Mitarika Ireo Mpianatra Baloutche Amin'ny Fitakiany Ny Fahaleovantena Amin'i Pakistana Ity Vehivavy Ity

Banuk Karima Baloch, chairperson of the Baloch Student Organization-Azad (BSO-Azad) at a rally in Karachi. Screenshot from YouTube.

Banuk Karima Baloch, filohan'ny Fikambanan'ny Mpianatra Baloutche-Azad (BSO-Azad) nandritra ny fidinana an-dalambe tany Karachi tamin'ny Jona. Sary avy aminà lahatsary iray navoakan'i DeraBugtichannel tao amin'ny Youtube

Mety hanaitra ny vahoaka izay manaraka ny fandrakofan'ny media mahazatra an'i Pakistana ity: tarihanà vehivavy ny iray amin'ireo fikambanan'ny mpianatra mampiady hevitra indrindra ao amin'ny firenena.

Banuk Karima Baloch no filohan'ilay Baloch Student Organization (BSO-Azad), fikambanan'ny mpianatra ao amin'ny foko Baloutche lehibe indrindra ao amin'ny firenena, izay noraràn'i Pakistana tamin'ny 2013 noho ny nahavoarohirohy azy tamin'ny “asa fampihorohoroana.”

Mitana anjara asa lehibe ny fikambanan'i Karima eo amin'ny fampihetsehana ireo tanora mpanohitra sy mpitaky ny fahaleovan-tena ao Baloutchistan, faritany atsimo andrefan'ny firenena horohoron'ny fahantrana, ny herisetra vokatry ny tsy fandeferana ary ny fitroarana manoloana ny fanjakana Pakistaney. 

Napetrak'i Allah Nazar Baloch, mpiady fanta-daza ho an'ny fahaleovan-tena, tamin'ny 2002 ny BSO-Azad. Izy no mpibaiko ny Mandatehezana Fanafahana Baloutche (BLF) izay voarara, ilay vondrona mpitolona mafana fo indrindra eo amin'ny Baloutche mpanohitra mitam-piadiana ny fanjakana Pakistaney. 

Ankoatra ireo zava-misy mari-pototra hita any an-toerana, miatrika fanamby hafa amboniny ireo vehivavy ao Baloutchistan: miaina anatin'ny faritra tsy mivoatra indrindra any Pakistana izy ireo, izay anjakan'ny lehilahy eo amin'ny fiainam-bahoaka; anivon'ireo ambony indrindra ao Azia ny taham-pahafatesan'ny reny eo am-piterahana ary ny taham-pahaiza-mamaky teny sy manoratr'ireo vehivavy ao amin'ny faritra no ambany indrindra ao amin'ny firenena.

Kanefa tanatin'ireo taona vitsy, loha-laharana kosa ireo vehivavy Baloutche tamin'ny ezaka fisarihana ny saina amin'ireo “vahoaka tsy hita popoka” tao Baloutchistan, iray amin'ireo endrika ratsy sady tsy misy mpitatitr’ilay fikomiana tany Baloutchistan. Tamin'ny 2013 fotsiny, vatana mangatsiaka 116 no hita manerana ny faritany, 87 amin'ireo no nofantarin'ny fianakaviana izay niampanga ireo masoivohom-piarovana ao Pakistana ho naka an-keriny ny olon-tian'izy ireo. Araka ny voalazan'ny Komisiona tsy miankina Mpiaro Ny Zon'Olombelona ao Pakistana, hatramin'ny 2010, dia tsikaritra fa nahitana marikanà fampijaliana ny vatan'ireo lehilahy Baloutche an-jatony tsy hita. 

Tamin'ny Mey, niresaka momba ireo vehivavy Baloutche i Karima, ny anjara asan'izy ireo eo amin'ity tolona ho an'ny fahafahana sy ireo hetahetany ho an'i Baloutchistan tanatinà tafatafa notanterahana tany Urdu. Nadikako tamin'ny teny Anglisy ilay tafatafa ho an'ny bilaogiko Collateral Damage. Eto ambany dia misy famintinana an'ilay tafatafa voadika. 

Voalohany izao no nisy vehivavy lohanà fikambanan'ny mpianatra ao Baloutchistan. Ahoana ny fihetseham-ponao tamin'ny fiantsoana anao hitarika ny BSO-Azad?

