Afa-Manova Ny Fanaon'ny Afrikana Mpanao Didijadona Ve Ny Filoha Obama? Toa Tsia an, Hoy Ny Tchadiana Blaogera Iray

President Barack Obama with 40 African presidents in  Washington DC  - via carrapide - Public Domain

 Nandray mpitondra firenena 40 ny filoha Barack Obama tao Washington – via carrapide – azon'ny rehetra ampiasaina

Na dia efa tapitra 6 aogositra lasa teo tao Washington, D.C. aza ny Vovonan'ny Mpitondra Etazonia-Afrika 2014 dia mbola mifanontany amin'izay ho fiantraikan'ny fihaonana tahaka itony eo amin'ny diplaomasian'i Etazonia ao Afrika ireo mpiseraseran'ny kaontinanta afrikana maro. Ity no vovonana voalohany nahitana Filohan'i Etazonia nihaona tamin'ny filoha Afrikana miisa 40 mba hanamafisana ny fifandraisana misy eo amin'i Etazonia sy ny kaontinanta Afrikana.

Ity fandraisana an-tanana ity no tohin'ny fitsidihan'ny filoha Obama an'i Afrika tamin'ny taona 2013. Nandritra izany fitsidihana izany no nanasongadinan'i Obama nandritra ny kabary nataony tamin'ny parlemanta Ghaneana fa “Tsy mila olona matanjaka i Afrika fa mila andrim-panjakana matanjaka.”

Ny Vovonana dia nafantoka tamin'ny resaka fanatsarana ny fiarovana sy ny fampiroboroboana ny varotra sy ny fampiasam-bola ao amin'ny kaontinanta. Na dia misy aza ny zava-mitranga hafa amin'izao fotoana izao, tahaka ny fianahan'ny Ebola sy ny ady an-trano isan-karazany manerana ny kaontinanta, dia nampandalovina fotsiny tao amin'ny fandaharam-potoana. Nisy ihany ny mpaara-baovao vitsy no nanantena fa mity hisy ihany ny resaka zon'olombelona voantohintohina any amin'ny firenena maro, dia hita fa misy ny lohahevitra sasantsasany no nampanginina mihitsy tamin'ity indray mitoraka ity. 

Tamin'ny fiafaran'ny vovonana, nampanantena i Etazonia fa hisy $33 miliara atokana ho amin'ny fifampiraharahana ara-barotra sy fampiasam-bola vaovao ary nampanantena hanangana fiaraha-miasa vaovao Afrikana ho fitaondroana ny fandriampahalemana ka ny tanjona dia ny “fandefasana haingana mpampandry tany Afrikana ho fanohanana ny iraky ny Firenena Mikambana na Vondrona Afrikana”. Mialoha ny fihaonana tamin'ny mpitarika Afrikana, dia nikabary tamin'ny tanora miisa ho 500 nanatrika voalohany tao Washington ny fiarahan'ny tanora Afrikana mpitarika ihany koa i Obama. Indro ny lahatsary ahitana ny fifanakalozan-kevitra teo amin'ny mpitarika Afrikana sy ny filoha :

Nitondra ny fandraisany anjara tao anarin'izany adihevitra izany tamin'ny alalan'ny fanoratana lahatsoratra iray amin'ny teny fransay , izay noraisina sy nampitain'ny tranonkala maro ao amin'ny fireneny, mitondra ny lohateny hoe “Gouvernance démocratique: jusqu’où ira le président Obama avec les dictateurs africains?” (Fitantanam-panjakana demokratika : Hatraiza no handehanan'ny filoha Obama miaraka amin'ny mpanao didijadona afrikana ?) ny blaogera Senior Mbary avy any Tchad. Navoaka tao amin'ny blaogin'i Makaila Nguela, blaogera hafa izay nenjehin'ny fitondrana Tchadiana noho ny nanoratany ny tsy fahaiza-mitondra nandritra ny nitondran'ny governemantan'i Idriss Déby izany lahatsoratra izany.

Makaila Nguebla. via Global Voices Advocacy

Makaila Nguebla, via Global Voices Advocacy

Indro ny notsongaina avy amin'ny lahatsoratra lava navoakan'i Mbary:

 Quoi qu’on dise, la démocratie présente un aspect universel : un candidat est élu sur la base de son programme (en théorie). Si au prochain mandat, il n’a pas donné satisfaction, sa propre famille politique hésitera à voter à nouveau pour lui si les jeux démocratiques sont respectés, c’est-à-dire si les gens votent réellement selon leurs convictions.

Le constat est que si les citoyens d’un pays se sentent en sécurité, c’est le cœur qui parle lors des votes et non le ventre ou l’appartenance ethnique ou religieuse dès lors que les règles de jeux démocratiques sont respectées.

