Lalao Mankany Amin'ny Helo: Manome Lamosina Ny Sochi Ary Mitodika Any Okraina Ny Rosiana

A woman in Kiev reacts to the sight of two dead bodies (protesters killed in the violence). 18 February 2014. Screenshot from YouTube.

Ramatoa iray tohina teo ampahitàna ireo razana roa tao Kiev (mpanao hetsi-panoherana matin'ny herisetra). 18 Febroary 2014. Dikasary avy ao amin'ny YouTube.

Talohan'ny kiririoka voalohany nilaza ny fanombohan'ny Lalaon'ny Andro Ririnina ao Sochi, roa herinandro latsaka izao, nambaran'i Kevin Rothrock tamin'ny “US News & World Report” hoe mety ho hamilivily ny saim-bahoaka Rosiana ety anaty aterineto tsy hifantoka amin'ny Lalao Olaimpika ny korontana miseho ao Okraina. Androany, taorian'ny sarintsarim-pitoniana fohy nisy, niverina ny herisetra teny an-dalamben'i Kiev, niteraka fikisahana henjana tamin'ny asa fanaon'ny RuNet. Indrindra fa maneho endrika ady an-trano ifanaovan'olon-tsotra ny sary azo avy any Okraina.

Raha mameno lohateny vaventy erantany ireo vaovao avy ao Kiev, ny fampitahana antontanisa ao amin'ny Twitter dia mampiseho fa nahatsiaro ho voakasika bebe kokoa tamin'ny zava-niseho androany tao Okraina ireo miteny Rosiana raha ampitahaina amin'izao tontolo izao. Tato anatin'ny 24 ora farany tao amin'ny Twitter, nitombo be ny fahalinan'ireo Rosiana mpampiasa Twitter amin'izay mitranga ao Okraina raha mitaha amin'ny Lalao Olaimpika. Mampitsimbadika ny fironana nisy tao an-toerana hatramin'ny 25 Janoary 2014 io, herinandro vitsy nialoha ny lanonam-panokafana, rehefa injay nibitsika betsaka kokoa mikasika an'i Kiev fa tsy Sochi ry zareo Rosiana .

Nitovitovy tamin'izany ny fironana teny anivon'ireo mpampiasa Twitter miteny Anglisy nandritry ny volana lasa iny, saingy nibahan-toerana mandrakariva ny fahalinana tamin'ny Sochi. Na dia androany aza, miaraka amin'ny firehetan'i Okraina, ireo bitsika amin'ny fiteny Anglisy mikasika an'i Kiev dia zara raha mahatratra ny antsasaky ny 200 tapitrisa miresaka ny Lalaon'ny Andro Ririnina.

Raha tsy zava-mahagaga ny hoe voasariky ny fitakiana fanovàna ao Kiev ny sain'ireo mpampiasa aterineto, dia tsikarika miavaka kosa ny hoe toa tsy nahazo ny fanarahan'ny ao an-toerana azy ny Lalao Olaimpikan'ny Andro Ririnina ka naleony nanaraka tranga any ivelany.

Bitsiky ny miteny Rosiana (potsiro mba hihalehibe):

Russian-language tweets about “maidan” or “kiev” (orange) versus tweets about “sochi” or the “olympics” (blue).

Bitsika amin'ny fiteny Rosiana mikasika ny “maidan” na “kiev” (volomboasary) oharina amin'ireo bitsika mikasika ny “sochi” na ny  “olaimpika” (manga).

Bitsika amin'ny fiteny Anglisy (potsiro mba hihalehibe):

English-language tweets about “maidan” or “kiev” or “euromaidan” or "kyiv" (orange) versus tweets about “sochi” or the “olympics” (blue).

Bitsika amin'ny fiteny Anglisy mikasika ny “maidan” na “kiev” na  “euromaidan” na “kyiv” (volomboasary) oharina amin'ireo bitsika mikasika ny “sochi” na ny  “olaimpika” (manga).

Note: Ny vokatra avy amin'ny “Topsy Analytics”, jereo eto ambony, dia tena miankina betsaka amin'ny teny ampidirina amin'ny fikarohana tsirairay atao. Raha toa tsy metimety aminao ny mety hoe maha-fomba tsara indrindra nanaovana ny fikarohana etsy ambony nampitahàna an'i Okraina sy ny Lalao Olaimpika, aza menatra mamorona fampitahana anao manokana, ary aza misalasala mizara izany aminay. (Kevin Rothrock, 19 Febroary2014).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.