Tsy Sampan-Teny Ny Tenin-Teratany

Mpandray mpizahatany iraisampirenena ny tanàn-dehibe manatantara meksikana an'i Oaxaca de Juárez, tsy ankavitsiana noho izany no andrenesana fiteny alemana, frantsay na anglisy ao an-tanàna. Tsy ankavitsiana ihany koa noho izany no andrenesana tenin-teratany tahaka ny zapoteky na miksteky avy amin'ny mponina na fiarahamonina manodidina. Saingy, efa an-jato taonany izao ny tenin-teratany no tsy napetraka amin'ny toerana mahaizy azy ary maro no nampianarina fa tsy zava-dehibe noho ny mianatra teny vahiny ny teny mahateratany azy ireo.

Araka ny fanadihadiana nataon'ilay mpandalina momba ny teny Michael Swanton [es], dia nanomboka tamin'ny faran'ny taonjato faha-19 ny fampiasana ny voambolana hoe sampan-teny [na zanaka teny] (“dialecte”), ary nampidirina tao amin'ny politikam-pampianarana meksikana nokendrena hampitsaharana ny fampiasana ny tenin'ny teratany. Nisy fiantraikany teo amin'ny lafiny lavitr'ezaka izany fihetsehana izany satria nihamaro ireo Meksikana manondro ny tenin'ny teratany amin'ny fomba toa manabanty hoe sampan-teny. Efa maro ihany koa ny teratany no mihazatra tsy hanaiky ny tenin-drenin'izy ireo hitovy lanja tamin'ny fiteny hafa.

Nisy ny fanentanana nokarakarain'ny Tranombokim-Pikarohana Juan de Córdova [es], avy ao amin'ny Ivotoeran-Kolontsaina San Pablo [es] ao Oaxaca manantena hanaitra sy hampandray anjara amin'ny alalan'ny fitaovam-pampitam-baovao nomerika mandefa hafatra fa tsy Sampan-teny ny tenin-dreny, fa tena teny feno tahaka ny hafa ihany. Hoy ny nambaran'izy ireo:

Creemos que valorar la diversidad lingüística de Oaxaca y combatir la discriminación absurda que sufren sus hablantes comienza por llamarlas de igual manera. Ése es el propósito principal de esta campaña a la que esperamos que te unas: que la palabra “dialecto” NO se use nunca más para nombrar a las LENGUAS indígenas.

Mino izahay fa ny fanomezana lanja ny fahamaroam-piteny eto Oaxaca sy ny ady amin'ny fanavakavahana amin'ny tsy antony atrehin'ireo mpiteny ny (tenin-Teratany) dia manomboka amin'ny fiantsoana ireny teny ireny amin'ny fomba mitovy (amin'ny hafa). Izay no tanjona voalohan'ity fanentanana ity ka manantena izahay fa hiara-dia aminay ianareo: Ka mba TSY ho ampiasaina intsony ny voambolana hoe “Sampan-teny” (dialecte) hilazana ny TENIn-teratany

Iray amin'ny asa voalohany nataon'ny fanentanana dia ny hanangonana ny mpiteny espaniola, ny triqui, ny mazateco, ny poloney, ny náhuatl, ny catalan, ny ngiwa, ny anglisy, ny zapoteky, ary ny portiogey mba hanambarana iraisana fa mitovy ny teny rehetra ary tokony ekena amin'ny mahaizy azy.

Ao amin'ny Habaka ihany koa dia misy ny zoro ‘fanontaniana re matetika‘ [es] izay manaisotra ihany koa ny anganongano sasantsasany momba ny tenin-teratany. Ao anatin'ny asam-panentanana manaraka ihany koa ny fahafahan'ny mpiteny ireo fiteny hafa mametraka ny lahatsariny (vidéo) ka ao no ilazany fa tsy Sampan-teny Ny Tenin-Teratany, eo ihany koa ireo hetsika hafa mifandraika amin'ny teknolojia efa nomanin'ny tranomboky mandritra ny taona 2014.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.