Hetsika “Click Rights” Hoan'ny Zo Nomerika Ao Afovoany Atsinanana Sy Afrika Avaratra

IGMENA screen shot

 

Taorian'ny ampamoaka nataon'i Edward Snowden momba ny Sampam-piarovam-pirenena Amerikana (NSA), nafàna sy naresaka ny adihevitra teo amin'ny fiarahamonina iraisam-pirenena mikasika ny maodely vaovaon'ny fitantanana ny aterineto. Saingy mandray anjara amin'ity adihevitra ity ve ny olom-pirenena Arabo? Nilaza ny fikambanana iray fa tsy mandray anjara izy ireo, satria tsy misy ny fampafantarana azy ireo momba ny zo nomerika.

Ny IGMENA dia fandaharan'asam-pitantanana ny aterineto ao Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra, izay natsangan'ny fikambanam-pampandrosoana Iraisampirenena Neerlandey  Hivos. Ny fanentanana vaovao « Click Rights ( Mitendry ireo zo misy kilalaonteny amin'ny hoe mitendry havanana) » dia mikendry ny hanaitra sy hampafantatra bebe kokoa ireo zo nomerika amin'ny olom-pirenena, mba hahafahan'izy ireo hanao fanerena ny governemanta sy ny sehatra tsy miankina mba hanaja ireo zo ireo. (Fanamarihana: Anisan'ny nahazo vatsy avy amin'ny Hivos ny Global Voices.)

Atolotry ny haba-tseraseran'ny fikambanana amin'ny alalan'ny endrika resadresaka sy mora azo ny lohahevitra tahaka ny universalité (manerana izao rehetra izao), fahafahana miditra aminy, ny fanehoan-kevitra ary ny fiainana manokana. ”Manome fehezan-jò ara-aterineto folo tafiditra ao amin'ny Dinan'ny Zon'Olombelona sy ny Foto-kevi-dehibe mifehy ny Aterineto [avy amin'ny Forum an'ny Firenena Mikambana momba ny fitantanana ny aterineto], izay mbola tsy nankatòavin'ny fiarahamonina Arabo izahay“, araka ny fanazavan'i Noha Fathi, Tompon'andraikitry ny Serasera sy ny Fiarovana ao amin'ny IGMENA.

Tamin'ny fanitrikitrihana ny fisian'ny famerana ny aterineto manerana ny faritra, i Fathi, izay Ejipsiana, no mitsoraka mankany amin'ny toe-draharaha ao amin'ny fireneny manokana: “Mbola voatampina ny fahalalahana amin'ny aterineto ao Ejipta… Nogadraina ireo bilaogera sy mpikatroka aterineto, matetika noho ny sioka izay raisin'ireo manampahefana ho fandrahonana hoan'ny fiarovam-pirenena. Misy ny famerana amin'ny ambaratonga maromaro: teknika, politika ary ny zon'Olombelona“.

”Satria tsy afaka manao fanerena ny olom-pirenena raha tsy mahafantatra ny zon'izy ireo, dia mikendry ny hanolotra fehezan-jò izay mbola tsy nankatòavin'ny fiarahamonina Arabo izahay ary hanangana marimaritra iraisana manodidina ireo zo ireo. Tanjona lavitra ezaka ny fahafaha-mipaka any amin'ny governemanta satria raha tsy apetraka ho voalohan-daharana ny fampafantarana ny olom-pirenena Arabo ny zon'izy ireo, dia efa ho tsy azo tanterahina ny hahatongavana any amin'ny marimaritra iraisaina amin'izay amin'ny foto-kevi-dehibe tsirairay“, hoy i Fathi.

Azo jerena amin'ny teny anglisy sy teny arabo ny habaky ny fanentanana “Click Rights” [Mitendry Zo] ataon'ny IGMENA.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.