Ny Fikomiana ‘Tsy Mampiahiahin'i’ Alexey Navalny

"Wedding locks and Navalny," Moscow, September 10, 2014, photo by Vladimir Varfolomeev, CC 2.0.

“Ny Kadenàn'ny Fitiavana sy i Navalny,” Moskoa, 10 Septambra 2014, saripikan'i Vladimir Varfolomeev, CC 2.0.

Ny mpankasitraka azy mampitaha azy amin'i Mahatma Gandhi. Ny mpifanandrina aminy miteny fa mitovy kokoa amin'i Nelson Mandela tanora. Miandry fatratra izay sioka avy aminy ny mpanao gazety ao Rosia. Androany, nivoaka ny trano izy ary nividy ronono (mihaika ny tsy fahazoany mivoaka ny trano), ary nanoratra momba izany avy hatrany ny The Guardian.

Milaza zavatra maro momba an'i Alexey Navalny mpitsikera an'i Putin ny olona, saingy tsy azo atao kosa ny milaza azy ho tsy misy dikany.

Navalny moa ankehitriny dia ilay ratsy vintana manana sazy mihantona roa eo amboniny. Nahazo ny saziny faharoa, telo taona sy tapany noho ny lazaina fa fisolokiana orinasam-pikolokoloana tarehy izy, tamin'ny herinandro, izay nitarika ho amin'ny famorian'olona vitsy saingy efa niomanana hotontosaina ao afovoan-tanànan'i Moskoa, eo ivelan'i Kremlin, kianjan'i Manezh. Io Fitsarana io ihany no nandefa ny rahalahiny Oleg ho any am-ponja (tsy “sazy mihantona”), telo taona sy tapany ihany koa.

Sarotsarotra ihany ny hiezaka ny hanisa ny fanitsakitsahan'i Alexey Navalny ny tsy fahazoany mivoaka ny trano. Tamin'ny herinandro teo dia niala ny tranony mihitsy izy ary niditra tamin'ny “metro” ka nankany afovoan-tanàna, izay niezahany ( fa tsy nahombiazany) hanatrika ny fivoriana tao amin'ny Kianja Manezh. Azo heverina ihany koa fa i Navalny tenany no manoratra ny siokany sy ny lahatsoratra bilaoginy efa am-bolana maro izao, nefa dia tsy azony atao amin'ny tsy fahazoany mivoaka ny tranony itazonana azy izany.

Farany, tamin'ity herinandro ity, “nanipy ny fonon-tanana” i Navalny ka tena notsofainy mihitsy ny Haba vy ahafahana manaramaso ny alehany. Avy eo izy nanaiky hiantsafa tamin'ny fampitam-baovao Rosiana tsy miankina, mitantara ny nanesorany ny haba teo amin'ny hatotanany. Niolomay nankany amin'ny tranony ny tompon'andraikitry ny fonja, ijeren-dry zareo ny asa-tanan'i Navalny ary dia nandeha avy eo ary navelan-dry zareo teo amin'ny toerana nahitany azy ihany ilay fitaovana. Ny ampitso, rehefa nivoaka ivelan'ny trano i Navalny ary nitsidika toeram-pivarotana, hanangona ronono, fa nisy lehilahy (polisy manamboninahitra angamba) telo nampody azy tany an-trano.

Misy dikany inona ho ahy moa!

Nanaraka ny zava-nitranga an-tserasera tamin'ny fampodiana an-trano tsy azo ivoahany ny Rosiana, midera ny herimpony manohitra ny jadona izay mifandimby amin'ny fanesoana azy noho ny hetahetany tiana hitodihan'ny olona any aminy. Manizingizina i Navalny fa tsy misy fototra ara-pitsarana amin'ny mbola hanohizana ny fitazonana zy tsy hahazo hivoaka ny trano. Tamin'ny nanononan'ny ny fehezan-dalàna Rosiana misahana ny heloka bevava (107 sy 311), nilaza izy fa efa manafaka azy ny lalàna ankehitriny satria efa namoahana didim-pitsarana izy.

Tamin'ny fanoratana tamin'ny Facebook androany i Murad Musaev no nihaika ny fomba nanazavan'i Navalny ny lalàna. Musaev izay malaza ivelan'i Rosia ho mpisolovava (sy nahavita nahafaka madiodio) ireo lehilahy voampanga ho nanomana sy niray tsikombakomba tamin'ny famonoana ilay mpanao gazety Anna Politkovskaya. Androany izy no mpisolovava manoritsoritra fa ny tsy fahazoan'i Navalny mivoaka ny trano dia “mifototra kokoa amin'ny fihetseham-po fa tsy araka ny lalàna.”

Araka an'i Musaev, Ny fehezan-dalàna momba ny heloka bevava lah-311 dia mitaky fa afahana avy amin'ny figadrana ny mpiaro rehefa navoaka ny didim-pitsarana, saingy tsy mihatra amin'ny tsy fahazoana mivoaka ny trano izany, izay mbola mitoetra mandra-pampiharana ny didim-pitsarana. (Mbola tsy hampiharina ny didy natao hoan'i Navalny raha mbola tsy nanomboka ny famehezana hampakarana fitsarana ambony.) Ampangain'i Musaev ihany koa i Navalny ho mandiso ny fandikana ny Fehezan-dalàna momba ny heloka bevava lah-107, izay ilàzan'i Navalny fa manafaka azy tsy ho voarara hivoaka ny trano intsony satria tsy azo heverina ho “voampanga voaheloka” taorian'ny didim-pitsarana. Tsy izany, hoy i Musaev, izay nanononany fehezandalàna heloka bevava hafa indray mametraka manokana an'i Navalny mbola “voampanga”, mandrapaha manankery ny didim-pitsarana.

Heverina fa mitovy fahatakarana momba ny fehezan-dalàna heloka bevava ny tompon'andraikitry ny fonja ao Rosia, ary efa nitaraina indroa tamin'ny fitsarana tao Moskoa ry zareo momba ny fanitsakitsahana ny tsy fahazon'i Navalny ny tranony. Indroa notsipahan'ny fitsarana anefa izay ny polisy. Nahoana?

Manana fanazavana momba izany, ihany koa, i Musaev, satria niditra tao anatin'ny fanjavozavoana araka ny lalam-pitsarana i Navalny, fa mbola mihatra ny tsy fahazoany mivoaka ny trano, saingy tsy manampahefana momba ny fanitsakitsahana nataony [tamin'ny fanatsofana ny haba] momba ny tsy fahazoany mivoaka intsony ny fitsarana tompon'andraikitra tamin'ny fitazonana azy, satria efa nisy ny didy mivoaka amin'izao fotoana izao.

Noho izany dia niambina azy hody ny polisy, fa nampiakatra soroka fotsiny ny fitsarana. Afa-mamerimberina hatrany izany fitsoahana izany araka izay tiany i Navalny, mandra-piampangan'ny polisy azy amin'ny heloka bevava hafa, na manankery ny didin-tsazy mihantona eo amboniny.

“Noho izany dia mahomby ny fihetsik'i Navalny,” hoy i Musaev nanoratra, “ary tsy manana ahiana amin'izany izy.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.