Ra eny an-dRanomandry, Fahatezerana eny amin'ny Aterineto

Vladimir Putin sees all of your shenanigans.

Mahita ny hafetsifetsenao rehetra i Vladimir Putin. Sary natambatr'i Kevin Rothrock sy Andrey Tselikov.

Tsy lavitra mihitsy ny Seho an-tsehatra rehefa mihaona ambony ranomandry ny ekipam-pirenena amin'ny hockey Rosiana sy Etazonia. Tsy nisy fiavahana tamin'izany ny fihaonana farany tao amin'ny olaimpikan'i Sochi, izay nandresen'i Etazonia 3-2 tamin'ny andian-tifitra. Raha nankalaza ny Amerikana dia tezitra tamin'izay nolazainy fa faharesena tsy rariny kosa ny Rosiana — tamin'ny faraparan'ny lalao dia nahatafiditra baolina fahatelo ny Rosiana saingy nofoanan'ny mpitsara izany araka ny fitsipika mifehy ny IHF, satria nihisaka niala kely tamin'ny toerany ny andrin'haraton'i Etazonia. Azo lazaina fa iny antso iny no tsy nahazoan'ny Rosiana ny fandreseny.

"There was a goal! Even we saw it." says a Russian cosmonaut. Anonymous image found online.

“Baolina tafiditra iny! na izahay aza nahita izany.” hoy ny mpiantsambondanitra Rosiana. Sarin'olon-tsy fantatra hita tamin'ny aterineto.

Tafala kely tamin'ny toerany ny andrin'harato ka tsy nahamarika izany ny ankamaroan'ny olona nijery ny lalao. Ny saritaka tamin'ny nanafoanana ilay baolina tafiditra no nivadika haingana ho fahatezerana sy fieritreretana fa nisy ny firaisana tsikombakomba, nampian'ny fahalalana fa mizaka ny zom-pirenena Amerikana ny mpitsara. Nisioka toy izao ny kaonty Twitter an'ny fantsona fahitalavitra liberaly Rain-TV:

Lazaina ihany fa ilay mpitsara izay tsy nanisa ny baolina fahatelo tafiditra tao amin'ny harato Amerikana, satria nafindran'ny mpiandry harato ny andry, dia Amerikana ihany koa

Ny fiantraikany eto moa dia na mitazona aza ny Komity Olaimpika Iraisampirenena fa “tsy manana zom-pirenena” ny mpitsara, dia toy ny nisafidy tsy hijery ny baolina tafiditry ny Rosiana ilay mpitsara amerikana hanavotana ny ekipa-“ny”. Teny an-dalana moa dia nampiray ny Rosiana avy amin'ny andaniny sy ny ankilany eo amin'ny tontolon'ny politika, tahaka ny zavatra vitsy nandritra ny fotoana taloha, ny hiakam-pahatezerana. Nisioka [ru]  ny depiote Pro-Kremlin Maria Kozhevnikova fa ny mpiandry harato Amerikna ihany no namindra azy, raha tsy nino ny depiote mpanohitra fa Amerikana ilay mpitsara, miantso ny zavamisy ho “mahadala [ru].” Nanamarika ny famoahana nationalista Sputnik & Pogrom fa amin'ny lafiny iray, dia mitaratra ny fahalemen'i Rosia eo amin'ny sehatra iraisampirenena [ru] ny lalao — voalohany ny Rosiana mamela ny Amerikana hitsara ny lalaon-dry zareo, avy eo ry zareo mitaraina amin'ny voka-dalao, fa tsy ilay rafitra iray manontolo

Ny sasany hampiseho ny fahasosorany tamin'ny masoivohon'i Etazonia efa handeha Michael McFaul, izay niarahaba ny ekipan'i Etazonia tao amin'ny Twitter. Raha nisioka “Fandresena!” i McFaul, dia nisy namaly hoe

@McFaul niangatra ny mpitsara Amerikana, rehefa nofoanany ilay baolina tafiditra. Ahoana izany ?

Izay novalian'i McFaul tamin'ny “Come on man!” [Aoka kosa e] romodromotra. Niseho ny fiarovantenan'i McFaul rehefa noraisiny ho matotra ny sioka miharihary fa miramirana izay maka tahaka am-panesoana ny ataon'ny mahita fisian'ny tsikombakomba:

Nahita azy rehetra aho izao! RT@vdzyubenko Nangalatra ny fandresentsika ny lehiben'ny any Washington sy @McFaul ))

Mbola afa-mandrombaka ny meday volamena amin'ny hockey ihany i Rosia, fa ho sarotsarotra kokoa ny hanazoana azy. Ary amin'ny farany, efa fomba mahazatra ny roa tonta ihany koa ny miampanga ny mpitsara. Antenaina fa tsy handray ity faharesena ity ho tena henjana araka izay vinavinain'ny meme sasantsasany i Vladimir Putin, izay mpankafy hockey:

Putin over-reacts to Russia's hockey loss.

Nihetsi-po be loatra tamin'ny faharesen'ny hockey Rosiana i Putin.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.