Taona Vaovao: Jeritodika Amin'ilay Firariantsoa Mizara Roa Tao Rosia

Putin's New Year address cat-bombed. Anonymous image distributed online.

Fiarahabana Taona Vaovao nataon'i Putin, miaraka amin'ny toraka saka. Sary tsy misy anaran'ny tompony ifampizaràna ety anaty aterineto.

Rehefa vitan'i Rosia ny fankalazàna ny Taona Vaovao tamin'ny fomba taloha (fomba fanao izay nipoitra avy amin'ny fifanjevoan'ny tetiandro tany ampiandohan'ny taonjato faha-20), dia miverina manao jeritodika ny fomba nandraisan'ireo Rosiana mpisera tamin'ny 31 Desambra 2013 kosa isika, rehefa nampian'ny Filoha Putin zava-nampitsamboatra ny fiarahabana efa mahazatra fanao rehefa alina mialoha ny Taona Vaovao. Kabary roa samihafa no noraketin'i Putin — ny iray  natao ho an'i Rosia any Extrême-Orient [ru], izay mankalaza ny Taona Vaovao ora iraikambinifolo mialoha ny ao Rosia Andrefana, toerana niantefan'ny kabary faharoa [ru].

Ny kabary voalohany dia tsy miresaka mihitsy ny fisian'ny fanafihana fampihorohoroana nitranga andro vitsy monja tany aloha ary nahafatesana olona 31 tao Volgograd [tatitry ny Global Voices]. Kanefa, tsy nataon'i Putin ihany koa ny nitanisa ireo tondradrano tamin'ny taona lasa nadravarava ny tao Extrême-Orient. Nahatezitra ny mpisera ireo fanadinoana ireo, ireo mpisera izay nihevitra fa angamba tsy fahampian'ny fahaiza-miserasera izany. Ity bitsika ity, ohatra, dia in-157 naverina nalefa:

в новогоднем поздравлении Путина ни слова про Волгоград, в котором у него 4 марта 2012 г было 63,41% голосов.

— Brigita Grohman (@BrigitaGrohman) December 31, 2013

Ao anatin'ny kabary fiarahabana Taona Vaovao avy amin'i Putin, tsy nisy mihitsy filazàna momba an'i Volgograd, toerana izay nahazoany mpifidy 63,41% tamin'ny 4 Martsa 2012

Mpikirakira ny lahatsoratry ny Echo Moskvy no nanoratra mikasika ilay kabary voalohany [ru]:

Вот подонок, как будто не было череды терактов. Только и говорит, как в этом году Россия(ОН САМ) стала богаче.

Ilay kaondrana, toy ny hoe tsy nisy andiam-panafihana fampihorohoroana. Ny hany nolazainy dia ny fomba nampanan-karena an'i Rosia (IZY TENANY IHANY) tamin'ity taona ity.

Mba nalefadefaka ihany anefa ny sasantsasany. “old_den [ru] mpampiasa LiveJournal, dia nanamarina ny hoe tahàka ny efa fotoana ela talohan'ny  Taona Vaovao no noraisina feo ilay kabary :

Все плюются и негодуют, потому что он не вспомнил о терактах. …Обращение было записано около месяца назад.

Nivazavaza sy tezitra mafy ny rehetra satria adinony ny niresaka ireo fanafihan'ny mpampihorohoro. …Efa iray volana izay no nandraisana feo ilay kabariny.

Na dia nisy tamin'ny olona ihany aza no nisalasala hoe mety hovàna ilay kabary fiarahabana ny Taona Vaovao, tsy ela dia nisy ny tatitra tonga milaza fisianà kabary iray faharoa, noraisina feo tao Khabarovsk, Siberia. Ity kabary ity no niresaka ireo fipoahana tao Volgograd sy ny tondradrano tany Extrême-Orient. Taoriana kelin'izay dia fantatra fa nisidina ho any Khabarovsk i Putin, hiaraka tamin'ny fianakaviana Bair Banzaraksaev, ilay lehilahy hany maty nandritry ny tondradrano, mba hiaraka hankalaza ny fandraisana Taona Vaovao miaraka amin'ireo tra-boinan'ny tondradrano.

Tao amin'ny TV-Rain, naneho hevitra mikasika ireo kabary roa ireo [ru] i Stanislav Belkovsky :

Если раньше был тандем Путин-Медведев, то сегодня есть тандем Путин-Путин. Один Путин озвучивает одно обращение, другой Путин – другое. Это свидетельствует о мощном переходе власти в … систему двойников.

Raha tany aloha isika nanana ny Putin-Medvedev nifanohana, ankehitriny kosa hafa indray — Putin sy Putin. Ny Putin iray manao kabary iray, ny Putin iray hafa manao iray hafa koa. Manaporofo ny fikisahana amin-kery ataon'ny governenamanta mankany amin'ny rafitra roalela io

Etsy andaniny, i Eduard Limonov avy amin'ny “Rosia Hafa” dia nanontany tena [ru] ny amin'ny antony nisafidianan'i Putin an'i Khabarovsk fa tsy Volgograd:

Зачем было ехать в Хабаровск, ВВП, где тяжёлое время уже миновало? Ошибка. Нужно было высадиться в Волгограде. И обнимать родственников погибших.

Nahoana no nankany Khabarovsk, V(ladimir)V(ladimirovich)P(utin), izay efa adino ny fotoan-tsarotra tao fahiny? Hadisoana. Tokony ho nidina tao Volgograd. Ary namihina mafy ny havan'ireo niharan-doza

ireo bilaogera hafa dia nanakiana an'i Putin noho ny fandaniana nataony tamin'ny fisidinana nanerana ny firenena, ho fikatsahana fotsiny izay hanatsaratsaràny ny fijerin'ny olona azy:

Интересно, во сколько обошлось налогоплательщикам России это однодневное путешествие Президента из Москвы в Хабаровск? Одного керосина сожгли тонн 30….

Manontany tena aho hoe ohatrinona ny naloan'ny mpandoa hetra ho sandan'ny andro iray nitsangatsangan'ny Filoha Rosiana niala avy ao Maosko nankany Khabarovsk? Ho azy fotsiny dia solika 30 taonina no natsefotra…

Raha tonga amin'ny fiafaràny ny 2013, ny bilaogera sasany kosa niandry vasoka [ru] ny hisian'ny kabary fahatelo avy amin'i Putin, nanantenan'izy ireo fa mety mba haka teny avy ao anatin'ny bokin'i Boris Yeltsin izy:

Ждем третьего обращения с заветным: “Я устал, я ухожу…”

Miandry kabary fahatelo izahay, miaraka amin'ny fibabohana hoe “Reraka aho, Hiala aho…” 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.