Fijery Tokana No Atolotry ny Boky Taridalana Amin'ny Fizahantany Ho Anao. Fa Itantaran'ny Mponina Ny Fijeriny Manokana Kosa Ity Fampiharana Vaovao Ity

Banner of words from Voicemap. Republished with permission.

Afisim-boambolana avy amin'ny Voicemap. Nahazoana alalana ny famoahana azy indray.

Rehefa handeha lavitra ianao, dia te-hahafantatra bebe kokoa ny toerana alehanao. Saingy leon'ny filazana taloha efa mahasorena ianao, tsangambato manatantara sy tantara an-tsoratra nentim-paharazana avy amin'ny biraon'ny fizahantany?

A screenshot from Voicemap. Republished with permission.

Pikantsary avy amin'ny Voicemap. Sary nahazoan-dalana.

Ny Voicemap dia fampiharana ahafahan'ireo mpanao tantara (storyteller) milaza amin'ny hafa ny faritra manodidina azy ireo. Arakitra amin'ny feon'ny mpitantara ny dia, fa tsy amin'ny feon'ny mpanakanto matihanina, mba ho amin'ny lantom-peo mahatehotia  sy avy amin'olo-tsotra kokoa.

Taorian'ny 10 taona nitetezana izao tontolo izao, nahita asa tamina orinasa misahana fizahan-tany i Iain Manley, mpanorina ny fampiharana. Tsaroany fa nandritra ny dia nataony manokana, ny zavatra tena nahafinaritra azy indrindra dia rehefa misy olona mampiseho azy ny tanànan'”izy ireo” amin'ny alalan'ny fijerin'izy ireo. Natombony tao amin'ny tanàna nahaterahany tao Le Cap izany- tanàna lazainy fa ahitana fomba fijery isan-karazany.

“Tamin'ny farany, liana tanteraka hanao zavatra mihoatra noho ny fanomezana lalam-pitetezana izahay. Tianay hotohizana tahaka ny fomba fampitam-pampahafantarana vaovao izany, fomba itantaran-javatra, izay afaka misokitra fitantarana amin'ny fomba vaovao sy mahaliana”, hoy izy taminay nandritra ny antsafa tao amin'ny Skype.

Mifantoka amin'ny fananganana tantara maromaro momba ilay toerana iray ny Voicemap hialana amin'ny fitantarana tokana mahazatra amin'ny fizahantany. Tian-dry zareo hahatsapa tena ho tompon'ny toerana ny olona monina ao amin'ilay faritra ka hilaza ny tantarany manokana momba ny fiarahamonin'izy ireo.

Manazava ny habaka:

Stories have always given meaning to the world around us. Home is a story we tell ourselves, and sometimes it is a part of the story about being Away. Mount Everest, the Mississippi, the pyramids at Giza and the Berlin Wall are really just stories, told and retold every day. Your neighbourhood is a story too.

Manome ny dikan'ny tontolo manodidina antsika ny tantara. Ny Tanindrazana no itantarantsika ny momba antsika, ary matetika ao anatin'ny tantara rehefa any ankafa. Tantara, efa voalaza ary averina lazaina isan'andro ny tendrombohitra Everest, Mississippi, ny pyramida ao Giza ary ny Rindrin'i Berlin. Tantara ihany koa ny faritra mifanolo-bodirindrina aminao.

Mamariparitra bebe kokoa ny Voicemap ity lahatsary momba ny tetikasa ity:

Misy ireo fanamby: miezaka maminavina izay handehanan'ny olona sy hijanonany, mianatra mandrakitra an-tsarintany ny hafangainam-pandeha amin'ny fotoana fandehanana an-tongotra, sy ny sisa. «Tsy manome ny lisitr'ireo marika hahalalàna ny toerana izahay, fa tianay izy ireo hifanerasera ao amin'ilay toerana», hoy i M. Manley.

Ary mety misy ny tsy ampoizina – «Indraindray, mety hiresaka toerana iray amin'ny fomba fijery samihafa tanteraka ny olona roa. Mahaliana kokoa izany noho ny zavatra avy amin'ny rakipahalalana na boky tari-dalana.».

Jereo ao amin'ny iTunes store ny Voicemap, ary araho hatrany ny vaovao fa hoavy tsy ho ela ny endrika Android. Raha liana hisoratra anarana ho mpitantara (storyteller) ianao, azonao atomboka amin'ny alalan'ny tantara antserasera izany.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.