Banuk Karima Baloch (BKB): Koa satria tsy misy fanavakavahana ara-pananahana ao anatin'ny fikambananay, miara-mandray anjara anatin'ny tolom-pirenena ny lehilahy sy ny vehivavy. Nandritra ny fotoana nitarihako ilay fikambanana, tsy mbola nahatsapa ny tenako ho samy hafa na koa ambany aho noho ny maha vehivavy ahy. Na izany aza anefa, faly aho fa nanova ny fihevitry ny fiarahamonina Baloutche ny vehivavy ny fandraisan'ireo Baloutche rahavaviko anjara amin'ny tolona ho an'ny fahafahana. Miaraka amin'ny fiverenan'ny hetsi-pirenena, fomban-drazana mpitahiry maro no nanjavona ankehitriny. Raha oharina amin'ny taloha dia malalaka sy mihetsika kokoa ireo vehivavy Baloutche.

Anatin'ny zava-mitranga amin'izao fotoana, izay mahalasa manify dia manify ny fanavakavahana ireo hetsika ara-politika ara-dalàna any Baloutchistan, paikady toa inona no kendrenao horaisina?

BKB: Ho anay, nivadika ho poizina mahafaty ny tolona anaty filaminana. Nandritra ireo telo taona lasa, maro tamin'ireo mpikambana tato aminay no novonoana tamin'ny fomba feno habibiana ary an'arivony no nalaina an-keriny. Roa volana lasa izay, nalaina an-keriny teo imasoko ny filohan'ny fikambananay. Talohan'izay, tamin'ny 2009, nalain'ireo sampana miafina an-keriny ny filoha lefitry ny fikambananay, Zakir Majeed, raha nanatrika matso mifanitsakitro. Mbola tsy hita izy hatramin'izao. Nitolona tsy sasatra niaraka tamin'ny BSO-Azad ny fianakavian'i Majeed ho an'ny famoahana azy saingy tsy nisy vokany izany.

Ny tiako ambara dia mangeja mafy ny tendanay ny tady. Saingy mitohy miziriziry izahay, tsy mijery izany. Na dia manohy ny fihetsiny manoloana anay tahaka ny tsy manana ny feon'ny fieritreretana aza ny fanjakana, tsy hampitony ny tolonay milamina sy marina izahay. Zonay eo ambanin'ny lalàna iraisam-pirenena ny tolona anaty filaminana. Arakaraka ny habibian'ny fanjakana no hanohizanay ny fanoheranay, ny fizirizirianay sy ny fifohazanay.

Mitana anjara asa lehibe eo amin'ny hetsi-panentanana hikarohana ireo olona tsy hita ny vehivavy ao Baloutchistan. Inona no vokatr'io tranga io eo amin'ny hetsiky ny Baloutche ho an'ny tanindrazana? Ahoana ny fihetsehan'ny fiarahamonina Baloutche manoloana ny fandraisan'ny vehivavy anjara anatin'ireo hetsika ara-politika?

BKB: Araka ny voalazako, hita fa niova ny fihetsiky ny fiarahamonina Baloutche manoloana ny vehivavy. Ankehitriny, mahatsapa ho mirehareha amin'ny fandraisan'ny vehivavy anjara anatin'ny hetsi-pirenena ny vahoaka. Banuk Farzana, Banuk Sami Baloch sy ireo rahavavy ambiny, noho ny ezak'izy ireo feno fahasahiana, dia raisina ho mariky ny hetsi-pirenena. Raha mandinika ianao, kely ny mponinay ary misaratsaraka ara-jeôgrafika; ary noho izany ireo vehivavy, izay antsasaky ny mponina, dia nandray anjara goavana teo amin'ny fanamafisana ny hetsikay.

Tiako tsindriana ihany koa fa mihaotraotra loha sisa ny fanjakana sy ireo masoivohony manoloana ity fironana ity. Miezaka mikaroka hevitra vaovao handrerahana sy handrahonana ireo vehivavy Baloutche mba hamerana ny fivoaran'izy ireo, ka tsy hahafahan'izy ireo handray anjara anatin'ny hetsi-pirenena. Tamin'ny herintaona, nitarika fanafihana baomba tanatinà kôlejin-jazavavy ny Lashkar-e-Jhangvi, tany amin'ny faritra Baloutche ao Quetta. Ohatra hafa eo amin'ny politikan'ny fanjakana ny fananganana vondrona islamika vaovao tany Panjgur vao haingana izay sy ny fandrahonana ny fanajanonana ny fampianarana ny vehivavy. Tamin'ny herintaona tany Turbat, nilatsaka an-terisetra tany anatinà toby fampianarana roa ireo sampana mpiaro sy miafina Pakistaney, ka nanimba ireo fitaovam-pianarana rehetra, ary taty aoriana dia nivarotra ireo toby ireo. Ireo toby izay nampirisihana sy nifidianana ny fianarana sy ny fivoaran'ny vehivavy.

