Meme (Mihomehy) Olaimpika 13 Amin'ny Fanakaikezan'ny Lalaon'ny Sochi

Antomotra dia antomotra ny lalao olaimpika ririnin'i Sochi (amin'ny asabotsy ho avy izao ny lanonam-panokafana), manao tamberinakely tamin'ireo hatsikana nanala voly indrindra nandeha tao amin'ny fiaraha-monina an-tserasera momba ny fango (logo), ny fanilo ary ireo fitaovana maro isan-karazany mifandraika amin'ilay lalao olaimpika nandritra ireo taona nanomanana ny lalao ny RuNet Echo.

1. Ny fango mihitsy dia efa lasibatry ny fampihomehezana isan-karazany, fa izay tena niely indrindra dia ny nampiarahana azy tamin'ny “tsofa” ho biby famantarana, izay lalaon-teny amin'ny matoanteny “manatsofa”, tenin-jatovo rosiana midika hoe “fanodikodinam-bola.” Izany moa mazava loatra dia mifandraika amin'ny taona niampangana fa nisy ny fandanindaniam-poana sy ny fanodikodinana ny famatsiana ny fananganana ireo fotodrafitrasan'ny lalao:

The friendly embezzling saw. Anonymous image distributed online.

Ilay tsofa manodikodim-bola fanta-daza. Sarin'olona tsy fantatra voazara an-tserasera.

2. Misy hatsikana mivoitra kokoa nalaina tahaka ho fanesoana tamin'ity endri-tsoratra manaraka ity:

"A f*cking shame" reads the modified Olympic logo. Anonymous image found online.

“Henatra manalika” hoy ny fivakin'ilay fango olaimpika novaina soratra. Sarin'olon-tsy fantatra hita an-tserasera.

3. Fiampangana kolikoly hafa amin'ny lalao olaimpika — ity iray ity kosa dia avy amin'ny mpianatr'i Rosia:

"The Olympic flame burned your stipend" reads the caption of this alternative logo. Anonymous image found online.

“Nandoro ny vatsim-pianaranao ny afo olaimpika” hoy ny fivakin'ity fango amin'ny endrika hafa ity. sarin'olon-tsy fantatra hita an-tserasera.

4. Nisy fifaninanana nokarakarain'ny komity olaimpikan'i Rosia tamin'ny 2010, manoritra ny biby famantarana miaraka ain'ny fango, izay niafara tamin'ny fahitana ireo sary maro nampidirina izay mampihomehy ihany koa. Ity iray ity izao mampiasa ny fampihomehezana tao amin'ny RuNet taloha “Превед медвед” (“Manomeza an'i medved”). (Nisy fotoana nampalaza tokoa ity fampihomehezana ity ka lasa nananany KnowYourMeme entry [iditra fantaro ny fampihomehezanao] manokana)

"Preved!" says the bear. Anonymous image distributed online.

“Manomeza!” hoy ilay orsa. sarin'olon-tsy fantatra nozaraina an-tserasera.

5. Mora raisin'ny Rosiana rehefa mandray lalao olaimpika ny orsa (bera) — hatramin'ny nisian'ilay biby famantarana mahafatifaty tamin'ny 1980. Ity nampidirina tamin'ny fifaninanana 2010 ity dia nampiasa ny fampihomehezana malazan'ny “Pedobear” [orsa mirona ara-pilàna any amin'ny tsy ampy taona]:

Skiing-kuma. Anonymous image distributed online.

Skiing-kuma. sarin'olon-tsy fantatra nozaraina an-tserasera.

6. Manana ny fijeriny manokana ireo mpankasitraka ny Lovecraft:

Ktulhu for President (of the Olympics)! Anonymous image distributed online.

Cthulhu ho an'ny Filoha (n'ny lalao olaimpika)! sarin'olon-tsy fantatra noazaina an-tserasera.

7. Ary manana ny azy ihany koa ireo mpankasitraka ilay tantara an-tsary ho an'ny ankizy nanana ny lazany sovietika “Cheburashka,” (na dia mitovitovy aza):

Cheburashka fhtagn! Anonymous image found online.

Cheburashka fhtagn! sarin'olon-tsy fantatra hita an-tserasera.

8. Ny iditra nalaza indrindra (na dia fantatra aza taty aoriana fa tao anatin'ny fanentanana eny ifotony hampakarana ny lazan'ny fifaninanana aza izy ity) dia ity sahona avy any Arktika “hypnotisé” nomena anaram-bositra hoe Zoich, noforonin'ny mpanao tantara an-tsary Egor Zhgun ity.

2014 mitovitovy amin'ny ZOIЧ, fifangaroan-tarehintsoratra anglisy sy rosiana.

9. Ireo biby famantarana izay heverina ho voafantina, dia nahazo fiampangana hala-tahaka avy amin'ny lalao olaimpika efa nampiantranoan'i Rosia taloha:

"Plagiarism is when you take something and make it worse." One of new mascots side by side with the 1980 Mishka the Bear. Anonymous image found online.

“Hala-tahaka rehefa maka zavatr'olona ianao ka manao azy ho ratsiratsy kokoa.” Iray amin'ireo biby famantarana vaovao mifanila amin'i Mishka ilay orsa tamin'ny 1980. sarin'olon-tsy fantatra hita an-tserasera.

10. Sy avy amin'ny Olaimpika tany ivelany:

"F*cking shameful," reads the caption. Salt Lake Olympic mascots on the right. Anonymous image found online.

“Henatra manalika,” hoy ny fivakin'ny soratra. Biby famantaran'ny Olaimpika Salt Lake. Sarin'olon-tsy fantatra hita an-tserasera.

11. Tratran'ny hatsikana fanesoana ihany koa ilay fanilo olaimpika fampitana afo ao Sochi, izay maty matetika ny afo [mg] [tatitra Global Voices]. Ny sasany moa nanasongadina azy tamin'ny fangon'ny Vodka:

"Russian" brand vodka looks suspiciously like the Olympic torch. Anonymous image found online.

mitovitovy vinaninany amin'ny marika vodka “Rosiana” ilay fanilo olaimpika. saripikan'olon-tsy fantatra nozaraina an-tserasera.

12. Ny hafa indray nanamarika ny fitoviana misy eo amin'ity mpihazakazaka be volombava mitazona ny fanilony ity amin'ireo mpiady anaty akata Tsetsenina mitazona ny fitaovam-piadiany:

Olympic terrorists. Anonymous image found online.

Mpampihorohoro Olaimpika. sarin'olon-tsy fantatra hita amin'ny aterineto.

13. Angamba ny mafy indrindra amin'ireto fampihomehezana ireto, ity ravin-taratasy Olympic Bingo efa voadikan'ny RuNet Echo avy amin'ny teny Rosiana ho amin'ny teny anglisy ity. Isan-karazany ny kinovan'ny sary sy ny forums Rosiana miely. Fa izy rehetra ireo dia miresaka amin'ny tsy fahombiazana tamin'ny fandraisan'ny Rosiana ny lanonana. Ity, ry vahoaka, no faneken'ny Rosiana ny lahatra amin'ilay endriny mahakivy indrindra:

Anonymous image translated by RuNet Echo.

Saripikan'olona tsy fantatra anarana nadikan'ny RuNet Echo.

Tian'ny Rosiana ny manaratsy tena. Antenaina fa handiso azy ireny ny lalaon'ny ririnina 2014.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.