Ny Tambajotran'i Kaokazy: Bilaogeran'i Dagestan Rasul Kadiev

Rasul Kadiev, 1 July 2013, photo by Sergey Ponomarev.

Rasul Kadiev, 1 Jolay 2013, saripikan'i Sergey Ponomarev.


Ity lahatsoratra ity dia ao anatin'ny fanadihadian'ny RuNet Echo momba ny tontolom-bilaogin'i Kaokazy avaratra. Savasavao ny tatitra feno sy ny tantara manokana ao amin'ny pejy Tambajotran'i Kaokazy.

Rasul Kadiev dia mpisolovava, teraka sy lehibe tao Makhachkala, Dagestan. Matetika ao anatin'ireo bilaogera dimy voalohany mavitraika ao amin'ny faritra, manoratra amin'ny teny rosiana izy ary miserasera amin'ny LiveJournal. Ny lahatsorany dia fangaron'ny fanehoankevitra araka ny lalàna sy ny politika momba ny toe-draharaha ao an-toerana sy ny lohahevitra maika ao Dagestan.

Nilaza i Kadiev fa tsy mbola niharan'ny fanapenam-bava (sivana) mihitsy ary tsy mihevitra izy fa hanohintohina ny fiainany mety hahatonga azy tsy maintsy haniva-tena ny famahanam-bilaogy ataony. Ny kinendriny hamaky azy dia ny mpanao gazety ao an-toerana, soritsoritan'i Kadiev ho “mahay mamaky teny sy manoratra ary efa tsara hitsy, ary ahitana hatsikana mavesabesatra” ny asa-sorany. Noho ny bilaoginy, dia mandeha ny tsaho fa lasa olona eken'ny olona ao an-kianjan'ny fahefana teny izy, izay manome lanja ny fahatsorany saingy tsy manaiky kosa ny fahasahisahiany miteny. Indraindray ny fitaovam-pampitam-baovao no mamoaka indray ny lahatsoratra am-bilaogy ataony, izay manitatra ny hamaroan'ny mpamaky azy sy ny lazany. Ny tranonkalam-baovao KavPolit, ohatra, naka ny lahatsoratra ao amin'ny LJ miresaka momba ny fivoaran'ny politika ao Dagestan, izay nampisidina io lahatsoratra io hihoatra ny 5000 ny nahita azy.


Ity lahatsoratra ity dia ao anatin'ny fanadihadian'ny RuNet Echo momba ny tontolom-bilaogin'i Kaokazy avaratra. Savasavao ny tatitra feno sy ny tantara manokana ao amin'ny pejy Tambajotran'i Kaokazy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.