Mandrisika Ireo Vavahadin-tserasera Lehibe Hifehy ny Vavany Ve i Korea Atsimo?

Nanambara ny fikasany hanome alalana ireo vavahadin-tserasera lehibe hanao sivana sy hamafa ireo fanehoan-kevitry ny mpiserasera izay azo tsaraina ho manala baraka ny governemanta Koreana tatsimo, fihetsika ahiahian'ireo mpiserasera Koreana mety hametra ny fahalalaham-pitenana an-tserasera izany.

Nanatontosa valandresaka ny Vaomieran'ny Serasera Ao Korea Atsimo tamin'ity herinandro ity mba hampahafantarany ny fitsipika vaovao [ko] manome fahefana ireo vavahadin-tserasera lehibe hamafa ny fanehoan-kevitr'ireo mpiserasera ao anatin'ny 30 andro, indrindra ireo fanehoan-kevitra azo heverina ho manala baraka. Raha tsy misy fepetra raisina ao anatin'izany fe-potoana izany, tahaka ny fitarainana apetraky ny mpiserasera lasibatra, afaka mamafa ilay fanehoan-kevitra ny habaka (tranonkala).

Nanambara ny manampahefana fa hanamaivana ny enta-mavesatr'ireo vavahadin-tserasera ny fitsipika amin'ny alalan'ny fampihenana ireo tranga fanalam-baraka maromaro avy amin'ny fanehoan-kevitr'ireo mpiserasera. Na dia izany aza, manontany ireo mpitsikera raha azo amarinana ny fanomezan-dalana ny vavahadin-tserasera hanapa-kevitra na manala-baraka na tsia ny fanehoan-kevitra – fitsarana sarotra na dia ho an'ny mpahay lalàna matihanina aza.

Korean Portal Sites Logo

Sary avy amin'ny vavahadin-tserasera lehibe indrindra ao Korea  izay nisianà adihevitra mafana. Sary notrohan'ilay mpisera Flickr, @paperon. (CC BY NC 2.0)

Nanipika [ko] ny fampahalalam-baovao ao an-toerana fa manome antoka ireo vavahadin-tserasera ny manampahefana fa hisy ny fifanekena hanao izay hampihenana araka izay azo atao ny andraikitra ara-pitsarana raha misy ny fitoriana azy ireo- ka ho afaka madiodio mora foana ireo vavahadin-tserasera raha mampiseho fa efa nanivana na namafa fanehoan-kevitra. Na dia izany aza, nilaza ny mpanohitra fa hampiroborobo ny fifehezambava izany fitsipika izany ary afaka hanararaotra ity volavolan-dalàna ity ireo mpitondra mba hanerena ireo habaka hampangina ny mpanohitra.

 

Mafàna ny adihevitr'ireo mpiserasera teny anivon'ny habaka mavitrika malaza tahaka ny TodayHumor [ko] sy ny Ppompuu [ko] mikasika ity volavolan-dalàna ity sy ny fikasan'ny mpitondra Koreana Tatsimo tato ho ato hanolotra volavolan-dalàna maromaro hifehezana ny zavatra azo atao ao amin'ny aterineto, tahaka ny volavolan-dalàna hametrahana lalàna momba ny lalao antserasera ho tahaka ny rongony sy ny alikaola, sy ny sisa hafa mety hamehy ny ora fampiasàna finday raitra smartphone [ko]. Mpiserasera ID: 껄껄 nanazava [ko] tao amin'ny habaky ny TodayHumor:

이전: 정치인 -> 요청 -> 포털 -> 삭제. 이후: 정치인 : 요청x :포털 -> 삭제

한마디로 포털을 방패삼아 자신은 숨으면서 포털에게 무소불위의 힘을 주어 알아서 기라는말. 쟁점1. 안그래도 애매 모호한 명예훼손인데 포털들이 객관적으로 과연 판단가능할것인가. 쟁점2. “투명성과 공정성을 기한다면 큰 문제가 없을 것” 반대로 투명성과 공정성이 잃는다면 큰문제가 된다는것. 명예훼손이라는 법적인 영역을 과연 일개 기업이 판단가능한 영역이고 자의적으로 즉결처분가능 영역인가?

