Malezia : Manosika Fotokevitry Ny Tsikombakomba Ny Misterin'ilay Fiaramanidina MH 370

“Ahoana,” hoy ny fanontanian'i Gerry Shih, mpanao gazety momba ny teknolojia ao amin'ny Reuters any San Francisco, ao amin'ny Twitter, “inona daholo ireo fotokevitry ny tsikombakomba manitikitika momba ny tsy fahitana ny #MalaysiaAirlines eto ??? Ny ‘Homeland’ (sarimihetsika miresaka fiverenana) no sainiko bebe kokoa noho ny ‘Lost’ (fahaverezany)

Mameno ny haino aman-jery sosialy ireo soso-kevitra kidaladala, ka ao ireo mpisera voasintona no nihevitra ny zava-drehetra miainga amin'ny lalào Black ops izany ka hatramin'ny mazia mainty. Ataon'ny sasany fa zavatra tsy avy eto ambonin'ny tany, OVNI na filatsahanà zavatra avy any an'habakabaka no antony. Ny sasany indray niampanga ny mpampihorohoro na mety nahatifitra tsy nahy ka nampianjera ilay fiaramanidina sivily ny tafika Maleziana. Ny ankamaroany kosa dia mirona mankany amin'ny fiheverana fa tafapetraka soa amn-tsara ilay fiaramanidina ary mbola velona ireo mpandeha taminy.

Plane B6C1510A230B

Dikasary avy amin'ny : vaovaon'ny ABC momba ilay fiaramanidina nanjavona

Herinandro taorian'ny nahazoana ireo vaovao mifanohitra manodidina ny tsy nahitana ilay fiaramanidina MH370 sy ireo mpandeha 239 nentiny dia nameno ny banga tamin'izay mety niseho na ireo fotokevitra hafahafa na ireo azo ekena kokoa.

Miady hevitra ireo mpikambana ao amin'ny Reedit, vondrom-pirahamonina ety anaty aterineto, ny mety ho nahavoahodina ho any Korea Avaratra ilay fiaramanidina izay nanjavona tsy hitan'ny radar raha niala tany Kuala Lumpur ho any Beijing tamin'ny 8 Martsa 2014.

Nosoratan'i nickryane, mpisera iray ao amin'ny Reddit, fa taloha dia efa “naka an-keriny olon-tsotra maro be avy any amin'ny firenen-kafa ny fitondrana tao Korea avaratra. Mety ho olona miavaka manokana fantany fa nandray io sidina io no nokendren-dry zareo, na ireo izay mety mahalala momba ny teknolojia moderna mandeha amin'io sidina io.”

Nahazo vahana tao amin'ny Twitter io hevitra io. Mpisera iray antsoina hoe CA_KarateDog nandefa izao bitsika izao :

@STcom Tsy mitovy amin'ny toetoetran'ny #NorthKorea ve ireo ? tsy nianjera ny #MH370 fa any  #Pyongyang! pic.twitter.com/6DoX8lV4rW

Namorona hevitra mifaninana amin'izay ihany koa ny Reddit — tamin'ny filazana fa nisy ihany koa mpiasa 20 avy amin'ny Freescale, orinasa misahana teknolojia, nandeha tamin'ny MH370. 

“Ohatra ny hafahafa amiko hoe mpiasa 20 no indray any anaty fiaramanidina nefa ry zareo mpandraharahan'ny fiarovana mifamatotra amin'ny teknolojian'ny fanafenana … ary avy eo nanjavona ilay fiaramanidina,” izay no nosoratan'ny mpisera amin'ny Reddit antsoina hoe RachelvsPublic.

Endrika iray hafa no nomen'ny mpisera iray antsoina hoe Riana Thiart tao amin'ny Facebook : ” tranga iray mampiahiahy ny hoe ao anatin'io fiaramanidina io ireo injeniera 20 mahay indrindra ny momba ny motera elektrika. Tsy vitanao ny tsy hieritreritra hoe ny ‘mafia’ amin'ny resaka SOLIKA no ao ambadik'io fanafihana fampihorohoroana io. Mety nisy fiara elektrika mahomby tsara efa an-dàlan'ny hivoaka atsy ho atsy”

Nanome fanazavana momba ny firoboroboan'ny vinavinan-kevitra momba izay nanjo ilay fiaramanidina Malaysia Airlines ny Wabbster, mpisera amin'ny Twitter any Mumbai, India.

betsaka ireo fotokevitry ny tsikombakomba. Izao no miseho rehefa tsy misy vaovao azo antoka avy amin'ny governemanta

Hatramin'ny nanjavonan'ilay fiaramanidina dia nitatitra tranga tsy mahazatra ireo haino aman-jery mpilaza vaovao : mpandeha anankiroa nanana pasipaoro eoropeana halatra ; mbola naneno ny findain'ireo mpandeha sasany andro vitsivitsy taorian'ny fanjavonana ; ary rehefa tsy nisy intsony ny fifandraisana dia niverin-dàlana na nivily nala tamin'izay làlana tokony nalehany ilay fiaramanidina.

