Fantaro Ilay Olon'ny Sarimiaina Vaovao Malaza Ao Krimea, Natalia Poklonskaya

Natalia Poklonskaya as an anime character. Image distributed online.

Natalia Poklonskaya, olo-malaza amin'ny sarimiaina Sary nozaraina tao amin'ny aterineto.

Nambabo ny fo sy ny sain'ny RuNety i Natalia Poklonskaya, mpampanoa lalàna vaovao notendren'ny governemanta mpisintaka ao  Krimea, ary mahagaga fa nambabo an'i Japana ihany koa izy. Olona maherin'ny iray tapitrisa no efa nijery ny lahatsary Youtube misy azy nandritra ny valandresaka nataony tamin'ny 11 Martsa, angamba noho ny endriny ivelany somary tanora (33 taona izy ankehitriny) miampy ny biraony izay hita fa matotra tokoa.

Natalia Poklonskya talking to the press. YouTube screenshot.

Natalia Poklonskya miresaka amin'ny mpanao gazety. Pikantsary YouTube.

Lasa aingam-panahy hoan'ny mpankafy haikanto Japoney sy Rosiana ny tarehy malefaka saingy hentitra an'i Poklonskaya, miresaka amin'ny mpanao gazety ary voahodidina mikrô. Nalaina avy amin'ny manga (tantara an-tsarimiaina Japoney) ny ankamaroan'ireo sary ary miompana betsaka amin'ny endrika “mahafatifaty” na “kawaii” amin'ny vatan'i  Poklonskaya. Taorian'ny fisehoana voalohany tao amin'ny  toerana hoan'ny mpanakanto manga Japoney Pixiv [jp], niely tao amin'ny RuNet sy ny tabilaontsary ireo sary, tahaka ny Pikabu.ru [ru], fakan-tahaka mahaliana isan-karazany amin'ny karazany.

Toa hita fa nankasitrahan'i Poklonskaya ireo kanto tao amin'ny kaonty Twitter, hoy izy nanomboka nisioka tamin'ny 20 Marsa:

Misaotra amin'ny fanohanana, sy ny kanto. Mahafinaritra avokoa ireo kisarisary 🙂

Eny, mety hoe hosoka ilay kaonty Twitter-ny satria taminà resadresaka [ru] tamin'ny 19 Marsa, nilaza i Poklonskaya fa tsy manana kaonty ao amin'ny tambajotra sosialy tahaka ny Twitter. Raha hosoka tokoa, mety miaraka amin'ireo kaonty hosoka roa  (@sergyaksenov sy @AksenovCrimea) an'ny Praiminisitra ao Crimea Sergey Aksyonov, izay nanambara ihany koa fa tsy mampiasa tambajotra sosialy. Matetika miteraka fibosesiky ny hadalàna mahatsikaiky ny fihanaky ny hosoka amin'ny kaonty Twitter Rosiana – omaly ohatra, nanontany [ru] ny Twitter hosoka an'i Ramzan Kadyrov raha hosoka ihany koa ny kaontin'i Poklonskaya (nilaza ilay nisioka fa tsia).

Tsy maninona raha mankatò i Poklonskaya tena izy, andeha hivadika any amin'ny sehatry ny kanto, ahitana fampitandremana tsy mampino fa mety horaisina toy ny fanambantiana vehivavy ireo sary:

In the right image Poklonskaya is holding a sword with "LAW" written on it, piercing the head of a Right Sector-colored snake. The artist is likely Russian.

Eto amin'ny sary ankavanana, mihazona sabatra ahitana “LALANA” misoratra aminy i Poklonskaya, izay manatsatoka lohanà bibilava miloko an'ny antoko “Right-Sector” (Vaki-paritra havanana). Toa Rosiana ilay mpanakanto.

This style of drawing is called chibi.

Ity fomba fanaovana sary ity dia antsoina hoe chibi.
The color of the uniform is off here, but who's keeping track!

Tsy tena lokon'ny fanamiana ity, saingy toy izao ihany ny endriny!

Yet another selection.

Mbola sary hafa ihany koa ireto.

And of course, the requisite "cat-girl" treatment.

Eny, eto izy heverina ho “vehivavy-saka”

Here, Poklonskaya finds herself as a subject of a dating simulation.

Eto i Poklonskaya mahita azy ho fanandramana fanaovana fotoana.

And in the meta-meme, she is subject to Putin's affections.

Ary amin'ny meta-meme, toa latsa-pitiavana aminy i Putin.

Finally: "VICTORY WILL BE NYA-OURS"

Farany: “NYA-OURS” [na “AWWWRS” no ho mpandresy.

Eo ankilan'ny fanaovana ny vehivavy matihanina manana andraikitra sarotra sy mampidi-doza ho toy ny zavatra kirakiraina ity, ny tsy fahitana afa-tsy Poklonskaya dia mety mampiseho fa ilaina ny fisian'ny mpitarika Krimeana mahataona olona. Nefa, raha hifaninana amin'i Putin aza izy ireo ankehitriny, angamba tsy ahavitana ny zavatra rehetra ny fananana mpitarika mahataona olona ao Krimea.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.