Tenim-pahendrena 17 Avy Amin'i Nelson Mandela Tsara Vakian'ny Rehetra

Nelson Rolihlahla Mandela was the first democratically elected president of South Africa. Photo released by South Africa The Good News under Creative Commons (CC BY 2.0).

Nelson Mandela no filohan'i Afrika Atsimo voafidy ara-demokratika voalohany. Sary avy amin'i Afrika Atsimo The Good News, Creative Commons (CC BY 2.0).

Namoy ny ainy tamin'ny Alakamisy 5 Desambra 2013 teo amin'ny faha-95 taonany i Nelson Mandela, filohan'i Afrika Atsimo voalohany voafidy tamin'ny fomba demokratika sy nahazo ny loka Nobel-n'ny Fandriampahalemana. Nigadra nandritra ny 27 taona izy noho ny tolona nataony manohitra ny rafitra fanavakavaham-bolokoditra tao Afrika Atsimo fantatra amin'ny anarana hoe apartheid. Navotsotra tamin'ny taona 1990, lasa filoham-pirenena izy efa-taona taty aoriana ary nandao izany toerana izany rehefa nahavitra ny fe-potoam-piasany, fihetsika tsy dia fahita firy eo amin'ny sehatry ny politika Afrikanina.

Mahay mandaha-teny mahavariana ity olom-panjakana mamin'izao tontolo izao ity. Avy amin'ny lahateny nataony tao amin'ny fitsarana nandritra ny fitsarana momba ny raharaha Rivonia tamin'ny taona 1964 ny iray amin'ireo fomba fiteniny malaza voatsonga, hoy izy tamin'izany fotoana izany

I have fought against white domination, and I have fought against black domination. I have cherished the ideal of a democratic and free society in which all persons live together in harmony and with equal opportunities. It is an ideal which I hope to live for and to achieve. But, if need be, it is an ideal for which I am prepared to die.

Nitolona tamin'ny fanjakazakan'ny fotsy hoditra aho, ary nitolona tamin'ny fanjakazakan'ny mainty hoditra. Nolalaiko ny tsangan-kevitra idealin'ny fiaraha-monina demaokratika sy afaka izay iarahan'ny olona rehetra miaina ao anatin'ny firindrana sy ny fahafaha-manao mitovy. Izany ho idealy antenaiko hiainana sy hotontosaina. Saingy, raha ilaina, izany no idealy hiomanako ho faty.

Ankoatra ny lahateniny tamin'ny raharaha Rivonia tao amin'ny fitsarana, namela fomba fiteny feno fahendrena sy azo tsarovana marobe i Nelson Mandela nandritra ny fiainany. Na dia lasa aza izy, dia mbola miresaka amin'izao tontolo izao amin'ny alalan'ireo mpisera Twitter, izay naneho hevitra manoloana ny vaovao nahafatesany tamin'ny alalan'ny teniny nozaraina.

Momba ny fitsarana:

« Aza tsaraina amin'ny fahombiazako aho; tsarao amin'ny isan'ny fotoana nianjerako sy nitsanganako aho.»

“Tsy olo-masina aho, raha tsy hoe mihevitra ianao fa ny olo-masina dia ilay mpanota miezaka hatrany” Nelson Mandela “

Mikasika ny Fankahalàna:

« Manamaizina ny saina ny fankahalàna. Manakana eo amin'ny ny lalan'ny teti-panorona izany. Tsy mahazaka mankahala ny mpitarika. »

« Raha azo ampianarina hankahala izy ireo, dia azo nampianarina hitia, tonga ho azy kokoa ao am-pon'ny olombelona ny fitiavana noho ny mifanohitra amin'izany. »

Tsy misy nateraka hankahala…

Momba ny famelan-keloka:

“Tsy matahotra ny hamela heloka noho ny fitadiavana fandriampahalemana ny olona mahery fo”

« Hahavita zavatra maro eto amin'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny fihetsika mamindra fo ianao noho ny amin'ny fihetsika mamalifaty. »

Momba ny  fanatanjahantena:

“Afa-manaitra ny fanantenana eo amin'izay vao nanjakan'ny famoizam-po ny fanatanjahatena. »

Momba ny  fitarihan'olona:

« Mitariha avy any aoriana – ary avelao ny hafa hahatsapa fa eo aloha izy ireo. »

Momba ny  fanavakavaham-bolokoditra:

 “Ankahalaiko ny fanavakavaham-bolokoditra satria sokajiako ho lozabe izany, na avy amin'ny olona mainty hoditra izany na avy amin'ny fotsy hoditra. »

Mikasika ny herimpo:

« Toa tahaka ny zavatra tsy azo tanterahina mandra-pahavitany »

« Tsy izay tsy mahatsiaro tahotra no atao hoe olona mahery fo, fa ireo izay mandresy izany tahotra izany. »

« Ny voninahitra dia ho an'ireo izay tsy mba miala mihitsy amin'ny marina, na dia toa ao anatin'ny aizina sy ny sarotra aza. »

Momba ny fahafahana:

« Ny atao hoe afaka dia tsy ny mamaha fatotra olona iray ihany; fa miaina am-panajana sy manamafy ny fahalalahan'ny hafa. »

Momba ny fanabeazana:

« Ny Fanabeazana no Fitaovam-piadiana mahery indrindra ahafahanao manova izao tontolo izao.  »

Momba ny  fanagadrana:

« Lazaina fa tsy misy olona mahafantatra tsara ny firenena iray raha mbola tsy tao anatin'ny fonjany. »

Momba ny adidy:

« Raha nahatontosa izay sokajiany ho andraikiny eo amin'ny vahoakany sy ny fireneny ny olona iray , dia afaka handry am-piadanana izy. »

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.