Manahy ity Rosiana Mpanoratra Gazety ity Fa Mety Hifindra avy any Tajikistan Mankany Rosia ny “Tahotra Mpitsikilo”

Igor Rotar, a former correspondent for Nezavisimaya Gazeta, has worked extensively in Central Asia. Here he poses with children in Kyrgyzstan. Photo taken from Rotar's Facebook. Used with permission.

Igor Rotar, solontenan'ny sehatra fampitam-baovao rosiana Nezavisimaya Gazeta teo aloha, niasa mvitrika tao Azia Afovoany. Eto izy maka sarymiaraka amin'ny ankizy ao Kyrgyzstan. Sary nalaina tao amin'ny Facebook-n'i Rotar. Nahazoana alalana.

Ity lahatsoratry ny mpanoratra gazety rosiana Igor Rotar ity dia nivoaka voalohany tamin'ny teny rosiana tao amin'ny Rosbalt.ru ary nadikan'i Olga Dmitrieva amin'ny teny anglisy ho an'ny Global Voices. Ao anatin'ny fanentananay #FreeAlexSodiqov: Mpanoratry ny GV voatazona ao Tajikistan. 

Niteraka fahatezerana teo amin'ny mpampianatra oniversite, mpanoratra gazety ary mpikatroky ny zon'olombelona ny fitazonana an'i Alexander Sodiqov, tanora Tajik mpikaroka voampangan’ny manampahefana Tajik ho manao asam-pitsikilovana nefa ny tena marina dia manao asam-pikarohana ara-piarahamonina ao Gorno-Badakhshan noho ny fifanarahana amin'ny Oniversite britanika ao Exeter izy. Mihoatra ny 30.000 ny sonia voangona izay nahitana Tandrefana sy Rosiana mpikaroka ho fanohanana an'i Sodiqov. Saika ny fikambanana iraisampirenena fanta-daza rehetra no mijoro hiaro azy ary mivoaka amin'ny gazety malaza Amerikana, Kanadiana ary Britanika ny lahatsoratra manamarika ny fihetsika tsy ara-drariny ataon'ny lehiben'ny fiarovana Tajik.

Na izany aza, ny tena zava-dehibe ho an'ny Rosiana dia tsy ny fahaketrenan'ny toe-draharaha fa ny fahitana fa mety hampiharina ao amin'ny fireneny ihany koa ity raharaha nosantarin'ny Tajik ity, satria mifandray tanteraka amin'ny zavamisy rosiana efa mihatsikaritra tsikelikely. Misy ny tranga maro any Rosia izay anenjehana ny mpaka diplaoma ambony ho mampita ho an'ny vahiny ampahibemaso ny tahirin-kevitra hitany. Ny lalàna Rosiana momba ny asam-pitsikilovana vahiny ihany koa dia ahitana trangam-panamelohana maro azo anenjehana olona ho fanaovana asam-pitsikilovana. Ankehitriny raha misy ny fikambanana sahala amin'ny “Memorial” manangona porofon'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona any Kaokazy Avaratra, raha miasa vatsian'ny Tandrefana, dia mety azo adika ho fanaovana asam-pitsikilovana ho an'ny governemanta vahiny izany.

Nasongadin'ireo vahiny mpikaroka izay niantso ho amin'ny famotsorana ny mpitovy asa aminy ihany koa ny fifandraisana ankolaky ny raharaha Sodiqov sy ny zavamisy rosiana. Mihevitra tahaka izao i Edward Schatz, profesora mpiara-miasa amin'ny siansa politika ao amin'ny Oniversiten'i Toronto sy mpanara-maso ny devoara hahazoan'i Sodiqov ny doktorà :

As NATO forces leave Central Asia, Canada and the West should not leave Tajikistan to Russian influence, if that influence means authoritarian abuses of power and deepening kleptocracy. We need to partner with those who seek to minimize abuses and who hold states like Tajikistan to their obligations under international law. Unless and until Russia becomes that kind of partner, we need to be wary about its influence.

