Ny Fahaterahan'ny Hetsika Hackerspace

A robot made with a 3D printer at the neuron hackerspace. Republished with permission from neuron's Facebook page.

Raboto vita amin'ny mpanota-printy 3D tao amin'ny atidohan'ny (neuron) ny hackerspace. Nahazoan-dalana avy amin'ny Facebook'ny neuron ny famoahana indray ny sary.

 

Inona no tonga ao an-tsaina raha mandre teny hoe “hackerspace” (tahalan'ny mpijirika)? Talohan'ny niresahako an'i Alexander Chemeris, mpisavalalan'ny hetsika hackerspace ao Rosia, nisaintsaina ny mpijirika (hacker) ho toy ny andian-dehilahy any ambanin'ny tany lany andro miezaka mifehy ny aterineto amin'ny fomba tsy ara-dalàna manamboatra viriosy  hidirana any anaty tranonkala aho. Hita anefa fa lany andro ny fijeriko izany hoe ” fijirihana” (“hacktivism”=fahazotoana mijirika) … 

Inona no atao hoe “hackerspace” ?

Efa miaraka amin'ny fampianarana sy ny fanavaozana ankehitriny ny fijirihana (“Hacking”), sehatra azo antoka hitrandrahana hevi-baovao amin'ny teknolojia, izay hahafahan'ireo matihanina mizara ny traikefany sy hahafahan'ireo mpikatroka mampiroborobo ny rindram-baiko misokatra (open source) sy ny fahalalahana hamoaka sy hahazo vaovao.

Nandritra ny lahateniny tamin'ny TEDx, nilaza i Mitch Altman avy ao amin'ny hackerspace Noisebridge ao San Francisco fa zara manome fotsiny fitaovana sy sehatra hanaovan'ny olona izay tena tiany atao indrindra ny hackerspace. Ary mitandrina indrindra izy ireo mba hialana amin'ny fomba fijery diso momba ireo geek (mpiondana solosaina); na dia ara-teknika aza ny Noisebridge tsy nantsoina hoe “hackerspace”, fa “Mpanolotra fotodrafitrasa ho an'ireo tetikasam-pamoronana sy ara-teknika” tsy mitady tombotsoa ara-bola. Nakamban'ny tombotsoa iombonana ny Hackerspaces manerantany ahafahan'ireo matihanina amin'ny informatika hitondra fanavaozana amin'ny teknoloja sy ny sehatry ny sehatry ny kanto nomerika.

Ny hackerspace voalohany tao Moskoa.

Nandritra ny vanim-potoana Sovietika, natao izay nampirisihana teny anivon'ny fikambanan'ny tanora tao anatin'ny “hetsika mpisava lalana” ny famoronana ara-tsiantifika sy ny fanavaozana ara-teknolojika. Noho ny korontana ara-politika nitranga nandritra ny fiovam-pitondrana tamin'ny taompolo 90, dia nanjavona ity karazam-pikambanana voalamina sy ny lahasany ity.

Chemeris kosa mahita ny hackerspaces ho endrika ankehitrinin'ny vondrona tarihin'ny tanora miròna amin'ny teknolojia. Noho izy manana fototra amin'ny tarazom-piarahamiasa, dia mamaly ny fitadiavana sehatra hafa mahavita tena ny hackerspace. “Marobe ireo injeniera mahay ao Rosia”, hoy izy, “saingy mila sehatra hifampizaràna ireo fitaovana vitany sy hahita olona sahaza ny tetikasan-dry zareo.”

Rehefa avy nanatrika ny Chaos Communication Congress 2010, fihaonana isan-taona karakarain'ny fikambanan'ireo hackers (mpijirika) lehibe indrindra ao Eoropa, tao Berlin i Chemeris, dia nanapa-kevitra hitondra ny hevitra hody (any amin'ny firenena niaviana) mba hameno izany fotodrafitrasa banga izany.

Ny tetikasa hackerspace Rosiana voalohany, antsoina hoe Neuron dia niainga tamin'ny lahatsoratra bilaogy nataon'i Chimeris niantsoany ireo namana mpandray anjara. Nahita toeranasy nanokatra izany tamin'ny volana Jiona 2011 izy niaraka tamin'i Alisa Shevchenko, Vladimir Vorontsov, ary Dima Aleksuyk.

Mandroso

Mila roa taona eo ho eo ny fananganana fikambanana mitovy fijery aminy, hoy i Chimeris. Vao nivelatra tamin'ny herintaona ny fisantaran'andraikitra hackerspace. Rehefa avy nifindra birao vaovao taminà toerana somary afovoan-tanàna ny Neuron Hackerspace, dia nahasarika olona matihanina amin'ny teknolojia maromaro kokoa, ka nahatratra ny fetr'isa ilaina sy ahafahany mieli-patrana.

Ankehitriny, afaka manatrika ny tafatafa TEDx amin'ny teny anglisy na amin'ireo atrikasa isan-karazany ao amin'ny media sosialy sy ny fifandraisana teknolojika ireo “hacktivist” ao Moskoa. Afaka mianatra manangana “robot” azy ireo manokana ao amin'ny Neuron Hackerspace ihany koa izy ireo, na misitraka ireo printy 3D (telozoro) nivoaka farany indrindra. Mihamivelatra ny tetikasa, ary anatin'ny kinasa ny hanome fampiofanana sy sehatra midadasika kokoa. Mihamihanaka ihany koa ny maodely; vao haingana ny mpikarakara ny Neuron no nanomboka nizara ireo traikefany miaraka amin'ireo mpikatroka manantena hanangana sehatra mitovitovy amin'izany amin'ny tanàna hafa. Miely ny kolontsaina hackerspace, manome fampianarana momba ny teknolojian'ny robotika ao Saint Petersburg, sy Java script ao Kazan ary hetsika hafa ao Yekaterinbourg sy Kaliningrad.

Fisiana ampahibemaso?

Mety ilàna fitandremana fatratra ny fifandraisana eo amin'ireo tetikasa tahaka ity sy ny governemantam-paritra. Fa mba tsy hijanonana any amin'ny miafina sy ahiahiana, dia nifandray tamin'ireo mpikambana ao amin'ny governemanta ny vondrona ary nanatrika ireo valandresaka isan-karazany karakarain'ny fanjakana, miezaka ny miseho mivantana. Saingy na dia vonona hifampiresaka mivantana amin'ny Fanjakana aza ny vondrona, tsy midika mihitsy izany fa liana hifampiresaka amin'ny vondrona ny ao amin'ny fanjakana, na izany aza, nahazo fanohanana vitsy avy amin'ny Departemantan'ny siansa, politika indostrialy ary ny Fandraharahana ao Moskoa izy ireo.

Ao amin'ny firenena ahitana ireo mpijirika (hacker) mahay indrindra manerantany, mety ho fomba hikarakarana ny fananganana teknolojia ao Rosia sy ny mpampianatra amin'ny fomba fampianarana hafa ve ity hetsika ity?

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.