TALOHA: Mangataka amin'ireo vavahadin-tserasera ny mpanao politika mba hamafa
TATY AORIANA: Tsy mila mangataka ny mpanao politika. Fa hanolo-tena ny vavahadin-tserasera ary hamafa.

Midika ity fitsipika ity fa ampiasaina toy ny ampinga ny vavahadin-tserasera ka azon'izy ireo hiafenana. Te-hiseho koa izy fa, nomeko fahefana [hamafa] ianao, ka ho solon'izany, hanaiky ahy an-tsitrapo ianao. Ity ny resaka voalohany  tamin'ny adihevitra: raharaha sarotra ny fanalam-baraka [raha faritana]. Mahavita manao fitsarana tsy mitanila ve ireo vavahadin-tserasera? Adihevitra faharoa: Hoy izy ireo «raha voahazona ny mangaraharaha sy ny tsy fitanilàna, tsy ho olana izany». Amin'ny teny hafa, azo raisina koa hoe «Raha very ny mangarahara sy ny tsy fitanilàna, hisy ny olana goavana». Mahavita manao fitsarana marina mikasika ny olana ara-pitsarana tahaka ny fanalàm-baraka ve ny orinasa tsotra [tahaka ireo vavahadin-tserasera], ary ao anatin'ny fahefan'izy ireo ve ny hanapa-kevitra farany?

Ity ambany ity ny lohahevitra niadian-kevitra tao amin'ny habaka Ppmpu:

악용될가능성이 아주 부단하죠. 악용보단 아주 이용할려고 작정을 한거죠 . 말이 안되는 법안이라 생각하는데요[…] 저대로 활용되면 그게 좋겠죠.. 실상은 조금만 맘에 안 들어도 삭제하라고 할 듯..[…] 댓글삭제 함부로 안되는 곳으로 몰리겠네요.

Tena mety hohararaotina ity fitsipika ity. Eny, ny tiako lazaina dia hanararaotra izany izy ireo, ary mino aho fa volavolan-dalàna vendrana tokoa izy ity […] Mety ho tsara raha miasa tokoa araka ny tokony ho izy [izay no lazain-dry zareo], saingy raha ny zava-misy, hiezaka hamafa ireo fanehoan-kevitra avy hatrany ireo habaka raha hitany fa mahasosotra izany […] Ankehitriny, handeha ho eny amin'ireo habaka tsy maika hamafa fanehoan-kevitra ny olona.

Ity kosa adihevitra tao amin'ny tontolon'ny Twitter Koreana tatsimo.:

@Chocolete90: 7,80년대에나 통할 법한 통제를 지금 시대에 적용한다고 될 법한 일인가? 인터넷 규제 정말 가능하다고 보는건가? […]설상가상 시대감각도 없어..

@Chocolete90: Mihevitra tokoa ve izy ireo fa azo ampiharina izany fitsipika izany izay tamin'ny taona 70 sy 80 ihany no nety? Mihevitra tokoa ve izy ireo fa azo ametrahana lalàna ny aterineto? […] Fanapahan-kevitra diso andro.

@ehanb: 문제는 지들 유리한 글은 내깔겨 둘 것이 뻔하다는 거.

@ehanb: Ny olana dia mazava tsara tsy azo lavina fa havelan'izy ireo ny fanehoan-kevitra metimety aminy.

@skjn_legon: 역시 그 분들에게는 인터넷이 두렵고 어려운 미지의 세계겠지. 그러니 힘이 있을 때 확 잡아놓고 싶겠지[…]

@skjn_legon: Ho an'ireo manampahefana, toerana tsy fantatra, maizina sy mampatahotra ny aterineto. Ka tian'izy ireo hanjakàna raha mbola eo amin'ny fahefana izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.