Fampiharana Finday (App) Manome Fiarovana Hiadiana Amin'ny Fanolanana Ho An'ireo Vehivavy Indiana

Heloka efa mahazatra mihatra amin'ny vehivavy ao India ny fanolanana, nitombo avo roa heny ny tranga fanolalana teo anelanelan'ny taona 1990 sy 2008. Ao anatin'ny fitadiavam-bahaolana, mitodika amin'ny teknolojia ny mponina, tahaka ireo mora ampiasaina sy ny fampiharana finday maimaim-poana hoan'ny finday rehetra tsy ankanavaka.
 
Fampiharana Android ny Smart Suraksha App izay miompana amin'ny fanomezana fiarovan-tena goavana ho an'ireo vehivavy indiana. Afaka mandefa hafatra fanambarana loza ho an'ny finday dimy efa nosafidiana mialoha ny finday amin'ny alalan'ny fanindriana bokotra tokana. Amin'ny alalan'ny hafatra mitady vonjy, manome vaovao momba ny toerana misy ilay olona ny hafatra na dia tsy mandeha aza ny GPS amin'ilay finday. Araka izany, mahazo manantena ireo vehivavy fa hipaka any amin'olona hatrany ny antso vonjy ataon'izy ireo.

smartsuraksha contest

Vao haingana izay ny mpandahatra bilaogy indiana Blogadda no nikarakara fifaninanana bilaogy antsoina hoe “I wish I had Smart Suraksha (Te hahazo Smart Suraksha aho)” mba hanapariahana ny teny.

Kalyan Panja, mpifaninana, nanoratra momba ny fampiharana: 

The App has as main objective to make smartphones, today a commonly used tool, a valuable ally for the safety of women in situations of potential or actual danger, providing a simple and timely aid, such as sending SMS rescue, and a set of rules that allows us to take conscious behaviour in case of need. [..]

The program allows to configure a list of 5 phone numbers to send a standard text such relief message (along the lines of: “I'm in trouble, call me!”), as well as to communicate your location, using GPS technologies or relying on a network Wifi. [..]

The operations are designed to be carried with ease and in the shortest possible time, precisely in order to ensure the use of the app also under difficult and uncomfortable situations. The focus is directed on prevention, with tips and tricks that they do not want in any way undermine women's freedom, but to advise the appropriate behaviors to be taken in dangerous conditions in the interests of defense.

Ny tanjona voalohan'ny fampiharana dia ny hanao smartphones, fitaovana be mpampiasa ankehitriny, ho namana manan-danja ho fiarovana ny vehivavy manoloana ny loza mety hitranga na loza efa miseho, manome fanampiana tsotra sy haingana, tahaka ny fandefasana somaiso (SMS) miantso vonjy, sy fitambaram-pitsipika ahafahantsika mahafantatra ny fihetsika tokony atao raha ilaina. [..]

Ny fampiharana dia ahafahantsika mametraka lisitra laharana finday 5 handefasana hafatra tsotra tahaka ny hafatra mitady vonjy (anisan'izany ohatra: «Manana olana aho, antsoy aho”), ary koa mampahafantatra ny toerana misy anao, amin'ny fampiasana teknolojia GPS na amin'ny fampiasana tambajotra Wifi. [..]

Noforonina manokana izany mba hanamorana ny fandefasan-kafatra sy ao anatin'ny fotoana tena fohy indrindra, ary indrindra indrindra ny mba hahaizana mampiasa ilay fampiharana ihany koa amin'ny fotoan-tsarotra sy manahirana. Ny fisorohana no tena tanjona, miaraka amin'ireo toro-hevitra sy paika madinidinika izay tsy hanohintohina mihitsy ny fahalalahan'ny vehivavy, fa hanoro hevitra mikasika ny fihetsika tsara raisina amin'ny fotoanan'ny loza mba hanànana fiarovana.

Click the image for link to the app

Click the image for link to the app

Bilaogera Prava Vathi, mpifaninana hafa nanoratra hoe:

This app is primarily created for women’s safety, which can track your whereabouts and at a single touch will text to the pre-listed five contacts simultaneously and also the police. It comes with an additional feature to give details of the would-be offender, and allows you to record info like model of the car or clothes he is wearing, in your text, provided if you are in such a situation. Use this app as a weapon that can prevent you from becoming an unfortunate victim.

