Sary An-tseraseran'ny Mpitarika Milisy Taloha Karohina Noho Ny Fandripaham-Bahoaka Niverina Mangina Tany Timor-Leste

Jorge Tavares at a Baucau pool in Timor Leste in August 2014. Photo widely circulated on social media.

Lehilahy iray heverina ho Jorge Tavares tao amin'ny dobo iray tao Baucau ao Timor Leste tamin'ny Aogositra 2014. Sary niely fatratra tao amin'ny tambajotra sosialy.

Tamin'ny volana lasa teo,nisy lehilahy iray nanao vakansy tao Timor-Leste. Nitsidika ny tanàna roa lehibe indrindra tao amin'ny firenena izy, Dili sy Baucau ao Timor-Leste, ary niparitaka tao amin'ny media sosialy ny sariny mihitsy mandritra izany dia nataony izany.  

Saingy tsy mpizaha tany tsotra ranamana io. Hita ranamana fa i Jorge Tavares, izay monina any Indonezia amin'izao fotoana izao ary tsy hita teto Timor-Leste intsony hatramin'ny Septambra 1999 satria nandritra ny fananiham-bohitra Indoneziana tao amin'ny firenena Aziatika Atsimo Atsinanana dia izy no politisiana pro-Indoneziana zokiolona heverina ho mpitarika milisy. Karohina izy noho ny heloka bevava nandripaka vahoaka nataony, ka ao anatin'izany ny famonoana izay rehetra manohana ny fahaleovantena, ary namehy hevitra ny mpiseraseran'ny media sosialy fa i Tavares io amin'ny sary io. 

Tavares no faralahy amin-dry Joao Tavares, izay efa maty ankehitriny, sy nanangana sady nitarika ny Halilintar, milisy lehibe iray pro-Indoneziana. Nanana anjara toerana lehibe tamin'ny fananiham-bohitra nataon'ny Indoneziana tamin'ilay zanatany portiogey teo aloha antsoina hoe Timor-Leste ny Halilintar tamin'ny 1975, toy izany ihany koa nandritra ny fibodoan-tany nandritra ny 24 taona sy tamin'ny bemidina “mandalo Ramaka may ny tanàna” baikom-pandravana avy amin'ny miaramila indoneziana nandritra ny fitsapa-kevi-bahoaka nanontaniana ny fahaleovantena Timorey tamin'ny 1999.

Nandritra izany fotoana izany, lefitra nanana ny anjara toerana lehibe teo amin'i Joao zokiny i Jorge Tavares, ary mpitarika ny milisy pro-Indoneziana manokana ihany koa. Nandritra ny fibodoana Indoneziana, dia mpikambana ao amin'ny vaomieram-bondrom-bahoakan'i Bobonaro fantatra amin'ny hoe DPRD i Jorge Tavares, ary tamin'ny 1999 dia mpitarika ny vondrona mpisolovava ny pro-Indonezia antsoina hoe FPDK. Voampanga ho nanao heloka fandripaham-bahoaka amin'ny maha-mpitarika milisy azy ihany koa ny zananilahy Ruben. Ny zana-drahalahiny, Jose Tavares (zanaka lahin'i Joao) no ambasadaoron'i Indonezia ao New Zealand amin'izao fotoana izao.

Tamin'ny 2003 i Tavares sy ireo hafa maro no nampangain'ny Rantsan'ny Firenena Mikambana Misahana Ny Heloka tena Bevava sy ny Fitsaran'ny Distrikan'i Dili ho nanao heloka mandripaka vahoaka. Tamin'ny 2004 izy sy ny hafa no nomelohin'ny Fitsarana Manokan'ny Distrikan'i Dili Misahana ny Heloka Bevava ho nandripaka vahoaka tamin'ny fananganana sy fametrapetrahana fanentanana hanao herisetra tao amin'ny distrikan'i Bobonaro tamin'ny 1999.

