Miomana Hanao Diabe Hanohitra Ny Fahantrana Ao Skopje Ny Makedoniana

Iray amin'ireo firenena mahantra indrindra ao Eoropa i Makedonia, ka mponina tombanana eo amin'ny 30 isan-jato eo no miaina ao anaty fahantrana ary olona mitovy isan-jato amin'izany ihany koa no tsy manana anton-draharaha. Nokilasiana ho firenena fadiranovana indrindra manerantany mihitsy aza ny firenena araka ny Fanadihadiana 2012 momba ny fahantrana navoakan'ny The Economist, izay mandahatra ny firenena amin'ny tahan'ny tsy fananan'asa sy ny tahan'ny fidangan'ny vidim-pianana.

Fikambanana Makedoniana tsy miankina roa, Vondrona Manohitra ny Fahantrana sy ny 8 Septambra, no niezaka nanao zavatra mikasika izany. Nikarakara Diabe Manohitra ny Fahantrana tao Skopje renivohitra izy ireo tamin'ny 1 Martsa 2014 tamin'ny 11:55 ora tamin'ny alalan'ny lohateny an'ohatra “5 minitra mialoha ny mitataovovonana.”

Nokarakaraina sy nanaovana fanentanana tamin'ny pejy Facebook sy bilaogy ny diabe tamin'ny fampitondrana anarana mitovy izany, ary koa tamin'ny fampiasana diezy #5до12 sy #5do12 tao amin'ny Twitter. Hofaranana amin'ny fampisehoana an-kalamanjana antsoina hoe Fampisehoana Hoan'ny Fahamendrehana izany.

"5 to 12" flyer explains the march route: Parliament, Government and Jadran Square.

Afisy kely “5 latsaka 12″ manondro ny lalan'ny diabe: Parlemanta, Governemanta sy ny Kianjan'i Jadran.

Manazava [mk] ny hevitr'izy ireo ao amin'ny habakany ofisialy ireo mpikarakara ny diabe:

Одговорот е многу едноставен, затоа што граѓаните имаат потреба од тоа. Овој настан ги повикува да се приклучат и да ја подржат иницијативата сите оние кои живеат во сиромаштија, но и оние кои сакаат да застанат на страната на народот и да зборуваат во името на оние кои немаат глас

Нé радува и тоа што граѓаните почнуваат да прашуваат „зашто треба да излезат“, а не инструирано да се движат по маршови за оваа или онаа тема.

Ние преку овој марш сакаме да покажеме дека граѓаните живеат се полошо и полошо, дека ниту една влада досега не придонела за унапредување на нивниот квалитет на живот. Дека статистиките кои ни ги презентираат за економски раст и раст на социјалните трансфери не се реални, граѓаните живеат во беда и сиромаштија. Воедно, сметаме дека сите претходни биле успешни и добри настани затоа што секое излегување на народот на улица значи и кревање на гласот за подобар живот.

Tsotra ny valinteny: satria mila izany ny olom-pirenena. Miantso ireo izay miaina anaty fahantrana ny hetsika, ary koa ireo izay te-hanohana ny vahoaka sy hisolovava ireo tsy afa-miteny.

Faly izahay satria nanomboka manontany ny olom-pirenena hoe “nahoana isika no tokony hivoaka”, ary tsy manatevin-daharana fotsiny ny diabe noho ny torolalana.

Mandritra ny volana marsa, tianay aseho fa fadirovana [noho ny teo aloha] ny olom-pirenena, tsy mba nisy governemanta hatramin'izao nanampy tamin'ny fanatsarana ny fari-piainan'izy ireo. Tsy marina ny tarehimarika nampafantatra antsika mikasika ny fandrosoan'ny toekarena sy ny fitomboan'ny tolotra ara-tsosialy, fa mbola fadiranovana sy mivelona anaty fahantrana ny olom-pirenena. Mihevitra ireo hetsika teo aloha ho mahomby ihany koa izahay satria isaky ny midina an-dalambe ny vahoaka, mampiaka-peo ho amin'ny fiainana tsara kokoa izy ireo izay.

Talohan'ny diabe, nanao fikarohana [mk] mifantoka amin'ireo vondrona mpandinika sy ireo mpikarakara ny adihevitra misokatra hoan'ny daholobe mba hanangonan-kevitra sy vaovao avy amin'ny olona ny mpikarakara. Miezaka mafy mba hahazo fanohanana avy amin'ny daholobe izy ireo mba hahafahany mitondra fanovana amin'ny Lalàna momba ny fiarovana ara-tsosialy sy adihevitra eo anivon'ny Parlemanta mba hahazoana karama farany ambany indrindra mendrika sy sahaza hoan'ny rehetra.

Mba hanampiana amin'ny fampiroboroboana izany sy hanomezam-pitenenana hoan'ireo tsy afa-miteny, nanatontosa lahatsary ireo mpianatra marobe avy ao amin'ny Fakiolten'ny Kanto An-Tsehatra ao Skopje namakian'izy ireo ny sombin'ny voalaza tamin'ny fikarohana.

Natao kopia sy nadika teto ambanin'ny lahatsarin'ny [mk] ny resak'olo-tokana eto ambony :

Јас сум самохрана мајка и имам две деца. Не сум вработена и зимам социјална помош три илјади денара. Кај нас е срамота да кажеш дека си сиромашен – сите ќе ти се смејат. Едноставно, нема да те прифанат. Тоа и за децата е лошо. У која установа да отидеш, никој нема да ти помогне. Толку години се влечам по социјално, по секакви установи… Никој не ти помага. Само ти викат чекај, чекај… и цел живот ќе помине у чекање. А децата па нема шо да јадат. Тие деца треба да јадат нешто. Ќе тргнат еден ден у школо. Треба да ги облечеш нешто. Само полошо си праеш за себе ако кажеш дека си сиромашен. Ја шо да праам со тие две деца и со тие три илјади денара. Со шо да ги ранам? Шо да ги облечам?

Renim-pianakaviana tsy manam-bady manan-janaka roa aho. Tsy an'asa aho, ary mandray fanampiana ara-tsosialy 3000 dinar [eo amin'ny 67 dolara Amerikana eo]. Ao amin'ny toerana misy anay, mahamenatra ny milaza fa mahantra ianao – hihomehezan'ny rehetra ianao. Tsy eken'izy ireo tsotra izao fotsiny ianao. Tsy tsara hoan'ny ankizy ihany koa izany. Tsy maninona izay fikambanana alehanao, tsy misy olona hanampy anao. Nandany taona maro aho nirotsaka tamin'izay mahasoa ara-tsosialy, tao amin'ireo karazana fikambanana … Tsy misy olona manampy. Milaza fotsiny izy ireo hoe andraso, andraso … ary miandry foana ny androm-piainanao. Kanefa tsy mana-kohanina ny ankizy. Mila sakafo kely ireo ankizy ireo. Mila mandeha any an-tsekoly izy ireo. Mila mampiakanjo azy ireo ianao. Tsy manao afa-tsy ny mampitombo ny olana ianao raha milaza fa mahantra. Inona no tokony ataoko amin'ireo ankizy roa sy ny vola 3000 dinar. Inona no hamelomako azy ireo? Inona no akanjo azoko vidiana?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.