Nilaza Ny Filoha Fa Misy Miaramila Ongadey Maty An'Ady Ao Sodàna Atsimo

Miara-dia amin'ireo tafiky ny filohan'i Sodàna Atsimo, Salva Kiir, ny tafika Ogandey ao anatin'ny ady ankehitriny misy eo amin'ny governemanta sy ny vondrona mpikomy. Ambaran'i Oganda fa fikasana izany hiarovana ireo olom-pireneny marobe manao afera ao amin'ity firenena vao haingana indrindra manerantany ity.

Nanambara ny firotsahan'ireo tafika an-tsehatra ny filoha Ogandey Yoweri Museveni sy ny fisian'ny miaramila Ongandey vitsy naratra ary ny hafa kosa namoy ny ainy tamin'ny 15 Janoary 2014, nandritra ny fotoana nandraisany fitenenana tao amin'ny Vovonana Fahadimin'ny Filoham-panjakana sy filohan'ny govermantan'ny Kaonferansa Iraisampirenena ao amin'ny faritr'Ireo Farihy Lehibe [ICGLR] mikasika ny filaminana sy ny fiarovana, notontosaina tao Luanda, Angola . Efa nandeha ny tsaho mikasika ny fisian'ny tafik'i Oganda ao Sodàna Atsimo, saingy sambany ny governemanta no nanamarina izany.

Namoaka ny vaovao tao amin'ny pejy voalohany ireo gazety roa be mpamaky indrindra ao Oganda, New Vision gazetin'ny fanjakana sy ny Daily Monitor, gazety tsy miankina, saingy tsy misy itovizany ny lohateniny. Hoy ny fivakin'ny tao amin'ny New Vision, “Voadaroky ny UPDF [Herim-piarovan'ny Vahoaka Ogandey] ireo mpikomy ao Sodàna Atsimo”, nefa ny tao amin'ny Daily Monitor kosa mivaky hoe, “Namono ireo miaramilan'i UPDF ireo mpiadian'i Machar”.

Two competing headlines sharing the news of Ugandan troops' involvement in the fighting in South Sudan. Shared on Facebook by Ugandan media personality MC Kats.

Lohateny roa mifaninana mizara ny vaovao mikasika ny fitsabahan'ny tafika Ongandey amin'ny ady ao Sodàna Atsimo. Nozarain'ilay Olo-malazan'ny media Ogandey, Mc KAts

Naneho hevitra avy hatrany manoloana ny vaovao ireo mpiserasera ao amin'ny media sosialy.

Nanoratra tao amin'ny Twitter i Benjamin Rukwengye fa ny lohatenin'ny gazety New Vision dia te hampiseho fa laharam-pahamehana kokoa ny fandresena noho ny fahafatesan'ireo miaramila :

«Ny laharam-pahamehana» dia, na dia teo aza ny tatitra fa namoy ny ainy tao Sodàna Atsimo ireo tafiky ny UPDF, dia toa resaka fandresena kosa no tena dradradradrain'ny gazety New Vision…

Winnie Byanyima, vadin'ilay lehiben'ny mpanohitra Ogandey, Kizza Besigye, nisioka hoe::

Mamono ireo miaramilan'ny UPDF ireo mpiadin'i Machar http://t.co/AQ0Tl5biyV tsy hanohintohina ny fifampiresahana momba ny filaminan'ny faritra ve ny firotsahana an-tsehatra mandeha irery ataon'i Oganda?

Tao amin'ny Facebook, Charlotte Kemigyisha nanoratra hoe:

About 48 hours ago, the Army spokesperson was denying any deaths of UPDF soldiers in Sudan. 24 hours later his Boss H.E. acknowledges death having been suffered on both sides during a cross fire. Question is; next time round, who will I believe?

