Lian-Drà Ireo Rosiana Mpanara-damaodin'ny Aterineto

Journalist llya Azar vs. publicist and editor Dmitry Olshanskiy.

Miharatsy ve vy ady aty anaty aterineto ? llya Azar, mpanao gazety vs. Dmitry Olshansky, mpahay dokambarotra.

Ny tantara manala baraka kely hofaritako eto dia mety afaka atao ho toy ny angano fampitandremana momba ny loza ateraky ny fanavaozana tsy am-pisainana ny mombamomba ny tena ao amin'ny Facebook, na koa momba ny loza mitatao mihamitombo tamin'ny nanakatonana tsy amin'ny antony ny RuNet.

Raha tsy ahitàna marika fihalefahana mihitsy ny korontana ao Okraina Atsinanana, mbola mitrandraka ny ady seza indray ireo Rosiana mpitoraka bilaogy. Nandefa izao andalan-tsoratra izao tao amin'ny Facebook-ny i Dmitry Olshansky, mpahay dokambarotra, izay tany taloha dia sady nanohitra no nanohana an'i Poutine, nefa tato anatin'ny volana vitsivitsy dia mpanohana mafana fo ny fidirana an-tsehatry ny Rosiana ao Okraina:

Вниманию тех, кто может читать меня в Донецке в здании Донецкого совета – и тех, кто может продублировать для Донецка. Там находится агент враждебных СМИ гражданин России Илья Азар. Представляться будет журналистом из Москвы. Он ищет гадости для медиа, лояльных киевскому режиму. Убирайте его из здания.

Tandremo, ireo rehetra afaka mamaky ahy ao Donetsk, ao anatin'ny tranoben'ny filan-kevitry Donetsk — ary koa ireo izay afaka manao dika mitovy ny hafatro ho an'ny Donetsk. Misy olona fahavalon'ny mediam-bahoaka ao anatiny ao, teratany Rosiana, Ilya Azar. Hilaza izy fa mpanao gazety avy any Moscow. Manaratsy ny mpilaza vaovao mpomba ny fitondrana ao Kiev izy. Esory any ivelan'ny trano izy.

Ilya Azar, mpiasan'ny Lenta.ru taloha (ary araka ny loharanom-baovao sasany anisan'ny antony voalohany [tatitry Global Voices] tamin'ny fanaporetana nataon'ny Kremlin tamin'ny mpiasa mpanoratrany izay niafara tamin'ny fametraham-pialan'ny olona maro tamin'ny asany), dia mitatitra vaovao avy any Okraina ankehitriny. Mety natao anatin'ny hamehana ny lahatsoratr'i Olshanksy noho ny hafatra fohy avy eny an-kianja nalefan'i Azar toy izao :

Iray amin'ireo mpikambana ao amin'ny governemanta vonjimaikan'ny repoblikam-bahoakan'ny donetsk.

Nanala haingana ny zavatra nosoratany i Olshansky, mety noho ireo onjan-katezerana tao amin'ny Facebook sy Twitter, saingy tsy talohan'ny nangalan'ireo mpamaky ireo dikasary:

 Tena very sainam-“p*ty” mintsy i Olshansky, miala tsiny amin'ny teny Frantsaiko

Nefa na dia nalàna haingana aza, efa lasa ny hafatr'i Olshansky — farafahakeliny ny sasany amin'ireo mpamaky azy mba faly nanaparitaka izany tao amin'ny vondrona natao ho an'ny daholobe “anti-maidan” (manohitra ny maidan) ao amin'ny VKontakte ary avy eo tamin'ireo fampiasa anaty fitaovan-tserasera azo entin-tanana walkie-talkie, toy ny Zello. Nandefa fampitandremana ny iray amin'ireo mpanaraka an'i Azar:

 Fanintelony izao tao anatin'ny ora iray tao amin'ny fantsn'ny Donetsk zello no nitenenan-dry zareo ny hoe “Azar-ilay-mpadrangitra”, niaraka tamin'ny famaritana. Ilya, mitandrema.

Hita fa misy tokony hatahoran'i Azar tokoa izany — Niova ny hafatr'i Olshansky rehefa nifindrafindra tamin'ny firesahana. Ohatra, lasa toy ny hoe soratra tena izy napetrak'i Olshansky (na dia noharina ho fahadimy ao USA amin'ny mpanoratra tsanganan-dahatsoratra aza i Azar) ny filazana iray [ru] izay nalefa tamin'ny vondrona natao ho an'ny daholobe VKontakte, fa avy eo nitohy ho nahatahotra kokoa:

Так же может сотрудничать с СБУ для передачи им оперативной информации и корректировки снайперов спецназа!! Размещаем его фото. Если есть такой человек – сами знаете, что нужно сделать.

Mety nifampiraharaha tamin'ny SBU (Polisy miafina Okrainianina) koa izy, tamin'ny fanomezana loharanom-baovao ara-potoana azy ireo, ary nitarika ireo spetsnaz mpitily mahay !! Alefanay eto ny sariny. Raha misy olona mitovy amin'io – fantatrareo ny tokony atao.

Tsy ela dia nitondra tamin'ny fandrahonana mivantana an'i Olshansky tao aoriana kely ny fandrahonana ankolaka hanao herisetra ara-batana amin'i Azar, rehefa  nanoratra [ru] tao amin'ny Facebook-ny i Roman Volobuev, mpanao gazety sady mpanoratra :

Поскольку с режимом бороться страшно и надо уметь, а бездействие деморализует, предлагаю побить Ольшанского: тут ни навыков не нужно, ни смелости, а дело хорошее — редкий случай, господа.

Satria mampitahotra ny miady amin'ny fitondrana ary mila traikefa ianareo, ary satria manimba saina ny tsy fanaovana na inona na inona, manome hevitra anareo aho hoe andao darohantsika i Olshanksy: tsy mila traikefa na fahasahiana ianareo, sady tonga dia ho an'ny antony tsara io mandritra izany fotoana izany — fahafinaretana tsy dia fahita, ramose isany.

Ho valin'izany, nantsoin'i [ru] Olshansky hoe “kankan'ny vavony” i Volobuev, izay “mandehandeha any amin'ny fitombenan'ny olona sasany.” Tsy mbola nanakaiky ny tany fiaviany toy izao mihintsy hatrizay taloha izay ny sampam-pitsikilovana Rosiana.

Ny fahatsapan'i Volobuev dia notohanan‘ [ru] i Stanislav Yakovlev, mpikatroka mafàna fo mpidina  an-dalambe taloha, ary ireo mpitondra fanehoankevitra tao aminy, anisan'izany i Ivan Kolpakov, filoha fahiny tao amin'ny Lenta.ru tao amin'ny sampana fanaovana gazety fanadihadiana (ary dia  lehibean'i Azar's taloha ara izany). Vao nandeha anefa ny resaka, hoe i Roman Dobrokhotov, izay tiatian'ny fikambanana sasany amin'ireo “mpanara-damaodin'ny” Aterineto ihany koa dia nanolo-tena [ru] ho “nanamamo t*y” an'i Olshansky koa, tapitra teo ny loka:

Efim Dikiy: и это, давайте лучше вместе долбанем по Доброхотову!
Станислав Яковлев: А ведь про Доброхотова отличная идея. Нет, правда, отличная.

Efim Dikiy: ie , tsaratsara kokoa, andao daholo hidaroka an'i Dobrokhotov!
Stanislav Yakovlev: O, tena hevitra mety marina izany momba an'i Dobrokhov. Tsia, ankitsim-po, hevitra tena tsara.

Ary toy izany ny fihodinan'ny kodiarana feno rà an'ny fivoarana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.