Famitana Ny Fanamafisana Ekipa Sy Firosoana Mankany Amin'ny Taom-pianarana

Vaovaon'ireo tetikasa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices.

IMG_0337

Miarahaba ny rehetra! Nibahanan'ireo lanonana fanao isan-taona, sy ny fahatongavan'ny taom-pianarana vaovao hoan'ny tanorantsika iny volana lasa iny. Manamarika ny faha-210 taonan'ny fankalazana ny fanangonam-bokatra, Hedewachi, ity taona ity. Ity no karazam-pihaonana taloha indrindra eo amin'ireo Vazimba-Amerikana ary notahiana tamin'ny fipoiran'ny avana vantany vao vita ny dihinay farany teo an-kianja tamin'ity taona ity.

IMG_0272

Ho mariky ny fisokafan'ny taom-pianarana vaovao, sambany nihaona ny andiam-pitarika tanora mifantoka amin'ny fampitam-baovao. Eo ambany fitarihan'ny vondrona mpanolo-tsaina manan-talenta (mpanakanto mpanao sary, mpanakanto an-dalambe, mpanoratra mahay mamorona zava-baovao ary mpilalao horonantsary) ireo tanora no namorona horonantsarimihetsika amin'ny alalan'ny fanarahana lahatsoratra efa vita mialoha. Vondrona tanora hafa kosa nandoko ny rindrin'ny majika mirefy 45 metatra miorina ao amin'ny sekolinay (jereo ny sary eo ambony). Tsy fahafinaretana ihany no azon'ireo tanora nandray anjara, fa manararaotra fotoana tokana ahafahany miseho amin'ny tontolo mety hanome aingam-panahy zavatra tsara ao anatin'izy ireo ihany koa. Hanohy amin'ny fandraisana anjara amin'ny tetikasa fameloman-teny Umoⁿhoⁿ amin'ny alalan'ny tetikasa famoronana lahatsary tontosaina ao anatin'ny fiarahamonina ny sasany amin'ireo tanora amin'ny Fararano.

Manantena hanohy ny asa miaraka amin'ireo tanora ireo amin'ilay tetikasa horonantsary hoan'ny teninay mandritra ny taona aho. Mazoto fatratra ry zareo hamorona sy hiasa miaraka amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojia. Hihaona fanindroany izahay amin'ny tapatapaky ny volana Septambra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.