Raha mandao an'i Azia Atsinanana ny OTAN, tsy tokony hamela an'i Tajikistan ho eo ambanin'ny tarakevitra rosiana i Canada sy ny Tandrefana, raha midika ho fihoaram-pahefana sy fanamafisana ny fitondram-pangalatra izany tarakevitra izany. Mila miara-miasa amin'ireo mitady izay hanakelezana izany fihoara-pahefana izany isika ary hampijoro ny fitondrana tahaka an'i Tajikistan hanatontosa ny andraikiny eo ambanin'ny lalàna iraisampirenena. Mandra-pahatonga an'i Rosia ho ao amin'izany fiaraha-miasa izany, dia mila mitandrina amin'ny ambaindainy isika. 

Mety hisy fiantraikany amin'ny mpanoratra gazety ihany koa ity raharaha Tajik voalohany ity. Indro ny fanambarana an-gazety amin'ny fomba ofisialy avy amin'ny Komitim-Piarovam-Pirenena ao amin'ny faritra mizakatenan'i Gorno-Badakhshan:

Предварительная проверка показала, что Содиков 9 июня по электронной почте был приглашен на встречу с представителем одного иностранного государства. Встреча состоялась 10 июня сначала тет-а-тет с переписчиком, а вечером — в резиденции с первым лицом спецслужбы иностранного государства, который работал под дипломатическим прикрытием. От последнего он получил конкретное задание и денежную сумму для его выполнения. В ходе встречи в Душанбе гражданину А. Содикову было поручено выехать в город Хорог и с соблюдением мер конспирации встретиться с гражданином РТ Алимом Шерзамоновым и заполучить у последнего сведения разведывательного характера по заранее подготовленному вопроснику.

Ny fanaraha-maso savaranonando dia nampiseho fa nasaina tamin'ny alalan'ny imailaka hihaona tamin'ny solontenan'ny firenena vahiny iray i Sodiqov tamin'ny 9 Jona … Notontosaina tamin'ny 10 jolay tamin'ity taona ity ny fihaonana, ny fihaonana voalohany nifanatrika sady nisy fandraisana naoty, ary avy eo tamin'ny takariva tao amin'ny tranon'ny solontena voalohan'ny sampam-pitsikilovana vahiny misalotra andraikitra diplaomatika. Nomen'izany olona voatonona izany asa manokana izy sy vola bebe ihany hamenoana azy. Nandritra ny fihaonana tany Dushanbe,dia niangaviana i A. Sodiqov handeha any amin'ny tanànan'i Khorog ka, ao anatin'ny tetidratsy, dia hihaona amin'ilay Tajik , Alim Sherzamonov, sy hanangona fampahafantarana manana endrika fitsikilovana avy amin'ity olona voatonona farany ity ny andiam-panontaniana isafidianam-balinteny.

Rehefa nadika tamin'ny teny tsotra izany fampahafantarana izany, dia mizotra tahaka izao. Nisy Britanika mpiasa miaraka amin'i Sodiqov, John Heathershaw mpahay siansa politika, nanasa ny Tajik mpampianatra ambony hihaona aminy ao Dushanbe. Taorian'ny fihaonana dia nandeha nisakafo tany amin'ny Masoivoho Britanika izy miarahalahy mianaka ireo. Niezaka ny nandresy lahatra ilay mpampianatra Britanika ny Ambasadaoro Britanika tsy handehanany any Pamirs noho ny fifanenjanana misy any. Avy eo i John Heathershaw nanolotra tamin'i Sodiqov ny fahafaha-manao fanadihadiana ara-piarahamonina misy ao amin'ny faritra. 

Umed Babakhanov, Tajik mpanoratra gazety malaza sady lehiben'ny fanoratana ao amin'ny sampan-draharaham-baovao Asia Plus ao Tajikistan, no nanamarika fa tafatsoaka tamim-pahagagàna tamin'ny “mpahazo ny mpitsikilo” nihatra tamin'i Alexander Sodiqov izy. Tena vintana no tsy nanatrehan'ilay mpanoratra gazety ilay fiaraha-misakafo tao amin'ny Masoivoho Britanika tao Dushanbe, ary, efa betsaka izany, mety ho tafahaona tamin'i John Heathershaw izy. Hany ka nanao izao fanehoan-kevitra maneso manaraka izao i Babakhanov:

После всей этой истории я задаю самому себе вопросы, на которые не знаю ответов: если бы я в тот день пошел на ужин в резиденцию посла, считался бы я тоже шпионом или пособником шпионов? Считаются ли таковыми другие таджикские ученые, которые пришли в тот вечер на «секретную встречу»? Если социал-демократ Алим Шерзамонов, с которым встречался Содиков, является носителем «сведений разведывательного характера», то являюсь ли таковым я? Если да, то не выдал ли я ненароком во время нашей встречи с британским ученым каких-то государственных секретов?

Hatramin'ny nanombohan'ity raharaha ity, efa nanontany ny tenako amin'ireo fanontaniana tsy ananako valiny aho: raha nisakafo tany an-tranon'ny ambasadaoro ve aho tamin'io andro io, dia azo heverina ho mpitsikilo na mpiray tsikombakomba amin'ny mpitsikilo? Azo heverina ho mpitsikilo ihany koa ve ireo Tajik mpampianatra oniversite nanatrika ity “fihaonana miafina” tamin'ity takariva ity? Raha mpitondra “fampahafantarana amin'ny endrika fitsikilovana” ilay mpikambana ao amin'ny Antoko Sosialy Demokratika, Alim Sherzamonov, izay nihaona tamin'i Sodiqov [tamin'ny fotoana nisamborana azy], dia mpitondra izany fampahafantarana izany ihany koa ve aho? Raha izany, nanao izany tsinahy ve aho, nandritra ny fihaonanay tamin'ilay Britanika mpampianatry ny oniversite, nanome ho any an-kafa ny tsiambaratelom-panjakana?

Tahaka izany koa aho, manana fanahiana lalina ihany koa aho amin'ny herijika mety hahatonga ahy ho mpitsikilo. Tsy nitsahatra namoaka lahatsoratra ho an'ireo fikambanana manampy ny sehatry ny siansa politika Tandrefana aho, mampianatra any amin'ireo fianarana isan-karazany any Etazonia, Sovietika ary foiben'ny zon'olombelona aho ary nisy aza fotoana niasako (soa ihany fa tsy nandritra ny fotoana lava) tao amin'ny Radio Svoboda, izay nalaza ho tohanan'ny CIA [Naotin'ny tonia: ny Radio Svoboda dia notohanan'ny sampan-draharaha federalin'i Etazonia ao amin'ny Broadcasting Board of Governors]. Ankoatra izany, dia manaiky aho fa efa nifandray tamin'ireo diplaomaty vahiny. Tsy vitan'ny hoe nanatrika ireo fiarahana manala hetaheta maro tany amin'ny masoivoho aho, fa efa nanolo-kevitra ireo diplaomaty Japoney sy Poloney ihany koa aho raha noraofina tao Tajikistan ireo Zeology avy any Japan ary natao takalon'aina tany Chechnya ny mpanoratra gazety Poloney. Noho izany, raha arahina ny tohin-kevitry ny manampahefana Tajik, dia miharihary fa mpitsikilo henjana aho.

Mino aho fa misy ny Rosiana mpanoratra gazety afa-milaza zavatra mitovy momba azy ireo. Ny mahaliana kokoa, ireo vahiny izay te-hahazo fampahafantarana avy amin'ny mpanoratra gazety dia mety ho manamboninahitra avy amin'ny sampam-pitsikilovana vahiny. Na izany aza, tsy nanan-tahotra aho mandra-pisian'ity raharaha Tajik ity satria afa-tsy hoe namoaka fampahafantarana saropady ianao dia tsy misy zavatra mety hanasaziana anao. Saingy, araka ny lazain'ity tantara Tajik ity amintsika, dia mety hiova ao anatin'ny fotoana fohy ny zava-drehetra. Ny zavamisy vaovao dia midika fa mba tsy hanamelohana anao ho manao asam-pitsikilovana,dia tsara kokoa ny mamafa izay rehetra mety hampisy fifandraisana amin'ny vahiny.

Efa teto isika tamin'ny andron'i Stalin. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.