Mbola mihatra hatramin'izao ireo fanamelohana ireo raha jerena ny lalànan'i Timor-Leste. Na izany aza dia heverina fa na tsy mahalala ny manampahefana Timorey fa mitsidika an'i Timor-Leste i Tavares, na nijery lalan-kafa ka tsy nisambotra azy. Tao anatin'ny andro vitsivitsy, nilazana ny fianakavian'ireo lasibatr'i Tavares fa tsy hitan'ny mpampanoa lalàna ny tahirin-kevitra mifandraika amin'ny fanamelohana an'i Tavares tamin'ny raharaha fandripaham-bahoaka.

Jorge Tavares in Ariea Branca, Dili, in August 2014. Photo widely circulated on social media.

Ilay lehilahy heverina ho i Jorge Tavares ao Ariea Branca, Dili, tamin'ny aogositra 2014. Sary niely tao amin'ny media sosialy.

Jorge Tavares in Cristo Rei, Dili, in August 2014. Photo widely circulated on social media.

Lehilahy iray heverina ho i Jorge Tavares tao Cristo Rei, Dili, tamin'i Aogositra 2014. Sary niely tao amin'ny media sosialy.

Jorge Tavares in Bucoli, Baucau, in August 2014. Photo widely circulated on social media.

Ilay lehilahy heverina ho i Jorge Tavares tao Bucoli, Baucau, tamin'ny aogositra 2014. Sary nivezivezy fatratra tao amin'ny media sosialy.

Tamin'ny 2009 i Maternus Bere, mpitarika milisy teo aloha iray hafa izay voaheloka ho nanao heloka fandripaham-bahoaka ihany koa, no voasambotra tao Cova Lima rehefa tsikaritra fa niditra ny sisintanin'i Timor-Leste. Na dia tsy nanana toerana ambony tahaka an'i Tavares aza i Bere, dia niteraka korontana diplomatika tamin'i Indonezia ny nisamborana azy. Tao anatin'ny toe-draharaha manahirana be ihany nahavitan'i Indonezia nanery ny manampahefana Timorey dia navotsotra i Bere ary navela hiverina any Timor Andrefana, Indonezia.

Voamarika fa ilay famangiana an'i Timor-Leste dia nialoha na nifanandrify tamin'ny fitsidihan'ny Filoha Indoneziana Yudhoyono tao Dili tamin'ny 25-27 Aogositra. Ireo famangiana roa tonta ireo dia nifanandrify tamin'ny faha-15 taonan'ny referandaoma niafara tamin'ny fahaleovantenan'i Timor-Leste avy amin'ny fibodoan-tany Indoneziana; ny 8 sy 9 Septambra no manamarika ny faha-15 taona ahatsiarovana ny ra mandrika tao amin'ny tobin'ny polisy tao Maliana sy tao Mulau, izay nananan'i Tavares andraikitra.

Tsy maintsy hanontany ny rehetra raha tontosa noho ny tsy fahaizana sa noho ny firaisana tsikombakomban'ny manampahefana ny famangian'i Tavares. Mbola mampanontany tena ihany koa ny hoe mbola any Timor-Leste ve i Tavares sa tsia. Ankoatra izay, efa malaza fa ampolony ireo voaheloka no vonona ny hiverina any Dili, fa amin'izao andro izao manko dia maitso kokoa ny ahitra ao Timor-Leste noho ny any Indonezia. Ny toekarena velomin'ny solika no mahatonga ny fanantenana hisian'ny dolara amerikana hoan'ny vato nasondrotry ny tany mahara-javatra tokoa fa tsy miraharaha izay ankolafy politika nisy azy tamin'ny 1999.

Tamin'ny 2010, nanoratra momba ny lasibatr'i Tavares tamin'ny 1999 ity mpanoratra ity, ary mazava fa tsy mbola misy ny fivoarana hisian'ny rariny. Inona moa no holazain'i Tavares raha tsy maintsy misy andro anerena azy hiteny eo amin'ny fitsarana?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.