Ahoana ny fijerinao ny fepetra ara-piarahamonina sy ara-toekarena iainan'ny vehivavy ao Baloutchistan ankehitriny? Inona ireo fanamby goavana ary ahoana no handresena izany?

BKB: Na dia feno harena voajanahary aza i Baloutchistan, dia iray amin'ireo faritra tsy mivoatra indrindra eran-tany. Tsy ny vehivavy ihany no iharan'ny fitondrana mpanjanaka napetrak'i Pakistana eto aminay; ny Baloutche tsirairay dia voatery hiaina fiainan'olom-pirenena anaty sokajy faharoa. Araka ireo antontanisa manokan'ny governemanta, 52.2 isan-jaton'ny vahoaka ao Balochistan no iharan'ny tsy fanjarian-tsakafo. Saingy raha ny marina, mbola maro lavitra noho io no tsy zarizary ny sakafony. Ankoatra izany, nanamarika ny Famatsiam-bola ho an'ny Vahoaka avy amin'ny Firenena Mikambana fa tena mampiahiahy ny haavon'ny tahan'ny fahafatesan'ny zaza latsaky ny herintaona. Isaky ny 20 minitra, misy vehivavy iray maty eo am-piterahana.

Ny zavatra tiako ambara dia ny hoe noho ny rafitra mpaneritery napetrak'i Pakistana eto aminay sy ny tsy fahalalan'ny vahoaka mikasika izany no mahatonga azy hijaly mafy tahaka izao. Raha tsy manafaka ny tenany eo ambanin'ny fitondran'i Pakistana i Baloutchistan, hanohy hiaina anatin'ny fahantrana, ny tsy fananana asa, ary ny fivakivakiana ara-piarahamonina sy ara-kolontsaina.

Misy vehivavy iray manokana ve nanainga ny fanahinao teo amin'ny tantaran'i Baloutchistan?

BKB: Teo amin'ny tantaran'ny Baloutche, manome voninahitra an'i Hatun Bibi sy ireo sorona nataony tanatin'ny tolona enti-manohitra ireo mpibodo an'i Baloutchistantany Iran ny tenako. Niady tamim-pahasahiana niaraka tamin'ny fianakaviany izy, indrindra i Dad Shah, enti-manohitra ireo fahavalo.

Misy ezaka vonona avy eo am-pelatànanao hifandraisana amin'ireo fikambanan'ny mpianatra any amin'ireo faritany hafa, indrindra any Sindh, mba hampivelarana ny tobim-piraisan-kinanareo?

BKB: Fikambananà mpianatra samihafa no nanampy anay tanatin'ny hetsi-panentananay mba hangatahana ny famotsorana ny filohan'ny BSO-Azad, Zahid Baloch. Tany Karachi sy tany amin'ireo toeran-kafa rehetra, nanatanteraka hetsi-panoherana sy fidinana an-dàlambe hanohanana anay izy ireo. Tany amin'ny faritra maro, naneho firaisan-kina taminay ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona sy niaraka tamin'i Lateef Johar, izay mitokona tsy mihinan-kanina hatramin'ny fahafatesana. Miezaka mampitombo ny fiaraha-miasanay amin'ireo vondrona ireo izahay; fara-faharatsiny eo amin'ny sehatry ny firaisan-kina, tokony hiara-misalahy izahay ary hampandeha ny fifandraisana.

Inona no hafatra tianao ampitaina amin'ny vahoaka, indrindra amin'ireo vehivavy ao Pakistana?

BKB: Tiako mba hifantoka amin'ny fianarana ny vahoaka Baloutche, indrindra ireo vehivavy, ary ho lasa anatin'ny ady manohitra ny famoretana sy ny fanandevozana, mba hahafaka an'i Baloutchistan ary hahalasa azy ho firenena fakan-tahaka izay tsy ahitana fanavakavahana ara-poko, ara-pirazanana, ara-pananahana, ara-tsokajy, sns.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.