[StoryMaker] Privilege Musvanhiri Avy Ao Amin'ny Fiarahamonin'ny Finday Ao Zimbabwe

mobilezim

Na dia tsy tafiditra ofisialy ao anatin'ny tetikasa StoryMaker izay notanterahina tao amin'ireo firenena 4 Afovoany-Atsinana sy Afrika Avaratra aza, dia misy ny tetikasa hafa mampiasa fampihatra StoryMaker hoan'ny olon-tsotra tia manao asa fanaovan-gazety  ao Zimbabwe. Tao Harare no niasa ho  sekoly fampianarana asa fanaovan-gazety an'olo-tsotra ny tetikasa Mobile Community Zimbabwe (Fiaharamonin'ny Finday ao Zimbabwe) (MCZ) ho fanazarana ny tanora Zimbabweana hanana ny fahaizana sy ny teknika azy ireo tsirairayy avy manokana ny fomba hitantarany ny tantara ao amin'ny faritra. Avy ao amin'ny habak'izy ireo:

MCZ hopes to contribute to plurality and diversity of news and informational content in and from Zimbabwe by;

  • Promoting citizen journalism as a tool to empower young Zimbabweans to have a voice
  • Enabling uncensored information on and from different localities in Zimbabwe
  • Engaging with local communities in discussions and issues that directly affect them

Manantena handray anjara amin'ny fahamaroana sy fahasamihafan'ny vaovao sy votoatim-baovao ao anatiny sy avy ao Zimbabwe ny MCZ amin'ny;

        Fampiroboroboana ny asa fanaovan-gazety an'olo-tsotra ho fitaovana handrisihana ny tanora Zimbabweana haneho hevitra 
        Famelomana ny vaovao tsy voasivana ao anatiny sy avy amin'ireo faritra samihafa ao Zimbabwe
        Firotsahana miaraka amin'ireo fiarahamonina ao amin'ny faritra miresaka olanasy adihevitra miantraika amin'izy ireo mivantana

Tamin'ny Lasin'ny StoryMaker vao haingana tao Amman, Jordania, niresaka tamin'iray tamin'ireo mpampiofana, Privilege Musvanhiri izahay, izay nampianatra momba ny asan'olo-tsotra tia manao ny asa fanaovan-gazety mampiasa finday. Tamin'ity resadresaka noraisim-peo (podcast) ity, milazalaza momba ny fampiofanana sy ny tantaran'ny fiarahamonina ao amin'ny faritra nataon'ireo mpianatra izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.