Boky Maimai-poana No Nanombohan'Ireo Mpianatra 37 Tapitrisa Ny Taona Vaovao Tao Bangladesh

A Student rises up a textbook during the "Textbook Festival Day" program organized by Education Ministry at capital's Government Laboratory School. Image by Firoz Ahmed. Copyright Demotix (2/1/2014)

Mpianatra iray manangana ilay boky nandritra ny “Fetiben'ny Boky Fianarana” nokarakarain'ny Minisiteran'ny Fampianarana tao amin'ny Sekolin'ny Laboratoara tantanin'ny  fanjakana ao andrenivohitra. Sary avy amin'i Firoz Ahmed. Copyright Demotix (2/1/2014).

Mpianatra maherin'ny 37 tapitrisa tao Bangladesh no nahazo boky fianarana maimai-poana avy amin'ny governemanta miisa eo amin'ny 300 tapitrisa eo izay tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny « Fetiben'ny Boky Fianarana» tamin'ny 2 janoary 2014, ka mametraka ny firenena ho tompon-daka vaovao manerantany amin'ny fizarana boky fianarana maimai-poana, araka ny filazan'ny Minisitry ny  Fampianarana Nurul Islam Nahid.

Ny hiadiana amin'ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra ao amin'ny firenena no iray amin'ireo tanjon'ny fetiben'ny boky fianarana tontosaina isan-taona, izay nankalazaina nanomboka tamin'ny taona 2011. Araka ny tatitra avy amin'ny UNESCO, mahay mamaky teny sy manoratra ny 80 %n'ny tanora ao Bangladesh. 

Tao anatin'ny taona vitsy, nahavita ezaka goavana teo amin'ny sehatry ny fampianarana ny firenena. Nahatratra 100 % eo ho eo ny taham-pisoratana anaran'ny ankizy (mitovy isa ny zazalahy sy zazavavy) teny amin'ny sekoly fanabeazana fototra tao Bangladesh, ary teo koa ny fizarana boky fianarana maimai-poana hoan'ny rehetra. Tamin'ny taona 1991, 61 % monja ny taham-pisoratana anarana. Tamin'ny 2011, nahatratra 98,2 % izany ary tafakatra 99,47 % tamin'ny 2012. Nitombo 32 % hatramin'ny 51 % ny taham-pisoratana anaran'ny ankizy vavy eny amin'ny sekoly fanabeazana fototra raha niakatra 18 % hatramin'ny 54 % kosa ny fitambaran'ny mpianatra tao amin'ny sekoly ambaratonga faharoa.

Mandritra ny taom-pianarana 2014, niakatra 299 675 938 ny fitambaran'ny boky nozaraina hoan'ireo mpianatra 37 336 672 tao amin'ny fanabeazana fototra, Ebtedayee, sy ny sekoly ambaratonga faharoa, Dakhil, ary ny rafi-pampianaran'asa. Azo trohana maimai-poana sy vakiana ao amin'ny aterineto ao amin'ny habaka e-book an'ny governemanta sy ny habaky ny (Filankevi-pirenena Misahana ny Fandaharam-pianarana sy ny Boky Fianarana)  National Curriculum and Textbook Board (NCTB), ihany koa ireo boky fianarana vaovao. 

Tao amin'ny habaka Articles on Education of Bangladesh (Lahatsoratra momba ny Fampianarana ao Bangladesh), bilaogera sady mpampianatra Masum Billah nanamarika ny tombotsoa hafa azo avy amin'ireo boky fianarana maimai-poana:

Free book distribution for all the primary students emerges as a great contributing factor to reducing drop out.

Manampy betsaka amin'ny fampihenana ny fialàna an-daharana any an-tsekoly ny fizarana boky maimai-poana hoan'ireo mpianatry ny fanabeazana fototra.

Namoaka ny sarin'ireo mpianatra manana endrika falifaly tamin'ny nahazoany boky fianarana ireo fampahalalam-baovao isan-karazany.

Nampahatsiavin'ilay mpamokatra sarimihetsika Rowshan Ara Nipa tao amin'ny Facebook ireo fahatsiarovany manokana tany an-tsekoly, raha tsy maintsy miandry volana maromaro vao mahazo boky vaovao hoan'ny taom-pianarana:

গত ৫ বছর ধরে জানুয়ারীর ১ তাং এলেই সব বিদ্যালয় গুলিতে এক অসাধারন আনন্দ উৎসব আমাকে সুখকর এক ঈর্ষায় ফেলে দেয় , আহ্হারে আমি যদি ওদের বয়সী হতাম তবে তো আমিও আজ এই আনন্দের ভাগীধার হতাম! তবে আনন্দ যে একেবারে হয়না তা ঠিক নয়, বছরের শুরুর এই দিনে এক সাথে এত কচি কাচার হাসি মুখ এর চেয়ে বড় কোন শুভেচ্ছা আর আছে কি?

