Panama : Adihevitry ny Ho Filoha, Ny Fanontaniana No Betsaka Noho Ny Valiny

Manomana fifidianana filoham-pirenena i Panama amin'ny volana May 2014, ary efa-bolana monja mialoha io datim-pifidianana io dia efa ahodinkodin'ny fampielezankevitra ny teny tsara lahatra ary efa miaina ny fampielezan-kevitra politika ny olona rehetra.

Hisy mpifaninana efatra avy amin'ireo antoko ofisialy ary sambany teo amin'ny tantara vao hisy mpifaninana tsy miankina telo.

Tamin'ny 20 Janoary 2014 teo ny adihevitra faharoan'ireo ho filoha nataon'ny telo tamin'ireo mpifaninana fito, izay manintona ny saina fanindroany ny amin'ny fahabangan'ny mpifaninana avy amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana (Democratic Change- Fiovana Demokratika) José Domingo Arias.

Ireto avy ireo mpifaninana nandray anjara tamin'ny adihevitra : Juan Carlos Navarro avy amin'ny Partido Revolucionario Democrático (PRD) [es], Juan Carlos Varela avy amin'ny Antoko Panameñista, ary Genaro López [es] avy amin'ny Broad Front for Democracy (FAD amin'ny Espaniola) na Mandatehezana Misokatra Ho An'ny Demaokrasia.

Nisy fiantraikany lehibe tamin'ny haino aman-jery sosialy izay izaran'ny Panameana ny fomba fijeriny sy hanalàny azy ilay adihevitra.

Noforonina tao amin'ny kaonty vaovaon'ilay mpanao hatsikana El Gallinazo ny tenifototra #Preguntaspaldebate [es] izay hanipazan'ny Panameana mpiserasera amin'ny aterineto ireo fanontaniana tokony ho napetraka nandritra ilay adihevitra.

Noararaotin'ny Antoko teo amin'ny fitondrana ny tambajotra sosialy mba hanaovana fialantsiny ho an'ny mpifaninana natolony, nilazany fa mety ho nandray anjara tamin'ny adihevitra nokarakarain'ny Fitsarana momba ny Fifidianana (ET) izy, na dia io antoko io ihany aza no nitsipaka ny volavolan-dalàna izay manolotra ny tsy maintsy hisian'ny adihevitra karakarain'ny ET. 

Aoka hikarakara adihevitra ny Fitsarana momba ny Fifidianana. Aza avela hametraka ny fandaharam-potoanany miafina ireo haino aman-jery sy ireo sendikà liana amin'izany. Fahamarinana sy fangaraharana.

Manamarika i Erik Simpson, mpitoraka bilaogy, fa ny fahabangan'ny mpifaninana avy amin'ny fanjakana dia maneho fa tsy afaka misaina irery i José Domingo Arias, raha tsy horesahana ny fitondrana :

Tsy sahiny ny miatrika ny Panameana amin'ny adihevitra nefa izy mihevitra fa afaka mitarika an'i Panama. Raha toa ka tsy hainy ny manavotra ny firotsahany hofidiana ho filoha, ahoana no hahafahany mitarika.

Fa ho an'i Cesar Urrutia kosa dia tsy hafa ireo tolo-kevitra nomen'ireo mpifaninana niatrika ilay adihevitra fa dika mitovy avy amin'ny zava-miseho ataon'ny fitondrana amin'izao fotoana izao ihany :

Amin'ny ampahany betsaka, dia dika mitovy amin'ny hevitr'i José Domingo Arias ihany ny hevitr'izy ireo, drafitra mitsingevana kokoa, tsy misy ifandraisana amin'ny zava-misy iainantsika.

 I El Gallinazo kosa dia nizara sary iray izay anehoana ny mpifaninana avy amin'ny fanjakana ho toa an'i Wilson, ilay mpilalao vollye ao amin'ny sarimihetsika Cast Away.

Iza amin'izy efatra no handresy amin'ny adihevitra ?

Namorona lahatsary mahatsikaiky momba ilay adihevitra io tranonkala iray io ihany : 

Tsy ampy fototra ilay adihevitra ho an'ny ankamaroana'ny Panameana. Ohatra ny hoe izay tian'ireo mpifaninana no amalian'iizy ireo ny fanontaniana rehetra. Hoy i Elviz :

Ohatra ny hoe ianao manontany zavatra amiko ary dia valiako amin'izay tiako hamaliana azy ireo adihevitra Panameana!

Feno hadrohadro ny fanamarihan'i Gina Lee momba ny fomba fanehoan-kevitry ny mpifaninana Genaro López :

Tahaka an-dry Gollum sy Smeagol i Genaro … ilay lehilahy rehefa miresaka ny tenany dia ampiarahany amin'ny hafa foana. ” Heverinay…” ” Ambaranay…”

Nanontanian'i Chris Fawcett izay tena teboka iorenan'ilay ” adihevitra” tamin'ny harivan'ny 20 Janoary :

Raha ametrahana fanontaniana ianao ary ny valinteninao dia tsy misy ifandraisany amin'ilay fanontaniana, “adihevitra” ve izany ?

Namorona tenifototra izay ahafahan'ny olona mifidy eny na tsia ho an'ny mpifaninna tsirairay ny onjam-peo RPC izay nikarakara io fotoana io. I Juan Carlos Navarro izay nahazo ny 51.7%-n'ny “vato”  no nandresy tamin'iny hariva iny araka ilay onjam-peo : 

Ireto ny vokatra ho an'ny mpifaninana tsirairay nandritra ny adihevitra voalohan'ny  fifidianana ho filoha.

Volana vitsivitsy mialoha ny tsy maintsy hifidianany filoha vaovao, toy ny tsy mahatapa-kevitra izany ny Panameana  noho ny tsy fahampian'ny safidy. Nofarananan'ny kaontin'i  El Ñeque Noticias taminà resaka hatsikana izay hamintina ny zavatra tsapan'ny ankamaroan'ny Panameana. 

Eken'ny Panameana fa raha androany ny datim-pifidianana, dia ho nangatahany tamin'i Orogoay ny handefasana an'i PEPE Mujica mba hanodina/hitantana an'i Panama.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.