#FreeSaeed: Enin-taona Tany Am-ponja Ilay Iraniana Mpikira Habaka

#FreeSaeed campaign image.

Sarin'ny hetsika #FreeSaeed.

Enin-taona katroka tamin'ny 4 Oktobra 2014 no tany am-ponja ilay Iraniana mpikirakira habaka sy fitaovana famakiana sivana Saeed Malekpour noho ny fananganana tetikasa rindrambaiko misokatra izay ampiasain'ny sasany hampiakarana sary mamohafady ao amin'ny aterineto. Tamin'ny fitsingeran'ny taona nisamborana azy, nandefa andian-tsioka marobe ho fanohanana ny famotsorana azy tamin'ny alalan'ny diezy Twitter #freeSaeed ny mpikatroka sy bilaoera.

Niverina tao Iran i Saeed tamin'ny taona 2008, mponina maharitra ao Kanada mba hitsidika ny rainy namoy ny ainy rehefa voampanga ho nandrahona ny foto-kevitra Islamika sy ny fiarovam-pirenena tamin'ny alalan'ny fampielezan-kevitra manohitra ny rafitra izy. Nanambara i Malekpour fa tsy nahafantatra ny fomba nampiasaina sy nikirakirain'ny sasany ny tetikasany sy ny kaodiny, satria nozaraina toy ny kaody malalaka (open source) izany.

Taorian'ny fitsarana izay voalaza fa naharitra 15 minitra, voaheloka ho faty tahaka ny “mpandoto ny tany” i Saeed. Tamin'ny volana Desambra 2012, novaina sazy mandrapahafaty ny didy fiampangana ho faty an'i Saeed.

Herintaona taorian'ny fitokana-monina tany am-ponja, nampahafantatra i Saeed taty aoriana fa natao an-terisetra ny fiaikeny, natao tao anatin'ny fampijaliana sy fanadihadiana nataon'ny Mpiambina Revolisionera izany. Volana vitsy taorian'izany, nandefa imbetsaka ny “fiaikena” momba ireo heloka voalaza ny fahitavi-panjakana.

Namariparitra ireo zava-mifaningotra marobe momba ny raharahan'ilay mpikirakira habaka ao Iran tamin'ny mailaka hoan'ny Global Voices i Gissou Nia; mpisolovava sy mpitondratenin'ny Hetsika Famotsorana an'i Saeed : 

The arrest and ongoing imprisonment of Saeed Malekpour shows that all Iranian freelance web programmers are vulnerable to potential legal trouble as they cannot know for certain which sites their codes have been used on. Should they face the misfortune of having a code they created used on a website deemed obscene by the Iranian authorities (and where the backend is being monitored by the IRGC) they can face adverse legal consequences.

[…]

In a sense, Saeed is the ‘sacrificial lamb’ of the IRGC's war on the online space. The Iranian Cyber Army was formed in 2008 and Saeed was arrested shortly after its creation, presumably to set a deterrent example for others.

Mampiseho ny fisamborana sy ny fanagadrana an'i Saeed Malekpour amin'izao fotoana fa mora iharan'ny olana ara-pitsarana ireo Iraniana mahaleotena mpikirakira habaka satria tsy afaka mahafantatra tokoa izay habaka mampiasa ny kaodin'izy ireo. Tokony hiatrika vitan-dratsy noho ny kaodiny ampiasaina amin'ny habaka lazain'ny manampahefana Iraniana fa mamoha fady ve izy ireo (ary ny mpiambina revolisionera islamikan'i Iran no manara-maso ny rafitra), mety hiatrika voka-dratsy ara-pitsarana ratsy dia ratsy izy ireo.

     […]

Amin'ny heviny hafa, lasa “zanak'ondry atao sorona” amin'ny adin'ny IRGC eo amin'ny sehatry ny aterineto i Saeed. Niforona tamin'ny taona 2008 ny Tafika Antserasera Iraniana ary nosamborina fotoana fohy taorian'ny niorenany i Saeed, angamba noho ny fanaovana azy ho ohatra manoloana ny hafa.