Teo amin'ny 48 ora lasa teo, nandà momba ny fisian'ny fahafatesan'ireo miaramilan'ny UPDF tao Sodàna ny mpitondratenin'ny Tafika. 24  ora taty aoriana, niaiky ny fisian'ny aina nafoy teo amin'ny roa tonta nandritra ny fifampitifirana ny lehibeny Hajaina. Ny fanontaniana dia hoe; amin'ny fihodinana manaraka, iza no hinoako?

Naneho hevitra mikasika ilay vaovao ihany koa ireo mpamaky ny habak'ireo gazety roa tonta.

Nangataka porofo mikasika ireo aina nafoy sy naratra izay nolazain'ny filoha i Peter:

Where is the proof? Just because M7 [Presient Yoweri Museveni] said so does not mean so. Not surprising, this is the quality of today's journalists, particularly NV [New Vision newspaper] being mouth piece of Ug government

Aiza ny porofo? Satria ve ny M7 [Filoha Yoweri Museveni] no nilaza ka tsy izany no dikany.Tsy mahagaga, izany no kalitaon'ny mpanao gazety ankehitriny, indrindra ny NV [gazety New Vision] izay mpitondratenin'ny governemanta Ogandey.

Nanontany ny filoha i Elgon58:

It started with the UPDF evacuating ugandans ,then UPDF prividing a safe corridor for ugandans to go home then UPDF guarding important installations in juba and finally UPDF fighting alongside the SPLA..Mr president why didn´t you tell us from the beginning that the UPDF was rushing to give support to the SPLA.Who is going to foot the bill?Why were the kenyans and ethiopians not involved in supporting the SPLA?

Nanomboka tamin'ny UPDF namindra toerana ireo Ogandey izany, ka nanome lalatsaram-piarovana  hoan'ireo Ogandey mba handeha hody ny UPDF, ka ny UPDF no miandry ireo fitaovaa lehibe tao Juba ary noho ny farany, mitolona miaraka amin'ny SPLA ny UPDF…Andriamatoa filoha, nahoana no tsy lazainao anay hatrany am-boalohany fa maika hanome fanohanana ny SPLA ny UPDF. Iza no handòa ny lany? Nahoana ny Kenyana sy ny Etiopiana no tsy mitsabaka amin'ny fanohanana ny SPLA?

Kipunpung'it nanamarika hoe:

Only fools can claim they didn't know UPDF was involved in combat operations in S. Sudan

Ny adala ihany no afaka milaza fa tsy nahafantatra ny firotsahan'ny UPDF an-tsehatra tamin'ny ady tao Sodàna Atsimo izy ireo

Nihevitra i Bishanga fa ny filoha ihany no tena namono tsy mivantana ireo miaramilan'ny UPDF maty tao Sodàna Atsimo:

Why President Museveni should be actively fighting rebels led by Riek Machar in South Sudan fully knowing that two clans are involved in the figting.Is Museveni fighting the Rebels to create peace or fuel the fighting President Museveni must know that the UPDF Soldiers dying in the War of South Sudan are being killed by him indirectly because he did this to kill soldiers he does not want in the UPDF because I the first instance Museveni deployed these dead soldiers to South Sudan before getting blessing from the Parliament of Uganda.

Nahoana ny filoha Museveni no tsy maintsy mavitrika miady amin'ireo mpikomy tarihin'i Riek Machar ao Sodàna Atsimo kanefa mahafantatra tsara fa foko roa no tafiditra amin'ity ady ity. Miady amin'ireo mpikomy ve i Museveni mba hametraka filaminana sa handranitra ady. Tokony ho fantatry ny filoha fa ireo Miaramilan'ny UPDF maty nandritra ny ady tao Sodàna Atsimo ireo dia novonoiny ankolaka satria nataony izany mba hamonoana ireo miaramila tsy tiany ao amin'ny UPDF satria nirahin'i Museveni hoany Sodàna Atsimo aloha ireo miaramila namoy ny ainy ireo talohan'ny hahazoany tso-drano avy amin'ny Antenimieran'i Ogandà .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.