Fampahalalam-baovao An'olo-tsotra: Ahoana No Hampafantarana Amin'ny Olona Ny Lahatsarinao

woman-246235

Tamin'ny volana Marsa 2014, namokatra tari-dalana amin'ny teny Anglisy ny tambajotra Video4Change. Hifantoka amin'ny fizarana ireo fitaovana (ao amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto) isika amin'ity indray mitoraka ity.

  • Tari-dalana Fampidirana Lahatsary. Fitaovana mahasoa ho anao ity tari-dalana ity raha-te hahafantatra ny fomba ahafahanao mampiditra ny lahatsarinao ao anatin'ireo endrika fizarana isan-karazany ivelan'ny aterineto sy anatin'ny aterineto ianao (DVD, lahatsary antserasera, sns).
  • Tari-dalana hoan'ireo Habaka Hizarana Lahatsary. Mandinika tsara ireo habaka misy sy malaza, mpampiantrano lahatsary (YouTube, Vimeo, archive.org, Bambuser) ity toro-lalana ity ary mampitaha azy ireo amin'ny fomba fiasa, safidy manokana sy sokajy hafa ahafahanao misafidy izay ho ampiasaina hizaranao ireo lahatsary antserasera.
  • Ahoana ho Hikarakarana Fandefasana Horonantsarimihetsika. Iray amin'ireo fomba mahomby hahazoanao mpijery marobe amin'ny lahatsarinao ny fikarakarana fandefasana (fampiatranoana) horontsarimihetsika. Mitondra anao mitety ireo dingana sy fizotry ny fikarakarana ny fandefasana ny horonantsarimihetsikao manokana amim-pahombiazana ity tari-dalana ity. Ankoatra izany, miresaka ny fomba fampidirana ny fandefasana horonantsarimihetsika ho tahaka ny tetikadim-pisoloambava amin'ny hetsika ataonao ity loharanom-pahaizana ity.

    
Ny fampivelarana ireo tari-dalana ireo, ka anisan'izany ireo efa navoakan'ny tambajotra Video4Change tao anatin'ny roa taona, dia ao anatin'ny andraikitra ho fanohanana ny asan'ireo mpikatroka mpamoaka lahatsary, sy tetikady fampiasana ny lahatsary amin'ny fisoloambava sy fanentanana. Mbola hamokatra tari-dalana maro izahay rahatrizay.

Navoaka voalohany tao amin'ny habaky ny Video4Change ho ny “Fitaovana Telo Vaovao avy amin'ny Tambajotra Video4Change” miaraka amin'ny zon'ny mpamorona Creative Commons (CC BY-NC-SA 4.0) ity lahatsoratra ity. Ao anatin'ny sehatra azon'ny daholobe ampiasaina ny sary eo ambony. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.