy nanampy. ny hafatr'i Qies’ dia ahitana andalana toy ny hoe “miaina anaty afobe aho.”Avy eo i Hollander nangataka tamin'i Qies handefa lahatsarin'ny fanazarana ataony ary nametraka azy hiara-hiasa amin'i Scantlebury, ilay “spesialista amin'ny dihy an-tanandehibe.” Talanjona tamin'ny fahaizan'i Qies’ i Scantlebury ary tsy nisalasala ny hanomena lesona amin'ny alalan'ny Skype.

Manatontosa fotoana iray na roa isan-kerinandro ny roa tonta, miady amin'ny faharatsian'ny aterineto. Saingy milaza i Scantlebury fa tsy olan'i Qies’ samirery ny tsy fahampian'ny fitaovana. Tsy manohana azy loatra amin'ny fankafizany mandihy na ny fianakaviany na ny namany.

Mahafantatra izany fahatsapana izany ihany koa Scantlebury : nifindra avy any West Indies hoan'ny Etazonia ny fianakaviany raha efa-taona izy. “Tsy tian'ny fianakaviako ny mahita ahy mandihy satria avy amin'izany ihany koa no lalana nalehan-dry zareo mba hananany fiainana tsaratsara kokoa ho ahy,” hoy izy. Ny mandihy, araka ny fahatsapan-dry zareo, tsy mampandroso lavitra azy eo amin'ny fiainana.

Tsy mora ny fiainana tao Brooklyn nandritra ny taompolo 1980. “Voakapoka isan'andro aho ary nahazo anarana samihafa ,” hoy izy nahatsiaro. saingy tsy nitsahatra ny nandihy izy, ary te-hahazo antoka izy ankehitriny fa tsy handao ihany koa i Qies.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.