Le président Obama a donné un avant-goût de l’espoir quant aux résultats du prochain sommet afro-américain  lors de sa rencontre avec les jeunes africains. Mais la question fondamentale que l’on est en droit de se poser est la suivante : Quelles mesures le président américain sera en mesure de prendre pour faire changer les choses ? Cette interrogation est née pour les raisons suivantes :

-    Lors de sa première tournée africaine lors de son premier mandat, le président Obama avait déclaré au Ghana que l’Afrique n’a pas besoin des hommes forts mais d’institutions fortes, ce qui revient à dire que l’Afrique a besoin d’un ancrage démocratique fort, nécessaire à son développement. Plus de cinq ans après cette déclaration, rien n’a changé. Bien au contraire, la liste des présidents qui ont changé leur constitution ou qui sont sur le point de le faire pour se maintenir au pouvoir ne fait que s’allonger,  même si la plus part de ces dirigeants ont déjà  plus de dix ans au pouvoir;

-    Les intérêts mafieux dans le pré carré français. Quel est la capacité réelle du président Obama à influencer le président Hollande qui soutient aveuglement les dictateurs comme Idriss Deby du Tchad, sachant que celui-ci a des soutiens très solides au sein de l’armée française, le vrai patron de la politique africaine de la France;

-    Au Togo et au Congo-Brazzaville, ces mêmes milieux mafieux sont prêts à tout pour convaincre Hollande de supporter ces présidents dictateurs en place au nom de la stabilité et de la sécurité comme si sans ces gens, les pays allaient disparaitre. Quelle est la stratégie de Mr Obama pour contrer et neutraliser ces milieux ?

Que des interrogations sans réponse pour le moment.

Na inona na inona lazaina dia manana endrika manerantany ny demokrasia : (ara-teoria) voafidy noho ny programan'asany ny kandidà iray voafidy. Raha tsy nahafa-po ny nataony nandritra ny fe-potoana niasany, dia hisalasala ny mbola hifidy azy indray ny iray tarika aminy ara-politika raha voahaja ny lalao demokratika, izany hoe raha mifidy araka ny fandresen-dahatra ao aminy tokoa ny olona.

Ny tsikaritra raha mahatsiaro milamina ny olom-pirenena ao amin'ny firenena iray, dia ny fony no miteny rehefa mandrotsa-bato fa tsy ny kibony na ny iray foko aminy na iray fivavahana aminy raha voahaja ny lalao demokratika.

Efa nomen'ny filoha Obama ny tsirim-panantenana amin'izay ho vokatry ny vovonana Afro-Etazonia manaraka nandritra ny fihaonany tamin'ny tanora afrikana. Fa toy izao manaraka izao ny fanontaniana iankinan'ny hafa rehetra : inona avy ny fepetra azon'ny filohan'i Etazonia raisina ahafahana manova zavatra? Fanontaniana teraka avy amin'ireto hevitra manaraka ireto izany:

- Nandritra ny fiteteza-tany voalohany nataony nanavatsava an'i Afrika tamin'ny fe-potoana niasany voalohany, nilaza ny filoha Obama tao Ghana fa tsy olona matanjaka no ilain'i Afrika fa andrim-panjakana matanjaka, izany hoe mila manana fototra demokratika mafy orina i Afrika, fa ilaina amin'ny handrosoany izany. Mihoatra ny dimy taona taorian'izany fanambarana izany, tsy nisy ny zavatra niova. Ny mifanohitra amin'izany no tsikaritra dia ny fitomboan'isan'ireo filoha nanova na andalam-panovana ny lalampanorenana hahafahany mifikitra eo amin'ny fitondrana, eny fa na dia efa teo amin'ny fahefana mihoatra ny folo taona aza ny ankamaroan'ireo mpitondra ireo.

- Ny fiarovan-tombontsoa any amin'ny fienena nozanahan'i Frantsa taloha. Hatraiza ny fahafahan'ny filoha Obama mandresy lahatra ny filoha Hollande izay manohana an-jambany ny mpanao didijadona tahaka an'i Idriss Deby avy ao Tchad? Mahafantatra ny rehetra fa manana tohana mafy orina avy amin'ny tafika frantsay, izay tena patiraon'ny politika afrikanan'i Frantsa, i Derby.

- Ao Togo sy ao Congo-Brazzaville, vonona handresy lahatra an'i Hollande hanohana ireo filoha mpanao didijadona ao an-toerana ireo daholo ambony latabatra mba hampitombina sy hampilamina ny firenena, tahaka ny hoe hanjavona ireo firenena ireo raha tsy misy ireo mpitondra ireo. Inona no tetikadin'Atoa Obama hanoherana sy tsy hahafahan'ireo tambajotran-dahalo ambony latabatra ireo mihetsika intsony?

Fanontaniana tsy misy valiny daholo izany amin'izao fotoana izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.