Miaraha Aminay Ao amin'ny “The Bridge”

Some of the people whose work you'll be reading on "The Bridge", starting October 10.

Sasany amin'ireo olona izay ho vakianao ao amin'ny “TheBridge” ny asany, manomboka ny 10 Oktobra.

Ny volana Jolay tamin'ny taona lasa, tany amin'ny Fivoriana faratampon'ny Global Voices tao Nairobia, nipetraka teo anoloan'ny efitrano fiandrasana i Aparna Ray sy i Nwachukwu Egbunike, efitra tery tao amin'ilay trano lehibe izay nomenay anarana hoe Trano Jirafy ary nametraka ny fanontaniana hoe : maninona raha ampitomboana ny fanoratana ao amin'ny “Global Voices” mba ampidirana zavatra “orijinaly”?    

Tao anatin'ny tena lamaodin'ny “Global Voices”, avy any amin'ireo fonenany tsirairay avy, any Kolkata, Inde sy Ibadan, Nizeria, Aparna sy Nwach dia niara nitantana atrikasa virtoaly nanomanana ilay fivoriana faratampony nitrandrahana izay hevitra handehanana lavidavitra kokoa mihoatra ny fomba fanaontsika amin'ny fanaovana tatitra “tsy miandany”. Ho an'ireo mpandray anjaran'ny Global Voices avy any amin'ny firenena 60 dia fihantsiana ny fanontanian'izy roa lahy ireo.    

Tao anatin'izay sivy taona nisian'ny “Global Voices” izay, nirehareha tamin'ny tenanay izahay amin'ny maha-mpitantana sy mpanamora ny media-n'olontsotra manerantany, amin'ny fiaretana ny mafy mba hitaterana vaovao marina araka izay azo atao mikasika ny hoe inona ny ataon'ny sasany ety anaty aterneto. Nahazoanay ny Fankatoavan'ireo mpanao gazety sy ireo mpikaroka ny teny nomenay mba tsy hiandany, nandritra izany niaraka tamin'ny laza ho toy ny loharanom-pahatokisana. Ka tsy tokony ho arovana izany? 

“Tsy fiandaniana—inona izany?” hoy ny sasany tamin'ireo mpanao sangisangy zary tenany nananihany tao an'efitrano. Ny sasany niteny fa mety hampandeha bebe kokoa ny tatitra ataontsika ny fampidirana singa manokana maromaro ao anatin'ny tantarantsika. Nitsonga ny olan'ny fahasarotana amin'ny famoronana tantara manodidina ny mponina na ny dobok'amponga “buzz” ety anaty media sosialy i Nwach sy i Aparna tao anatin'ny famelabelarany raha mivoatra amn'ny hafainganam-pandeha ambony be ny zava-miseho. Mety hanampy antsika hihetsika  malakilaky kokoa manoloana ny zava-miseho io fomba fanoratra vaovao io. Manahy ny momba ireo bilaogera eran-tany ny sasany: noho ny fampiharana fiovana tahàka ity, ho avelantsika hiatrika izay mahazo azy samirery ve izy ireo?      

Taorian'ny adihevitra lava be, nanomboka nisy fanapahan-kevitra nivoaka , izay nohamarinina herinandro maro taty aoriana tamin'ny alalan'ny fakana hevitra natao tamin'ny vondrom-piarahamonin'ny “Global Voices”. Te-hamorona karazana lahatsoratra vaovao ao amin'ny Global Voices izahay, izay manana marika manokana sy miavaka amin'ireo karazana vaovao sasany efa nahazatra, ary mipetaka amin'ny sokajiny manokana. 

Ny 10 Oktobra, hoapoitranay ihany ny farany io sokajy vaovao io. Nantsoinay hoe “The Bridge” izy io. 

Fa maninona no “The Bridge” (Tetezana)? Araka ny fantatry ny olona mamorona zavatra foana—fitaovana iray vaovao, fanombohana iray, zaza Kardasianina iray — dia mafy ny fahitana anarana, matetika ilay tsara indrindra no eo ambanin'ny vavoronao. Rehefa nipoitra tao anatin'ny anarana maro be nomena nandritra ny fivorian'ny vondrom-piarahamoninay ny “The Bridge”, nikapoka ny handrinay izahay efa niaraka nandritra ny fotoana maro tamin'ny “Global Voices” ary niteny hoe: “Oadray—izay mihitsy!”.  

Mampifandray toerana ny tetezana, mazava ho azy, mampisy fifandraisana ary fiampitan'ireo olona sy ireo hevitra, kanefa manana hevitra lalina ihany koa ny teny hoe “tetezana” ao anatin'ny tantaran'ny “Global Voices”. Tamin'ny fivorian'ny “Global Voices” voalohany indrindra tany “Cambridge”, tao “Massachusetts” tamin'ny taona 2004 dia niteny ny hoe “bridge blogger” ilay Iranianina bilaogera, Hossein “Hoder” Derakhshan, mba hamaritana ireo karazana vondron'olona vao misandratra anatin'ny tontolon'ny bilaogy maneran-tany. Manoratra ho an'ny daholobe ny “bridge blogger“, manampy ireo mpamaky azy hahatakatra ny toerana niaviany ao anatin'ny fisavoritahany manontolo.     

Tsy misy fahabangàn'ny lahatsoratry ny tena manokana, fomba fijery sy tsikera any amin'ny aterneto, ary tsy te-hanampy ireo efa voasoratra izahay raha tsy hoe tsapanay fa afaka manolotra zavatra manan-danja. Toetra iray mampiavaka ny Global Voices ny hamaroana mahazendan'ireo firenena hita ao anatin'ny vondrom-pirahamoninay — firenena izay nahaterahana sy onenana ary anohizan'ireo mpandray anjara ato aminay ny asany. Mino izahay angamba fa misy filàna goavana be  an'ireo tantara tsara rafitra foana momba ireo toerana manokana sy ireo fiarahamonina izay tsy tena voatatitra sy asehon'ireo media goavana mahazatra amin'ny fomba ampy sy tena mahalaza azy. Amin'ny alàlan'ny “The Bridge”, tanjonay ny hitondra ho anao ireo hevitra sy fifanakalozan-dresaka avy amin'ireo olona izay manana zavatra tsy manam-paharoa ao anatin'ireo tantara tantarainy — tantara izay antenaintsika fa hampitolagaga sy hampifaly.  

Miaraka amin'io, tonga soa ato amin'ny “Global Voices the Bridge” ianao. 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.