Vehivavy Jamaikana Niaka-peo Tao Amin'ny Aterineto Hanoherana Ny Fanohintohinana Eny An-dalambe Mihatra Amin'izy Ireo

Statue at Emancipation Park, New Kingston, Jamaica; photo by Dubdem e FabDub, used under a CC BY 2.0 license.

Sarivongana ao amin'ny Zaridainan'ny Fanafahana tsy ho andevo intsony, New Kingston, Jamaika. Sary avy amin'i Dubdem e FabDub, zon'ny mpamorona CC BY 2.0 license.

Nanapa-kevitra hiresaka ny olana ara-tsosialin'ny herisetra ara-nofo imasom-bahoaka ( fantatra na aiza na aiza manerantany amin'ny fikasikasihan'ny lehilahy ny vehivavy tsy fantany akory) ilay mpanao famakafakana an-gazety ao Jamaika tamin'ny nanoratany an-dahatsoratra ny zava-niainany. Nahaliana tokoa ny mpamaky, indrindra fa ny lehilahy, ny lahatsoratr'i Karen Lloyd.

Valinteny iray avy amin'ny lehilahy iray mpamaky nanohitra ny filazan'i Lloyd hoe tsy natao hohanin'ny daholobe ny faritra (rehetra) amin'ny tenany manokana tamin'ny fanasongadinana fa fananam-bahoaka ao ‘Back Road’ (toera-malaza fivarota-tena ao Jamaika) ny fivaviana.

Manam-pahaizana momba ny haisoratra Carolyn Cooper nandray naoty ilay matoandahatsoratra sy ny fanehoan-kevitry ny olona tamin'ny “fitarazohan'ny olan'ny herisetra am-bava sy ny fanararaotana ara-batana mihatra amin'ny tovovavy sy ny vehivavy ao Jamaika”. Nandà tamim-pahasiahana ilay fandresen-dahatra “Back Road” izy tamin'ny filazana hoe:

Unlike Ms Lloyd, the women on ‘Back Road’ are selling sex. Even so, the vagina of a female sex worker is not public property. Cleverly marketed or not, the vagina of a female sex worker is a private body part. And its owner has the right to determine its use and value. She is entitled to pick and choose her clients even in desperate economic circumstances. Sex workers have rights. They have the fundamental right to be protected from sexual abuse. And selling sex does not mean you give up all claims to be treated with dignity.

Tsy tahaka an-dRamatoakely Lloyd, mivaro-tena (taovam-pananahana) ny vehivavy ao amin'ny ‘Back Road’. Na dia izany aza, tsy fanananam-bahoaka ny fivavian'ny mpivaro-tena. Na tsara doka na tsia, dia an'olona iray manokana ny fivzavian'ny vehivavy iray mpivaro-tena. Ary manan-jo hamaritra ny fampiasana azy sy ny sandany ny tompony. Manan-jo hifidy izay mpanjifany izy, na dia ao anatin'ny fahasahiranana ara-toekarena mahakivy aza. Manana zo ny mpivaro-tena. Manan-jo fototra ho voaaro amin'ny fanararaotana ara-nofo izy ireo. Ary ny fivarotan-tena dia tsy midika fa hamoy ireo fitakiana no tokony hifampiraharahana amim-pahamendrehana ianao.

Ny lahatsoratr'i Lloyd, izay nanomboka ny tantarany tamin'ny namelahany lehilahy iray namihina ny nonony, dia nisedra fanazavana adaladala (nataony izany satria hitany fa tsara loatra ravehivavy), mampifantoka amin'ny fomba fisainan-dehilahy maro fa mahazo izay tadiaviny amin'ny fomba fiakanjo na fomba fijeriny ny vehivavy.

“Misy mihevita fa mandray ny andraikiny manontolo amin'ny fanairana nataony tsy nokasaina ny vehivavy manintona”, hoy i Cooper nanoratra tao amin'ny lahatsoratra bilaoginy. Indrisy fa maro amin'ny lehilahy no manana izany fijery izany. Lehilahy iray ohatra, nanoratra taratasy hoan'ny mpamoaka lahatsoratra ho valin'ny matoan-dahatsoratr'i Lloyd: “Tsy fananam-bahoaka ny Fivaviana, saingy mitaky izany ve ny vehivavy” hoy i Cooper namaly:

The old fogey ends his letter with an irritating question: ‘Do the ladies have a responsibility to be more modest in their attire?’ It’s not about how women dress. Even in societies where women are covered from head to toe, sexual abuse is a constant threat. Men have a responsibility to exercise self-control and keep their hands and penises under manners.

Instead of falling into the trap of thinking that unwanted sexual attention is a compliment, women must fight back. We cannot passively see ourselves as victims. We have to let men know that they are not entitled to romp with us against our will. And an unexpected response to sexual harassment – whether verbal or physical – can be a most effective deterrent. […]

Across the board: uptown and downtown; black, white and brown; every single ethnic group. All our talk of independence, both national and personal, means absolutely nothing if we can’t cure this widespread sickness.

Nofaranan'ilay antidahy tamin'ny fanontaniana mahatezitra ny taratasiny: ‘Manana andraikitra ho maotina kokoa amin'ny fomba fanintonany ve ny vehivavy?” Tsy resaka fomba fitafin'ny vehivavy izany. Fa na dia ao anatin'ny fiarahamonina isaronan'ny vehivavy mirakotra hatrany am-paladia ka hatrany an-tampondoha aza, dia mbola ahiana hatrany ny fanararaotana ara-pananahana. Manana andraikitra hifehy tena sy hifehy ny tanany sy ny filahiany ny lehilahy.

Mba tsy ho voafandrika ao anatin'ny fieritreretana fa valisoa ny fitodihana ara-nofo tsy niriana, dia mila miady amin'izany ny vehivavy. Tsy afaka ny hiaritra fotsiny isika. Mila ampahafantarintsika amin'ny lehilahy fa tsy manan-jo hanao antsika ho fialam-boly tsy araka ny sitrapontsika izy ireo. Ary ny famaliana tampoka ny herisetra ara-nofo – na am-bava izany na ara-batana – no mety ho fomba fanakanana mahomby indrindra.

Manerana ny tabilao: ambanivohitra sy afovoan-tanàna , mainty, fotsy sy zarazara; ny vondrona ara-poko tsirairay avy. Tsy misy dikany ny resaka fahaleovantena rehetra, na eo amin'ny firenena na an'ny tena raha tsy afaka mitsabo ity aretina mihanaka ity isika.

Somary niparitaka kely ihany tao amin'ny media sosialy ny adihevitra satria nizara rohy tahaka ity iray ity, izay manazava ny maha-zavadoza ny fanohintohinana eny an-dalambe mihatra amin'ny vehivavy sy ny tokony ataon'ny lehilahy hanafoanana izany ireo mpisera Facebook Jamaikana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.