Miverina Misokatra Indray Ny Kianjan'ny Fahalalahana Ao Kambodza, Toeran'ny Fanoherana Ary Endriky Ny Fahalalahana Maneho Hevitra

 Fanalàna ireo fefy : Niverina nisokatra ho an'ny daholobe ny toerana voatendry hanaovana fihetsiketsehana tsy misy herisetra 

Nanala ireo fefy sy tariby maranitra, namefy ny kianjan'ny fahalalahana tao Phnom Penh renivohitr'i  Kambodza ny mpitandro ny filaminana, taorian'ny nandidian'ny manampahefana any an-toerana ny  fanokàfana azy indray. Nakatona ho an'ny daholobe ilay kianja tamin'ny Janoary rehefa lasa toerana fototra ho an'ny fihetsiketsehana fanoherana ny governemanta.

Nanao hetsika maro ny mpanohitra hatry ny taona lasa, taorian'ny tsy nanekeny ireo valin'ny fifidianana natao tamin'ny volana Jolay. Nanaovany ankivy ihany koa ny Parlemanta ary nitaky ny hanaovana fanadihadiana mahaleotena ny fizotry ny fifidianana. Nampangain'ny mpanohitra ho nanano hosoka sy herisetra mba hanovàna ny latsabato ny antoko eo amin'ny fitondràna amin'izao, izay efa ho taompolo telo no teo amin'ny fitondrana.

Vao maika nihamafy ny fihetsiketsehana fanoherana ny fitondrana rehefa notohanan'ny mpanohitra ny fitokonana nataon'ireo mpiasa mpanamboatra akanjo izay mitaky fanondrotana ny karamany isam-bolana ambany indrindra. Ny volana Janoary, nifandona tamin'ny mpitandro ny filaminana ireo mpanao fihetsiketsehana ka nahitana olona dimy maty avy tamin'ireo mpiasa mpanamboatra akanjo. Nandidy ny hiparitahan'ireo mpanao fihetsiketsehana tao anatin'ny Kianjan'ny Fahalalahana ny governemanta, ary nandrara ny famoriana vahoaka ao. Nakatony ihany koa ilay kianja, tamin'ny filazàna fa manohintohina ny filaminan'ny firenena.

Ny 15 Jolay, nisy mpanohitra sasantsasany nanandrana naka ny toerana, tamin'ny alalan'ny hetsika “Afaho ny Kianjan'ny Fahalalahana”, saingy vetivety dia voasambotry ny mpitandro ny filaminana.

Fa ny 6 Aogositra teo, namoaka fanambaràna ny fiadidiana ny tanànan'i Phnom Penh, mamela ny fisokafany indray, taorian'ny nanamafisany fa efa “niverina amin'ny laoniny ny filaminana sy ny rindram-piainana” :

Amin'izao fotoana efa nahatafaverina amin'ny laoniny ny filaminana, ny fitoniana sy ny firindran'ny fiainan'ny vahoaka izao, nanapaka hevitra ny manampahefana fa hamoha ny Kianjan'ny Fahalalahana manomboka androany.

Taloha, voavingavinga ilay toerana, niteraka fandranitàna nitondra nankany amin'ny herisetra, famonoana olona ary fanimbàna fananam-bahoaka sy olon-tsotra. Mifanohitra amin'ny lalanan'ny fihetsiketsehana amim-pilaminana izany fihoaram-pefy izany, ary izany no nanapahan'ny fanjakana hevitra hanidy ny kianja.

Maro no nankasitraka ny fanesorana ireo fefy tariby nanodidina ilay kianja.

Milay kosa an. Nalàna ilay fefy tariby tao amin'ny #FreedomPark #PhnomPenh , 6 Aogositra, 2014 

Nafahana ny kianjan'ny fahalalahana. Efa nalàna ireo fefy tariby manodidina.#politicskh pic.twitter.com/QPiBYtfJU6

Taorian'ny volana maro namoretan'ny governemanta ireo hetsi-panoheran'ny #CNRP, nalàna io maraina io ireo fefy tariby teo tamin'ny #FreedomPark

Antoko Nasionalin'ny Fanavotana Kambodza, ny mpanohitra CNRP.

Heverina ho toy ny anisan'ny fifanarahana teo amin'ny antoko eo amin'ny fitondràna amperin'asa sy ny mpanohitra io fisokafan'ny kianja io, taorian'ny nanapahan'io farany io hevitra ny hanapitra ny tsy fiatrehany ny Parlemanta efa tena ela, naharitra 10 volana izay. Andro irfay talohan'ny nanokafana indray ny Kianjan'ny Fahalalahana, nanao fianianana ny ho mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenena ireo solombavam-bahoaka miisa 55 avy amin'ny antoko mpanohitra.

Ireo solombavam-bahoakan'ny CNRP eo amin'ny Antenimieram-pirenena

Teny amin'ny Kianjan'ny Fahalalahana mba hanatrika ny fanesorana ilay fefy ny sasany tamin'ireo mpikambana ao amin'ny mpanohitra.

 Manamarika ny fiafaràna ary ny fiandohàna, #musochua ary ireo namany ao amin'ny #CNRP, mankalaza ny fanokafana indray ny #freedompark

Solombavam-bahoaka avy amin'ny antoko mpanohitra i Mu Sochua. Nianiana ny hanao fihetsiketsehana ao amin'io toerana io izy raha tsy raharahiana ao amin'ny Antenimiera ny fandaharanasa ho an'ny fanavaozana atolotry ny mpanohitra.

Antenaina fa ny fanokafana indray ny Kianjan'ny Fahalalahana, izay lasa mariky ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra ao Kambodza, dia hitondra amin'ny fanekena bebe kokoa ny zo demaokratikan'ny vahoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.