“Quand le village se réveille”: Bilaogin-Kolontsaina Maliana Vaovao

«Quand le village se réveille …(Rehefa mifoha ny tanàna)» dia tetikasa hanangonana sy hizarana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao amin'ny alalan'ny teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana ao Mali izay ahafahana mizara lahatsoratra, lahatsary, feo, sy fijoroana vavolombelona avy amin'ireo zokiolona – mpiambina ny fomba amam-panao nentim-paharazana, ny kolontsaina, ary ny fahatsiarovana iombonana eo amin'ny fiarahamonina Afrikanina.

Ny hitahiry ny lovantsofina ara-kolontsaina Maliana sy hananganana marika famantarana hoan'ny tanora no tanjon'ny tetikasa, ary ny mba ahafahan'ny olon-drehetra manerantany ihany koa mahazo izany lovatsofina izany amin'ny alalan'ny bilaogy sy ny tambajotra sosialy.

Efa manana kaonty Facebook hizarana sary sahady ny tetikasa. Eo an-dalam-pananganana kosa ireo kaonty hafa amin'ny tambajotra sosialy izay hanampy amin'ny fizarana ny tetikasa manerana izao tontolo izao.

Ankoatra ny votoaty momba ny kolontsaina avy any andrenivohitra sy ambanivohitra, mifandray amin'ireo tanàna kely enina avy amin'ny faritra telo samihafa ao Mali ny tetikasa. Mikendry hametraka teknolojia nomerika sy fifandraisana aterineto ao amin'ireo tanàna kely ireo ny ampahany amin'ity tetikasa ity, ary koa hampiofana ireo mpikambana ao amin'ny fiarahamonina mikasika ny fananganana sy fanoratana bilaogy mba hanampy azy ireo hampiroborobo ny kolontsainy manokana amin'ny alalan'ny media sosialy, ary hitantana bilaogy iombonana ihany koa.

DSCN6880

1010087_242268465974212_1258108745801676811_n

10313038_236936056507453_1947551232674342124_n

10346219_239056649628727_9159952648268223974_n

10155373_235842943283431_7367090625070362964_n

DSCN6900

DSCN6846 (1)

Nahazoan-dalana avy amin'ny pejy Facebook «Quand le village se réveille …» avokoa ny sary rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.