Nandresy Tamin'ny Fifidianana Ho Filoha Ejipsiana i Sisi; Fahatelo Kosa no Misy An'i Sabahi Hany Mpifaninana Aminy

Nahazo filoham-pirenena vaovao nandritra ny fifidianana fahatelo nisiany hatrany ny taona maro i Ejipta. Nahazo fandresena tamin'ny ampahany lavitra dia lavitra ny Jeneraly Abdel Fattah Al-Sisi, nanamontsana an'i Hamdeen Sabahi, hany mpifaninana aminy izay tafiditra ho laharana fahatelo. Nivoaka ny ampaham-bokatra taorian'ny telo andro nifidianana. Voatatitra fa nahazo ny 93,3 isan-jaton'ny vato i Sisi, naka ny laharana fahatelo koa i Hamdeen ary ny 3,7 isanjaton'ny vato manankery no azony.

Mifananihany sy mitsikanikany ny mpiserasera ao amin'ny Twitter tamin'ny fandrenesana ny vaovao.

Nilaza ilay Ejipsiana Aida Elkashef [ar]:

Ny sady mampihomehy no mampitomany amin'ny fifidianana dia raha roa monja ny isan'ny kandidà, dia laharana fahatelo no misy an'i Hamdeen rehefa nambara fa manankery ny vato

Manontany i Sherief Gaber:

Izany hoe raha “uprising” (fitroarana-fifohazana mijoro) ny tamin'ny 2011, azontsika valiana tsy misy faharavoana ho “downrising” (kilalaon-teny fa toy ny hoe fifohazana mitanondrika) ve ny (fifidianana an'i) Sisi? 

Ary nanamarika ilay Ejipsiana Hosam El Sokkari [ar]:

Ny olombelona dia biby mandrotsa-bato (ankoatra izay izy tsy misy lanjany)

Mandritra izany fotoana izany dia manontany tena i Nabeel hoe maninona ny olona no diso fanantenana fa tsy maharaka ny fifaninanana i Sabahi. Manontany izy:

Fa maninona isika no manome tsiny an'i Hamdeen? Satria vitsy ny vato azony? Fa iza moa no mba afa-nieritreritra fa ho afa-mandresy izy?

Na dia nandresy be aza i Sisi, dia mbola nametraka fanamby i Amro Ali:

Tsy ho tahaka an'i Nasser velively i Sisi mandra-pahazoany ny fandresena nahazoan'i Nasser 99,9 isan-jato tamin'ny fifidianana tamin'ny 1956.  

Nanampy ilay Libaney mpanadrohadro Karl Sharro:

Ny tianao lazaina dia tsy ho afa-mahazo vato mihoatra ny 100% i Sisi noho ny matematika manjakazaka mifototra amin'ny foko.

Avy any Bahrain i Abo Omar Al Shafee no mandrafitra fampitahana amin'i Bahrain. Hoy ny siokany:

Tahaka ny fahombiazan'ny filoham-pirenena tany Ejipta, dia ho fahombiazana tanteraka ihany koa ny fifidianana antenimiera any Bahrain. Tsy misy ny fampiononana ho an'izay midongy (tsy hifidy)

Ary ho famehezana izany dia nisioka ilay mpikatroka Ejipsiana Alaa Abdel Fattah:

Dia lasa adala tahaka izany moa ianao ry Sisi

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.