Noforonina manokana ho an'ny fiarovana ny vehivavy ity fampiharana ity, izay ahafahana manaraka ny toerana misy anao ary amin'ny fanindriana bokotra tokana no handehanan'ny hafatra ho an'ireo fifandraisana dimy efa napetraka mialoha ary koa ho an'ny polisy. Ahitana tolotra fanampiny manome ny antsipirihany momba ireo jiolahy izany, izay ahafahanao mandrakitra vaovao tahaka ny maodelin'ny fiara na ny akanjo hanaovany, amin'ny hafatra alefanao, raha toa ka ao anatin'izany toe-javatra [loza] izany ihany ianao. Ampiasao izany fampiharana izany ho fitaovana tsy ahafahanao ho lasa lasibatra mampalahelo.

Nanontany koa ilay bilaogera Confused Humanity raha misy fiantraikany eo amin'ny fiainan'ireo niharan'ny fanolanana ny fampiharana tahaka ny Smart Surashka:

The BPO employee who was raped and killed by the car driver, who changed the route and took her to a remote place. If she had this app with her, could she have alerted her friends/family or company authorities. With the approximate GPS location, could they have found her and saved her life?

In the case of the latest Mumbai rape case, could the victim or her friend have pressed the button and alerted their company or friends about the suspicious behavior of the culprits, without inviting their attention and could the tragedy been have averted?

Ilay mpiasan'ny BPO izay voaolana sy novonoin'ilay mpitondra fiara niova làlana sy nitondra ilay mpiasa aminà toerana lavitra. Raha nanana ity fampiharana ity izy, afaka nampandre ireo namany / fianakaviany na ny tompon'andraikitra ao amin'ny orinasa niasany ve izy. Amin'ny tombatomba-toerana GPS, mety ho nahita ny toerana nisy azy ve izy ireo ary nahavonjy azy?

 Amin'ny tranga fanolanana farany niseho tao Mumbai, afaka manindry ny bokotra ve ny lasibatra na ireo namany ary mampilaza ny orinasa iasan'izy ireo na ireo namany mikasika ny fihetsika hafahafa hita amin'ireo jiolahy [mpanolana], ary atao tsy fantatr'ireto farany ka mety tsy nitranga ve ny loza?

Nanolo-kevitra tolotra fanampiny ihany koa ilay bilaogera, tahaka ny fandraketana ny sarin'ilay mpanolana:

Now only if the state would set up a helpline or something, that could accept and act on such emergency messages (which comes with the location of crime) by informing the nearest police station or patrolling team(or medical centers), wouldn’t it be a miniature emergency service system like the ’911′ in itself?

Raha mba mametraka rafitra vonjy-taitra na zavatra hafa ny fanjakana ankehitriny, izay manaiky sy manampy amin'ny hafatra vonjy taitra tahaka izany ( miaraka amin'ny toerana itrangan'ny loza) amin'ny alalan'ny fampilazana ny tobin'ny polisy akaiky indrindra na ny ekipa mpanao fisafoana (na toeram-pitsaboana), tsy rafitra sampana vonjy taitra bitika indrindra tahaka ny ‘911 ‘ihany ve izany?

Afshan Shaik nanontany tao anatin'ny tononkalo, “raha marani-tsaina kokoa noho ny fampiharana ny olona”:

If only people were smarter than the apps.
If only every one had the courage to face the mobs.
If only wits, actions and bravery over powered the fear.
If only we had super powers we would have saved a tear.
If only every one was loved , protected and fathered.
If only instead of an app a fellow human being bothered!

     Raha mba marani-tsaina kokoa noho ny fampiharana ny olona.
     Raha mba manana herim-po hiatrehana ireo andian'olona ny tsirairay.
     Raha mba mandresy ny tahotra ny fanahy, ny fihetsika ary ny herim-po.
     Raha mba manana fahefana lehibe isika, mety ho nahatahiry ranomaso.
     Raha notiavina sy narovana ary natera-dray ny tsirairay.
     Raha mba manaiky hosahiranina ny olombelona ho solon'ny fampiharana!

Ny fahatokisan-tenanao no tena fitaovam-piadiana ho anao hoy i Knitha Urs, ary afaka manome fahatokisan-tena ho an'ny vehivavy ity fampiharana ity. Tsara kokoa ny miomana toy izay ho diso fanantenana, hoy i Swati nampahatsiahy.

Nanome ny lisitr'ireo fampiharana hafa i Shivani Gaya izay mitovy amin'ny Smart Surashka ihany.

Jereo ny momba ny fisoratana anarana mikasika ny fifaninanana ao amin'ny takelaka fametrahana fanehoan-kevitra amin’ity lahatsoratra ity sy ao amin’ity pejy Facebook ity.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.