Azonao Tsara Ve Ilay Izy? Afaka Manome Anao Ny Valiny Ireto Andian-Dahatsary Aostralianina

have you got that right

Dikasarin'ny ‘Have You Got That Right?'(Azonao tsara ve ilay izy?)

Namoaka andian-dahatsary vaovao—’Have You Got That Right?’ (Azonao Tsara Ve Ilay Izy)—ny Toby Castan misahana ny Lalàna mifehy ny Zon'olombelona, izay tafiditra ao anatin'ny Anjerimanontolo Monash ao Melbourne. Avy amin'i Ron Castan izany anarana izany, izay mpisolovava sady mpiaro ny zon'olombelona, ary mpisolovava lehibe tamin'ny raharaha mikasika ireo zo vaovao ananan'ny teratany Mabo amin'ny tany.

Ny ‘Have You Got That Right?’ dia andian-dahatsary mpitondra fanovàna mamaly haingana, mazava tsara ary aminà fomba tsy hampatory anao, ireo fanontaniana manan-danja mikasika ny zon'olombelona.

Hozarazaraina ho andian-dahatsary ahitàna fizarana 10 io tetikasa io, izay samy manana lohahevitra iray hafa. Ny andiany voalohany dia mampifangaro hatsikana sy votoatiny akademika matotra, raha ny andiany faharoa kosa dia mifototra aminà tafatafa.

Ny andiany tsirairay dia hanana fizaràna 10. Efa hita ao anaty aterineto ny ‘Inona ny Zon'Olombelona?’ sy ny ‘Fitovian-jo eo amin'ny Fanambadiana’ miaraka aminà valo hafa azo arahina ao anatin'ny andiany voalohany.

Mitahiry fanampim-panazavana tena ilaina momba ny lalàna sy rakitranà loharano tena tsara ny lahatsary tsirairay.

Hifototra amin'ny fanaraha-maso, ny famonoana amin'ny alalan'ny fanafody, ny fanampiana ara-dalàna, ny zo hifidy, ny tontolo iainana sy ireo fikambanana ireo fizaràna manaraka anatin'io andiany 1 io. Tafiakatra eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ireo lahatsary ireo sy ny fitaovana nenti-nanampy.

Manana fifandraisana tsy tapaka amin'ny toby Castan ny Global Voices. Mpanao famelabelaran-kevitra lehibe nandritra ny Fivoriana Momba ny Lalàna Mifehy Ny Zon'Olombelona nataon'izy ireo tamin'ny Jolay 2012 i Sami Ben Gharbia, tonian'ny fanoratana ao amin'ny Global Voices Advocacy. Nanatrika toy ny olom-pirenena mpanao gazety tamin'ny anaran'ny GV aho ary hita eto ny lahatsariko.

Tamin'ny 2014, niresaka momba io fivoriana isan-taona io ihany koa i Jillian York, mpikambana ao amin'ny Filan-kevitry ny GV sady Talen'ny Fahalalahana Maneho Hevitra Eran-tany any amin'ny “Electronic Frontier Foundation”. Hita eto ny lahatsarin'ny tafatafany ‘Fitsikilovana amin'ny Aterineto: Ireo Akony eo amin'ny Fiarahamonina’.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.