Mpikambana Enina Aminà Bilaogy Itambaram-be Nosamborina Tao Etiopia

zonenine

Mpikambana enina nosamborina tamin'ny 25 Aprily tao Addis Abeba. Sary avy ao amin'ny Facebook, natambatr'i Endalk.

Tamin'ny 25 Aprily, mpikambana enina avy amin'ny bilaogy itambaram-be “Zone Nine” [am] no nosamborina tao Etiopia. Nitatitra ireo mpiara-dia amin-dry zareo fa ao Maekelawi, toby fitànana ao Addis Abeba, renivohitra izy ireo no nahiboka.

Nivoaka voalohany tao amin'ny Twitter ny vaovao momba ireo fisamborana ireo, toerana ampiasain'ireo bilaogera mpiara-dia aminy sy ireo mpampiasa tambajotra sosialy hamoahana ny feon-dry zareo ho re ary hitondrany fanohanana ho an'ireo voasambotra sy hanehoan-dry zareo ny ahiahiny mikasika izay mety mbola hitranga.

Bisrat Teshome, mpanoratra monina ao Addis Abeba, nibitsika hoe :

Nihorohoro noho ny kiana mafonjan'ny EPRDF momba ny mpanao gazety & bilaogera. Saiky torana aho rehefa nisy nandondòna tao am-baravarako tamin'ny 7 ora hariva.

Zerihun Tesfaye, Etiopiana mpanao gazety monina an-tsesitany any Etazonia, nanoratra hoe :

Ilay fotoana tena ahatsiarovanao fa irery ianao, ary very fanantenana rehefa injay ka saiky lasa any am-ponja noho ny fikatrohany daholo ireo namanao sahisahy sy mpanakiana.

Natsangana tamin'ny 2012, nitondra fanakianana mavaivay momba ny politika sy ny fomba fanaon'ny eo amin'ny fitondràna ny vondrona “Zone Nine”. Nezahanay ny nanao fanentanna tety anaty serasera mba ho ezaka hanairana ny sain'ny olona momba ny politakam-pamoretana misy eto amin'ny firenena. Manokan-tena ihany koa izahay handika ireo vaovao iraisam-pirenena ho azon'ny eto an-toerana hovakiana — amin'ny alàlan'ny fiarahanay miasa amin'ny Global Voices, roa taona lasa izay no nanombohanay ny Global Voices amin'ny fiteny Amharic.

Inoanay fa lasibatry ny fanarahamason'ny governemanta Etiopiana izahay nanomboka tamin'ny fahafatesan'ny Praiminisitra Meles Zenawi. Nanoratra lahatsoratra izahay nanakiana mafy ny lazaina ho fampandrosoana ara-toekarena nataon'i Zenawi sy ireo zava-bita hafa. Raha nahazo tatitra mankasitraka izy dia izahay kosa naneho fa mampiahiahy ireo zava-bitany.

Hatramin'ny anio, tsy nisy vesatra navoaka mikasika ireo mpikambana amin'ny vondronay izay nosamborina androny.

Indrisy, tsy voalohany amin'ny toa azy akory ireo fisamborana ireo. Any amin'ny manodidina an'i Addis Abeba, misy fonja iray goavana antsoina hoe Kality izay itazonana gadra politika maro amin'izao fotoana izao, isan'izy ireny ireto mpanao gazety ireto: Eskinder Nega sy Reeyot Alemu. Nilaza betsaka taminay mikasika ilay fonja sy ny fiaimpiainana ao ireo mpanao gazety. Mizara ho faritra valo samihafa i Kality, ny farany amin'izany — Zone Eight — dia natokana ho an'ireo mpanao gazety, ireo mpikatroka mafàna fo mpiaro zon'olombelona ary ny mpanohitra. Rehefa tafaraka izahay, nanapa-kevitra ny hanangana bilaogy iray ho kisarinteny mikasika ilay fonja hiainan'ny Etiopiana rehetra: ny Zone Nine io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.