Mety Hisamborana Anao Ny Fanatontosana Lahatsary Youtube Hanohanana Ny Ekipam-pirenena Ao Iran

Screenshot of a video supporting Iran's national team in the World Cup. Those involved in the video were reportedly arrested.

Pikantsarin'ny lahatsary manohana ny ekipam-pirenena Iraniana nandritra ny Mondialy. Nosamborina ny olona telo nandray anjara tamin'ny fanatontosana ny lahatsary.

Iray volana monja taorian'ny nampidirana am-ponja ireo Iraniana enina noho ny fanatontosana lahatsary malaza “Happy”, olona telo indray no nosamborina tao Iran noho ny fandraisan'izy ireo anjara tamina lahatsary mozika misy feon-kira manohana ny ekipam-pirenena Iraniana tamin'ny Mondialy.

Ahitana horonantsary Iraniana avy amin'ireo firenena maherin'ny roa ambin'ny folo mihira sy mandihy ilay lahatsarynovokarin'iAjam Band monina ao amin'ny Fanjakana Britanika. Mpilalao horonantsary roa sy mpanatontosa sarimihetsika no nosamborina, araka ny filazan'ny sampam-pahalalam-baovaom-panjakana Iraniana. Tsy ampy ny fanazavana mahatonga ny nisamborana azy ireo, saingy nolazain'ireo polisy Iraniana ho “foza” ilay lahatsary .

Navoaka roa andro monja mialoha ny fisokafaran'ny Mondialy tamin'ny 10 Jiona 2014 ny “Goal Iran” (Iran mahatafiditra baolina – tanjona Iran), ary nahazo mpijery sahabo ho 30 000 tao amin'ny YouTube. Nitatitra ny Sampam-baovao France-Press fa nalefa tamin'ny fahitalavitra mandeha amin'ny zanabolana ao Iran ilay lahatsary, izay  azo avy amin'ny alalan'ny (antenina) viliabe tsy ara-dalàna nefa miely be ny fampiasana azy.

Ny voambolana persiana hoe voninkazo dia midika ihany koa hoe “mahafaty baolina – mahatafiditra baolina – tanjona”, ka samy hita ao amin'ny hira ny fampiasana ireo dika roa ireo : 

What is the goal, which is the fruit of love and hope
What is the goal, which is red and green and white [the colours of the Iranian flag]
What is the goal that came from Iran’s heart
Our hearts want an Iranian goal
Come on, come on we want a goal
…long live Iran’s name

Inona ny voninkazo, izay vokatry ny fitiavana sy ny fanantenana 
Inona ny voninkazo, izay mena sy maintso ary fotsy [lokon'ny sainam-pirenena Iraniana]
Inona ny tanjona izay avy amin'ny fon'i Iran 
Mila baolina Iraniana tafiditra ny fontsika 
Alefa, alefa, mila baolina tafiditra izahay 
… Ho ela velona ny anaran'i Iran

Nihintsana tamin'ny Mondialy i Iran rehefa resin'i Bosnia-Herzegovina 3-1 tamin'ny 25 Jiona.

Nitarika avy hatrany ireo Iraniana hidina an-dalambe hankalaza ny faharesena teo anoloan'i Arzantina tamin'ny fifaninanana. Tsy navelan'i Iran nampiditra baolina i Arzantina tao anatin'ny 90 minitra nandritra ny lalao tamin'ny 21 Jiona mandrapampidiran'ilay “superstar” Lionel Messi baolina tamin'ny minitra farany. Hoan'ireo Iraniana marobe, zava-bita mahatalanjona hoan'ny ekipam-pireneny izany.

Amir Jahnashai, mpanorina ny fahilavitra Iraniana mpanohitra  “Raha TV” ao London, nisioka hoe:

Manohana ny ekipam-pirenentsika daholo ny firenena Iraniana manotonto. Tokony hiseho eo amin'ny sehatra rehetra izany firasainkina izany.

Bilaogera Namajafari nampiditra zava-misy tsy mahafaly kely tamin'ny fankalazana:

Faharesena mahafinaritra, antenaina fa indray andro any, afaka hipetraka eo anilan'ireo lehilahy Iraniana ny vehivavy Iraniana rehefa mijery lalao fifaninanana. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.