Tsy Misy ‘Afera Rajako” Intsony Ao Jakarta

'Masked Monkey' in Jakarta. Photo from Flickr of rizky-kitsuneramen (CC License)

‘Rajako Misaron-tava’ ao Jakarta. Sary tao amin'ny Flickr-n'i rizky-kitsuneramen (CC License)

 

 Nampanantena ny governoran'i Jakarta, Joko Widodo na Jokowi fa tsy hisy intsony ny topeng monyet” (rajako misaron-tava) hiseho eny amin'ny araben'i Jakarta amin'ny taona 2014. Antsoina hoe Jakarta Bebas Topeng Monyet 2014′ (Tsy hisy Rajako Misaron-tava Mpanao Fampisehoana i Jakarta amin'ny taona 2014) ny “hetsika”, ny fiarovana ny mahasoa ireo biby no tanjona voalohany indrindra amin'izany.

Hafindra amin'ny toerana iray hektara ao amin'ny Valan-javaboaharin'i Ragunan ireo rajako ka omena onitra ireo tompony. Hanome fanofanana sy fomba fitadiavam-bola hafa ho an'ireo mpamolaka rajako ny governemanta. Olona eo amin'ny 700 eo avy ao Atsinanan'i Jakarta ihany no ho voakasik'ity fitsipika vaovao napetraky ny governemanta ity

Iray amin'ireo mpanohana ity tetikasa vaovao ity ny Jakarta Animal Aid Network (Tambajotra Fanampiana Ny Biby ao Jakarta). Namelabelatra ny fomba fampijaliana biby amin'ny alalan'ireny fampisehoana ireny ny vondrona amin'ny alalan'ity fampisehoana “topeng monyet” ity: 

This is a particularly cruel practice where juvenile macaques are forced to perform (dance, ride bikes) in the crowded and busy streets of Jakarta.

Each year, thousands of long tailed macaques are bred and captured from the wild for sale in Jakarta where they face a life of exploitation and cruelty.

The macaques can be seen kept on short chains, on the street and often in front of the owner’s house. While growing up to adulthood, the chain often grows into the skin, leading to horrific infections and tetanus. Macaques are highly social creatures and in need of social contact. Macaques also form potential health hazards in urban areas due to the likeliness of disease transfer.

Fanao feno fampijaliana tanteraka izao, terena hanao fampisehoana (dihy, mitaingina bisikileta) eny amin'ny arabe feno olona ao Jakarta ireo gidro tsy ampy taona .
 
 Isan-taona, gidro lava rambo an'arivony no ompiana sy samborina any an'ala mba hamidy ao Jakarta izay hiatrehan'izy ireo fiainana feno fanararaotana sy fampijaliana.

 Hita mifatotra rojo vy ireo gidro, eny an-dalambe ary matetika eo anoloan'ny tranon'ny tompony. Rehefa mihalehibe izy ireo, matetika milentika ao anaty hoditra ilay rojo vy, ka mitarika aretina mamirifiry sy tetanosy. Zava-boahary ara-tsosialy ireo gidro ireo ary mitady fifandraisana amin'ny fiarahamonina. Mitera-doza hoan'ny fahasalamana ao amin'ny faritra an-drenivohitra ihany koa ireo gidro noho ny aretina mety hifindra.

Marobe ireo lahatsary Youtube mampiseho ireo “topeng monyet” manao fampisehoana eny an-dalambe na hoan'ny fialam-boly na mangataka:

Amin'ny 3 ora, mampiseho ny fomba fampijaliana biby mandritra ny fampiofanana ity lahatsary ity: 

Marobe ireo mpisera Twitter nankasitraka ny fanentanan'ny governorà amin'ny  fandraràna ny topeng monyet:

Governoran'i Jakarta, Jokowi amin'ireo mpampilalao izay notazonin'ny (fiadidiana) ny tanàna ny rajakony: “. Rajako mampalahelo. Mbola mahia noho izaho aza izy ireo.” http://t.co/9jregJ9Crx

Loza, tsy tantiko ny mijery ireto olona manazatra ireo rajako noho ny topeng monyet 🙁

Tsy hahita topeng monyet intsony aho. Fialam-boly mahafinaritra ho ahy izany nanomboka tamin'ny fahazazako. Veloma Topeng Monyet… :”)

somary variana tamin'ilay politika vaovaon'i jokowi mba hihitsiana vola amin'ny dari topeng monyet

Tsy mba manana olona hiaro azy ireo ny biby. Raha tsy mihetsika isika, tsy hitsahatra hampidi-doza amin'ireo biby ny olona. 

Araka ny efa nolazaiko teo aloha, mino aho fa misy toerana manokana ho an'ireo olona mampijaly biby ao amin'ny elo (afobe).

Saingy nandrisika ny governemanta hiady amin'ny fampiasana ankizy aloha vao ireo gidro ny Fiainana An-dalambe Indoneziana: 

My point is simple: Children before monkeys.

The monkey show is not actually a performance, but just a begging strategy. The lovely friend with a long tail is exploited and I also believe the current situation should be improved.

The greatest concern of me is the possibility of worsening exploited kids’ life by just getting rid of monkeys. Who can say that the guys who used to have monkeys is not going to use alternatives? You know what, the most likely candidates are kids.

In my view, the concern of the governor is mainly on international image.

Tsotra ny hevitro: Ankizy aloha vao rajako.

 Tsy tena fampisehoana ny seho ataon'ny rajako, fa tetikady hoetina mangataka. Ampiasaina ilay namana mahafinaritra lava rambo ary mino koa aho fa tokony hohatsaraina ny zava-misy ankehitriny.

  Ny tena manahirana ny saiko dia ny mety ho faharatsian'ny fiainan'ireo ankizy ampiasaina amin'ny alalan'ny fanesorana ireo gidro. Iza no afaka milaza fa tsy hampiasa fomba hafa indray ireo olona efa zatra mampiasa gidro ireo? Fantatrao ve hoe inona, ireo ankizy indray no tena mety ho kandida.

     Raha ny hevitro, ny endrika hita amin'ny sehatra iraisam-pirenena fotsiny no tena mahamaika ny governora.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.