Zaikaben'ny Global Voices 2015: Hoavy Ao Cebu, Filipina Izahay Amin'ny 24-25 Janoary!

Cebu's Provincial Capitol, venue for the 2015 Global Voices Summit on January 24-25

Renivohi-parintany Cebu, izay hanatontosana ny Zaikaben'ny Global Voices 2015 amin'ny 24-25 Janoary. Sary avy amin'i Mike Gonzalez CC BY-SA 3.0

Faly izahay manambara fa hotontosaina amin'ny 24-25 Janoary ao an-tanànan'i Cebu ny Zaikaben'olontsotra Mpampahalala vaovaon'ny Global Voices 2015.

Hitondra antsika hoany Azia Atsimo-Atsinanana ny Zaikaben'olon-tsotra mpampahalala vaovao antsika laharana fahaenina, izay hanatontosantsika adihevitra sy atrikasa miaraka amin'ireo bilaogera, mpikatroka sy mpahay teknolojia mikasika ny toetry ny fampahalalam-baovao avy amin'olon-tsotra, ny aterineto ary ny fandraisana anjara antserasera izay hotontosaina mandritra ny roa andro ao amin'ny rindrina manankasin'ny Cebu Provincial Capitol ao an-tanànan'i Cebu. Fotoana iray hianarana sy hifampizaran'ny ao amin'ny fikambanana manerantany mampitolagaga ny Zaikabe 2015, tahaka ireo hetsika (zaikabe) rehetra teo aloha.

Araho hatrany ny vaovao mikasika ny fampahafantarana ny habaky ny Zaikabe amin'ny herinandro hoavy izay ahitana ny antsipirahan'ny hetsika, ny vaovao momba ny fisoratana anarana sy ny sisa – mba ahafahanao mandamina ny fotoananao!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.