Nohamorain'i Etazonia Indray Ny Fanaovan'i Kremlin Propagandy

Stepping on a rake. Images remixed by Kevin Rothrock.

fandroson'ny fihogon-tany. Sary namboarin'i Kevin Rothrock.

“Tsy misy mersenera Amerikana any #Ukraine, laingan'i #Kremlin sy propagandiny daholo izany rehetra izany” hoy ny tsiokan'ny [ru] departemantam-panjakana Amerikana tao amin'ny kaontiny ofisialy vao haingana, nampiontana ilay Rosiana nifindra monina mpanoratra an-gazety Oleg Kashin hanontany [ru] raha azo heverina ho misy resy lahatra amin'izany fanambarana izany. Raha mamaly ny fanaratsiana rehetra ao amin'ny aterineto ny manampahefanan'i Etazonia dia tahaka ny marikivy jerena sy resy tondromaso. Angamba izany no mahatonga an-dry zareo ho tsy mahalala ny teorian'ny tsikombakomba nivezivezy tao amin'ny RuNet.

Tsara kokoa ny naka fahanginana kely taorian'ny tsy fahombiazan'ny diplaomasian'i Etazonia tamin'ny fifandraisana tamin'ny Rosiana olotsotra [tatitra Global Voices amin'ny teny malagasy], rehefa tojo tsy fahombiazana miharihary tahaka izao ny teorian'ny tsikombakomba. Ilay mpisera Twitter @Dikuschka no voalohany nisarika ny fifantohana [ru] tamin'ny “fangatahana hanao tolotra” [ru] fananganana sekoly Okraniana iray nataon'ny governemantan'i Etazonia nandritra ny fotoanan'ny mihintsan-dravina farany teo. Tsy dia misy inona loatra, ankoatra ny hoe io sekoly resahina io dia any Sevastopol, misy ny tobin-tafika an-dranomasin'i Rosia ao amin'ny ranomasina mainty. Ary ny fangatahana dia avy amin'ny Komandin'ny Jenia Miaramilan'i US Navy.

Mampiahiahy tokoa izany fitambaran-javatra izany, ary ampy ho an'ny mpisera [ru] twitter [ru] pro-Kremlin ny mamadika mora ny fananganana indray ny sekoly iray eo ambany fandaharan'asam-panampiana mahaolona an'ny komandin'i Etazonia ao Eoropa, ho “fananganana ny tobin-tafika an-dranomasina Etazonia.” Nanavatsava ny RuNet ny kisarisarim-pampihomehezana, nandalo ny haba-tranonkalam-pampihomehy tahaka ny Pikabu [ru], gazety tahaka ny Komsomolskaya Pravda [ru], eny fa na dia ny kaonty Twitter (hosoka) an'ny mpitarika an'i Krimea Sergey Aksyonov aza (naato moa io kaonty io amin'izao fotoana izao). 

Angamba hitontona any amin'ny sofina marenin'ny ankamaroan'ny Rosiana ny fihevitra fa manatontosa politika mikaviavia te-hahazo “fo sy saina”, tsy ijerana izay mety ho endriny ny US Navy. (Eritereto fotsiny hoe i Rosia manamboatra indray sekoly eo akaikin'ny fatin'ny Tafika an-dranomasin'i Etazonia any Okinawa.) Ny Komsomolskaya Pravda nanonona loharanom-baovao avy amin'ny komandin'andian-tsambon'i Rosia ao amin'ny Ranomasina Mainty, miteny hoe “Tsy azoko ny hanomezan'ny US Navy vola hananganana indray sekoly iray ao Sevastopol amin'izao fotsiny, inona no kendreny?” Misy lahatsoratra [ru] ao amin'ny vondrona VKontakte “Antimaidan-Berkut” nanolo-kevitra fa raha tsy nanangana fotodrafitrasa ara-miaramila madiorano fotsiny amin'izao, ny fananganana indray ilay sekoly dia ny hanaovana azy ho an'ny zanaky ny Amerikana mpiasa mamita iraka izay mety hitoby amin'ny fotodrafitrasa ara-miaramila tsy mbola azo antoka ny hijoroany.

Ny fangatahana hanao tolotra izay tombanana hanomezana endrika vaovao indray ny sekoly #5 ao Sevastopol, anelanelan'ny tetibola $200.000 ka hatramin'ny $500.000 dia mbola ao amin'ny haba-tranonkalan'ny Federal Business Opportunities. Tamin'ny 15 Avrily 2014, anefa, dia nofoanana izany, “noho ny toe-draharaha misy any Okraina amin'izao fotoana izao.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.