Ny Vola 60 Tapitrisa Dolara avy any Washington Ho Fampiroboroboana ny Demokrasia Rosiana dia ‘Fandrisihana Amin'ny Ankapobeny’

Obama and Putin meet outside Moscow, July 7, 2009. Official White House Photo by Pete Souza.

Fihaonan'i Obama sy Putin ivelan'i Moskoa, 7 Jolay 2009. Saripika Ofisialin'ny Trano Fotsy avy amin'i Pete Souza.

Nandany lalàna vaovao omaly i Etazonia izay nantsoina hoe “Lalàna fanohanana ny Fahalalahana ao Okraina.” Androany, nahamarika fiteny ao amin'ny lalàna ny seha-pampahalalam-baovao Rosiana sasantsasany fa misy ny vola 60 tapitrisa dolara atokana hampiroboroboana ireo “fikambanana fiarahamonim-pirenena sy fikambanana demaokratika” Rosiana , ka tafiditra ao anatin'izany ny fanohanana ny “fampivelarana ny fidirana tsy misy sivana ny aterineto.”

Tsy isalasalàna fa mampientanentana, na dia mampidi-doza aza, azon'ny mpikatroka maro ao Rosia sy ireo mpanoratra gazetey miasa an-tserasera araraotina ny fidirana mankany amin'ny vola 60 tapitrisa dolara avy amin'ny fitantanam-bahoaka ao Etazonia. Tahaka ny tsy ho azo mihitsy anefa io vola io.

Ny lalàna dia “fahazoan-dalana hahazoana maka” fotsiny ihany, tsy tena volavolan-dalàna maka azy tokoa. Amin'ny teny hafa, manome marika amin'ny fanohanany handaniana io vola io fotsiny ihany ny Kongresy sy ny filoha. Raha tsy misy ny fakàna [vola] miaraka aminy, dia tsy tena miasa ho vola fanampiny hampiroboroboana ny demaokrasia ao Rosia ny Lalàna Fanohanana ny Fahafahana ao Okraina.

Nilaza tamin'ny Akon'ny RuNet ny loharanom-baovao avy amin'ny fikambanana mpampiroborobo ny demaokrasia ao Washington, “Ny fitenin'ny fahazoan-dalana dia fandrisihana amin'ny ankapobeny, ary tsy manantena ny vokany ho fakana ho fananana vaovao ny seha-mpampitam-baovao Rosiana na ny firaisamonim-pirenena Rosiana.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.