Tamin'ny Zoma i Manoj Mathew, mpandraharaha amin'ny aterineto any Kerala, India dia nisintona ny fisainan'ny olona tao amin'ny Twitter momba ireo fivoaram-baovao faramparany  — hoe any amin'ny mailo zato amin'ny làlana tokony ho nalehany ilay fiaramanidina,:

Ny porofo omen'ny ‘radar’ mpanara-maso dia milaza fa nasidina nankany amin'ny nosy Andaman ilay sidina #MH370 an'ny #MalaysiaAirlines tsy hita : Reuters

 Nosoratan'ny mpisera amin'ny Reddit, ithoughtsobitch fa “Tsy misy resaka ny hoe ‘nianjera iny,'”. “Efa nisy nahita iny raha toa ka nianjera. Tena mampatahotra. Hevero fotsiny amin'ny teknolojia amin'izao fotoana izao. Fa ny fiaramanidina rehetra eto amin'izao tontolo izao, feno mpandeha dia mety ‘hanjavona’ fotsiny amin'izao.”

Mpisera maro amin'ny aterineto no nanome vazivazy maneso.

Nosoratan'i Hemp5678 tao amin'ny Reddit fa “nisy adolantsento tsy mponin'ny tany nisambotra iny zavatra iny ka nitondra azy ho any an-danitra,”

Mifanaraka tsara amin'ity bitsika nosoratanà lehilahy Kanadiana antsoina hoe Jeff Arwadi ity io fanamarihana io:

Manjary marina tsikelikely ny fiheverana hoe lasan'ny OVNI (zava-manidina tsy fanta-piaviana) no nampanjavona ilay Malaysia Airlines #MH370

Mbola nampian'i Vishal Ponnappa, milaza fa mpankafy ny natiora sy mpakasitraka labiera ” hoe Heverinareo ve fa misy idiran'ny OVNI? na ireo Shinoa mpampihorohoro ao anatin'io ?”

Nisy vondronà “bomohs,” na mpitsabo amin'ny fomban-drazana, nanao fombafomba tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tany Kuala Lumpur mba ho fanampiana amin'ny fikarohana ilay fiaramanidina tsy hita. Nahatonga fanehoan-kevitra mifamahofaho be tao amin'ny aterineto izany.

Izao no bitsik'i Jun Sebastian avy any Malezia :

Miala tsiny aho raha toa ka hitanareo ilay mpitaiza nilaza fa ” voafandrika” any ambanin'ny tany eo anelanelan'ny firenena 3 ilay #MH370. Mahamenatra ahy ny fireneko.

Fa tsy mitovy hevitra amin'izany i Anita Kapoor, mpilaza vaovao amin'ny TV any Singapore :

Aza esoina ny fomba fijerin'ny bomoh any Malezia. Zavatra inoan'ny mponina izany. Tahaka ny finoana an'andriamanitra. Ary tsy misy tsara na ratsy #MH370

Fa namoaka hevitra mivoana sy hafahafa momba ny MH370 ihany koa ny YouTube. Nandefa lahatsary izay nojeren'ny olona maherin'ny 8.000 ny TeamWakeEmUP, vondronà mpaka lahatsary :

Mbola nandroso soso-kevitra ihany ilay lahatsary nataonà mpisera amin'ny Youtube antsoina hoe  connectingdots2 fa ao anatin'ny drafitry ny fitondrana mba hanerena ny mponina hanaiky ny teknolojian'ny famantarana amin'ny alàlan'ny lavotondro sy ny fitaovana ‘biométrique’ ny MH 370.

Nanantena i Tiio Hornny, mpisera amin'ny Twitter, fa hanampy azy amin'ny fandresena ny tsy fahitan-toriny ireo soso-kevitra ireo. Nefa tsy tsara miohatra amin'ny fiasan'ny tantaran'i Peter Pan izany, hoy izy nanoratra :

Nojereko tao amin'ny google ny resaka fotokevitry ny tsikombakomba momba ny #MalaysiaAirlines, nampifandoniko tamin'i PPan ary avy eo nihoarako.. Amin'izao fotoana izao inona.. ? #insomnia  

Avy amin'ny voaiben'ny haino aman-jery, Rupert Murdoch, ilay soso-kevitra nivezivezy nanototra ny aterineto:

Manamafy ny fanakorontanana ataon'ny Jihadista any Shina ny fianjeran'ny 777. Vintana ho an'i Etazonia hifanarahana sy hanakaikezana an'i Shina raha mbola mamolaka i Rosia.

Naverina nalefa tamin'ny Sina Weibo, sehatra fanaovana bilaogy madinika any Shina, ilay fanehoankevitr'i Murdoch. Fa nofafan'ny mpanao sivan'ny fitondrana izany, nefa voatahirin'ny vondrona iray mpanohitra sivana atao hoe FreeWeibo ireo hafatra nofafàna. 

Ny faran'ny herinandro, nifikitra tamin'izao rehetra izao ire mpiserasera amin'ny aterineto. Nibitsika i RK of Mumbia :

Napoakan'ny mpampihorohoro ? Nifandona taminà meteorita ? Nalain'ny ‘elf’ an-keriny ? sa nosintonin'i ‘Godzilla’ teny amin'ny rivotra teny? #MalaysiaAirlines

Nanolotra vahaolana nalaina avy taminà andiana sarimiaina “South Park” i htat_guy, mpampiasa Reddit:

“Rahoviana vao heverin-dry zareo fa ho matotra ity resaka ity ka hampiantso ireo  ‘Hardly Boys’ izy ireo ? Manaraka izany dia tanora roa sahisahy sy manan-talenta amin'ny famahàna mistery ry zalahy ireo.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.