খুব মনে আছে এই তো ৫ বছর আগেই কোন ছাত্র-ছাত্রী নতুন বই কবে পাবে তার কোন ঠিক ঠাক সময় ছিলনা, বছরের ৩ মাস পেরিয়ে গেলেও নতন বই এর দেখা পাওয়া বড় সৌভাগ্য বলে গন্য হোত অথবা ২/১ টা নতুন বই আর পুরোনো বই মিলে একটা সেট বানানোর প্রান পন চেষ্টা করা হোত । আমার মা- বাবা দুজনেই প্রাথমিক বিদ্যালয়ের শিক্ষক ছিলেন। নতুন বই তো দুরের কথা ফেব্রুয়ারী-মার্চ পর্যন্ত কোন বই ছাত্রদের হাতে নাই এ নিয়ে দুশ্চিন্তার অন্ত ছিলনা…

Midika ho androm-pifaliana ny datin'ny 1 janoary, izay mahatonga ahy ho saro-piaro am-pifaliana. Raha tahaka azy ireo aho, dia nandray anjara tamin'ny fankalazana. Saingy mahafinaritra ny mahita ny endrik'ireo mpianatra falifaly.

Tsaroako fa dimy taona izay, tsy misy ny antoka hoan'ireo mpianatra fa hahazo boky izy ireo. Tsara vintana fotsiny ihany raha mahazo boky iray na roa amin'ny karazany ao anatin'ny telo volana. Mpampianatra ambaratonga fototra voalohany ny ray aman-dreniko. Niahiahy fatratra izy ireo ny amin'ny fomba hanohizana ny fandaharam-pianarana raha tsy misy boky hatramin'ny febroary na marsa.

Namazivazy izany vaovao izany i Sandipan Basu:

এখনকার পোলাপাইনগুলা অভাগা। আমাদের কালে আমরা বই না পাওয়ার অজুহাতে পুরা জানুয়ারি স্কুলে যাইতাম না। আর পোলাপাইনে এখন বছরের প্রথমদিনই বই পাইয়া যায়। ক্যামনে কি !!

Tsy manam-bitana ny mpianatra ankehitriny. Afaka tsy namonjy sekoly izahay mandritra ny volana Janoary manontolo satria tsy nanana boky fianarana vaovao. Ankehitriny, nahazo boky vaovao izy ireo tamin'ny fiandohan'ny taona. Ahoana no nahatontosa izany?

Students rise up textbooks during the "Textbook Festival Day" program organized by Education Ministry at capital's Government Laboratory School. Image by Firoz Ahmed. Copyright Demotix (2/1/2014)

Mpianatra mankalaza ny “Fetiben'ny Boky Fianarana” tao amin'ny Sekolim-panandramana tantanin'ny  fanjakana  ao andrenivohitra . Sary avy amin'i Firoz Ahmed. Copyright Demotix (2/1/2014)

Mandroso i Bangladesh na dia eo aza ireo olany. Ohatra amin'izany ny fizarana boky fianarana ny ampitson'ny fidiran'ny mpianatra. Bilaogera Arif Jebtik nanoratra hoe: 

যাঁরা ভাবে বাংলাদেশ এগুচ্ছে না, তাঁরা আমাদের বাংলাদেশ দেখেনি। আমি জানি এই দেশ কীভাবে কতটুকু আগাচ্ছে। [..]

আজ বই হাতে পাওয়া প্রিয় প্রজন্ম, তোমরা সুখে থাকো। তোমাদের যখন পিছু ফিরে দেখার সুযোগ হবে, সেই বয়েসে তোমরা যে বাংলাদেশে দাঁড়িয়ে থাকবে, সেই সুন্দর বাংলাদেশের কথা ভেবে আমি মাঝে মাঝেই তোমাদের ঈর্ষা করি…

Tsy mahafantatra an'i Bangladesh ireo izay mihevitra fa tsy mandroso i Bangladesh. Fantatro tsara ny fandrosoan'ity firenena ity […]

Azafady, mifalia fa nahazo boky fianarana ara-potoana ny taranaka vaovao. Raha mahatsiaro izany fotoana izany, tahaka ahy, ianao indray andro any, fa niaina tamin'ny alalan'izany hoe Bangladesh mandroso, mampialona be ahy izany.

Anisan'ny zava-misy iainan'ireo olona marobe ao Bangladesh ny herisetra ara-politika, anisan'izany koa ny ankizy. Mpikatroka sady mpitolona hoan'ny fahalalahana Akku Chowdhury nanoratra hoe :

this is the kind of Bangladesh we would like to see…Children happy with new books seeking knowledge….not Children with gun powder learning to make human BBQ….we want violent free democratic and peaceful nation moving forward with the spirit of liberation war….we want leaders ready to walk the talk…leaders who lead by example….we want politicians who considers power as a public service but not self service to become wealthier….joi manush (hail humans)

Ity ny karazana Bangladesh tiantsika ho hita…. Ankizy falifaly miaraka amin'ny bokiny vaovao ary mangetaheta fahalalàna….fa tsy Ankizy milalao vanja sy mianatra mitono olona….te-hanana firenena demaokratika lavitry ny herisetra sy milamina mandroso ao anatin'ny toe-tsaina nandritra ny adim-pahafahana izahay…mpitarika vonona hirotsaka hifampiresaka no ilainay… mpitarika vonona hanome ohatra….mpanao politika manasokajy ny fahefana hoy toy ny sampan-draharaham-panjakana fa tsy orinasan'ny tena hoentina hanangonan-karena….joi manush (ho ela velona ny olombelona)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.