Ny football, Fampiraisana Ny Fiaraha-Monina Ao Nizera

Firenena manana velarantany indroa avo heny noho i Frantsa i Nizera, ahitana faritra valo sy foko enina samihafa. Izay ihany koa no firenena manana famantarana ny fampandrosoana ny mahaolona maivana indrindra tamin'ny 2012. Ireo kasinga samihafa ireo no mety hampalemy ny rafi-piaraha-monina noho ny fitomboan'ny hantsana (ara-toekarena) sy ny fahasamihafan'ny mponina. Ny fanatanjahantena matetika no fitaovana idealy ho fanamafisana ny fifandraisana ara-tsosialy ao amin'ny fiaraha-monina ao Nizera. Izany no antony mahatonga ny Kaominina ao Kalfou ao amin'ny departemantan'i Tahoua manomana fifaninanana football isan-kerintaona ihaonan'ny ekipa samihafa ao amin'ny departemanta. 

Tournoi de football dans le département de la Tahoua, Niger. avec la permission du projet mapping for Niger

Fifaninanana ao aminn'y departemantan'i Tahoua, Nizera, nahazoana alalana avy amin'ny tetikasa Mapping for Niger

Nandray anjara tamin'io fifaninanana io i Hamzajaba, mpandray anjara amin'ny tetikasa Rising Voices Andao Hataontsika Sarintany i Nizera, ka nitantara :

Ce tournoi a été organisé par un ressortissant d’un village appelé « Guidan Toudou ». Le tournoi est composé de huit (8) villages qui sont répartis en deux poules A et B. La poule A est composée de : Guidan Toudou, Alibou, Toudouni et Tounga et la poule B est composée de : Samo, Karaji Sud, Guidan Gara et Galmawa. [..] la finale a opposée Guidan Toudou& Karaji Sud avec un score de 3 buts à 0 en faveur de Guidan Toudou suite au forfait de Karaji Sud. Ce tournoi s'est déroulé dans une parfaite ambiance, pleine de faire play et l’objectif a donc été atteint. J’ai rencontré pas mal des jeunes et même des collègues avec qui j'ai été au collège. Guidan Toudou a gagné le trophée avec comme récompense 70 000 FCFA; le 2ème, Karaji Sud, a été recompensé de 40 000 FCFA et le 3ème Galmawa 20 000 FCFA. Toutes les équipes qui ont participé ont bénéficié d’un ballon.

Nokarakarain'ny olona avy ao amin'ny tanànakely ambanivohitra antsoina hoe “Guidan Toudou”. Ahitana tanàna kely valo (8) zaraina ao anaty vondrona roa A sy B ity fifaninanana ity. Ny vondrona A dia ahitana an'i Guidan Toudou, Alibou, Toudouni ary Tounga ary ny vondrona B dia ahitana an'i Samo, Karaji Sud, Guidan Gara ary Galmawa. Ny famaranana dia nifanandrinan'i Guidan Toudou sy Karaji Sud izay nandresen'i Guidan Toudou tamin'ny isa 3 noho ny tsy misy noho ny tsy fanatongavan'i Karaji Sud. Nahafinaritra tokoa ny fizotran'ny fifaninanana, feno fair play (lalao madio) ka tratra noho izany ny tanjona. Maro ny tanora nifanena tamiko, eny fa na ireo niara-nianatra tamiko tany amin'ny kolejy aza. Guidan Toudou no nahazo ny amboara ary 70 000 FCFA ny loka azony; faharoa i Karaji Sud nahazo loka 40 000 FCFA ary fahatelo i Galmawa nahazo 20 000 FCFA. Nahazo baolina tsirairay avokoa ny ekipa mpandray anjara rehetra.

Le département de Tahoua, cartographié par le projet Mapping for Niger

Ny departemantan'i Tahoua, nataon'ny tetikasa Mapping for Niger an-tsarintany

Avoahy eto ny sarintany lehibebe kokoa

Nankafizin'ny Nizeriana hatrany ny football. Mpilalao football taloha ny iray amin'ny olona fanta-daza indrindra any Nizera, Moussa Kanfideni, izay kapitein'ny ekipam-pirenena tamin'ny taona 80. Tsy maty intsony ny anarany tamin'ny fananganana foibem-pampiofanana ara-teknika voalohany ho an'ny sangany eo amin'ny football rahatrizay, ny Souley Académie Sports (SACA-Sports). Ousmane Keïta manazava ny anjara toeran'ny ivon-toeram-pampiofanan'ny football amin'ny ankapobeny eo amin'ny fitaizana ny tanora nizeriana :

L’ambition de la Souley Académie Sports est claire : combler un grand vide en contribuant non seulement à la formation du champion, mais aussi de l’intellectuel de demain. En d’autres termes, le centre vise à forger le citoyen modèle, préparé pour évoluer dans l’adversité, la concurrence.

Mazava ny tanjon'ny akademiam-panatanjahantena Souley : tsy hoe mameno ny banga amin'ny fampiofanana ny tompondaka ihany, fa amin'ny manampahaizan'ny ampitso. Amin'ny teny hafa, mikendry ny hamolavola olom-pirenena maodely, novononina hiatrika sakantsakana sy ny fifaninanana ny ivontoerana. 

Tournoi de football dans le département de la Tahoua, Niger. avec la permission du projet mapping for Niger

Fifaninanana football tao amin'ny departemantan'i Tahoua, Nizera. Nahazoana alalana avy amin'ny tetikasa projet Mapping for Niger

Misy ny akademia hafa najoro, tahaka ny Atcha académie, mikendry ny hamolavola ny tanora nizeriana amin'ny alalan'ny fanatanjahantena. Tahaka izany ihany koa, vao najoro tao avaratr'i Niamey, renivohitr'i Nizera, ny ivontoerana teknikan'ny Federasiona nizeriena Football (FENIFOOT). A Niamey manazava ny tanjon'io ivontoerana io :

Les premiers pensionnaires du centre sont au total 52 jeunes talents, de moins de 15 ans, qui ont été présélectionnés sur l’ensemble du territoire national. le Niger compte sortir de ces jeunes formés l’équipe nationale qui va représenter le pays à la Coupe d’Afrique des moins de 17 ans prévue en 2015 à Niamey. 

Miisa 52 ny fitambaran'ny tanora manantalenta, latsaky ny 15 taona, notsongaina voalohany mialoha ny fifantenana farany manerana ny firenena. Kendren'i Nizera ny ivoahan'ireo tanora ireo ho voavolavola hananganana ny ekipam-pirenena hisolo tena ny firenena amin'ny Fiadiana ny amboaran'i Afrika latsaky ny 17 taona kasaina hotontosaina any Niamey amin'ny 2015.

Fitaovana mahomby hampiraisana hina sy hanentanana ny firenena ihany koa ny ekipam-pirenena. Ity ny hafatra ataon'ny mpilalao baolina nizeriana amin'ny alalan'ny lahatsary hanairana ny olona hiady amin'ny hanoanana ao Nizera: 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.