Mihevitra ny hafa manaraka akaiky ny raharaha fa vokatry ny tsy fahalalana mikasika ny kolontsaina sy ny tontolon'ny laminasan-drindrambaiko no anton'ny fisamborana. Bilaogera Iraniana sady injeniera momba ny informatika Arash Abadpour (fantatra amin'ny fiantso hoe Arash Kamangir) nilaza tamin'ny Global Voices tamin'ny mailaka hoe, «mampiseho ny maharafitra mpifidifidy izay tiany homelohina ny raharaha Saeed. Efa nahita tahaka izao isika teo aloha, saingy iray amin'ireo mafaitra indrindra ny raharaha momba azy., Zara raha mahafantatra ny endrika teknika ny fanjakam-birao sy ny mpampihodina ny rafitra ary mora taitra amin'ny  mety ho teti-dratsy ambadiky ny zavatra rehetra atao.”

Manimba ny fanentanana nataon'ny ny filoha Hassan Rouhani tamin'ny fampielezankeviny hisian'ny fiarahamonina sy ny aterineto misokatra izay nibahan-toerana tamin'ny fitantaram-baovaon'ny tandrefana ny fitohizan'ny fanagadrana sy ny fisamborana vao haingana ireo bilaogera sy mpiserasera.

Na dia eo aza izany tranga mihamahazo vahana izany, mbola misy ihany ireo fandresena madinika. Navoaka tamin'ny herinandro lasa noho ny fandoavana onitra i Narenji, bilaogera momba ny teknolojia izay nosamborina tamin'ny volana Novambra 2013 noho ny vesatra fiampangana tsy voafaritra mazava.

Na dia sarotra aza ny manombana ny fiantraikan'ny fanentanana ho famotsorana ireo nogadraina, mihevitra ireo mpikatroka marobe sy mpanao fanadihadiana momba ny rafi-dalàna ao Iran fa misy fiantraikany hatrany amin'ny famotsorana ireo gadra ny fanerena iraisam-pirenena.

Nanazava tamin'ny Global Voices tamin'ny alalan'ny fanadihadiana am-pinday i Maryam Malekpour, anabavin'i Saeed monina ao Kanadà fa vao avy nafindra tao amin'ny foiben'ny fonjan'i Evin i Saeed. Sambany afaka miantso an-telefaonina sy mifandray amin'ny olona izy hatramin'ny nisamborana azy. Nanazava izy hoe :

“NItoka-monina izy teo, nogadraina nandritra ny fotoana ela tao amin'ny efitra mitoka-monina ao am-ponja, ka te-hiresaka mafy. Mba hiresaka izay azo resahina rehetra, ny fahazazanay, ny lasa, sy izay mitranga ankehitriny, ka ny miresaka aminy no hany azoko atao, sy miezaka manome fanantenana azy fa tsy maintsy hivoaka ny fonja izy indray andro any. Niresaka taminy momba ny fanentanana ho amin'ny famotsorana azy aho, tsy mety mino izy fa misy ireo olona mitsinjo sy miresaka momba azy. Mankasitraka tanteraka ny ezaka rehetra ataon'ny olona ho famotsorana azy izy..voaheloka ho faty izy. Miaina eo ambanin'ny aloky ny fahafatesana izy sy ny fianakavianay . Ny zavatra irianay dia famotorana marina ny raharaha momba azy. Tsy misy ny porofo manameloka azy ankoatra ny fiaikena norombasin'izy ireo taminy. “

Nanipika i Gissou Nia fa tokony apetraka eo ambanin'ny famotorona tsy miankina ny raharaha Saeed. “Nampijaliana mafy izy, tsy mba nahazo fotoam-pitsarana ara-drariny, tsy avela mifandray amin'ny mpisolovavany. Noho ireo antony ireo, tokony hisy famotorana tsy miankina hisahana ny raharaha Saeed, ary mandritra izany, tokony havotsotra izy mandrapiandry ny fanadihadiana. “

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.