Bilaogera Milaza Fa Hoesorina Ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny Rosiana

Footage of Syrian government forces firing on rebels from ANNA-News, a news agency associated with el-murid. YouTube screenshot.

Footage of Syrian government forces firing on rebels from ANNA-News, a news agency associated with el-murid. YouTube screenshot.

Raha miezaka ny hametraka fifanarahana izay kely indrindra momba ny fidirana an-tsehatry ny vahiny ao amin'ny ady ao Syria i Rosia sy i Etazonia, dia ambivitra ny fanantenana manify tsy hidarohan'i Etazonia daroka ara-miaramila, hoy ny tatitr'i el-murid [ru], bilaogera Rosiana manoratra mavitrika momba ny tontolo arabo sy ny ady ao Afovoany Atsinanana.

Nitatitra [ru] el-murid tamin'ny 18 Septambra fa nahare vaovao fanovana olona ao anatin'ny rafitra matanjak'i Kremlin:

Хочу сказать сразу – информация, которую мне сейчас передали, непроверяема. Однако она тревожна настолько, что умалчивать ее попросту нельзя. На столе у Путина лежит указ о снятии с должности министра иностранных дел Лаврова. Его должен сменить нынешний замминистра Рябков. Атака на Лаврова идет с подачи аппарата правительства, вменяется в вину ему излишне жесткая позиция во время сирийского кризиса и осложнение отношений с Соединенными Штатами.

Tiako ny manomboka fa tsy voamarina ity vaovao voaraiko ity. Saingy mampanahy be loatra ka tsy haiko ny mangina. Eo amin'ny latabatr'i Putin ambony indrindra ny didy fampiharana ny fanesorana an'i Lavrov eo amin'ny toeran'ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny. Ny Minisitra lefitra amin'izao fotoana izao Ryabkov no hisolo toerana azy. Avy amin'ireo rafitra minisiterialy ireo mamely an'i Lavrov, izay miampanga azy ho henjana loatra eo amin'ny krizin'i Syria, sy ny faharatsian'ny fifandraisana amin'i Etazonia.

Navitrika tamin'ny fanoherana ny fidirana an-tsehatry ny tafik'i Etazonia ao anatin'ny ady i Lavrov. Nanana andraikitra ihany koa izy ny amin'ny hamindran'i Syria any amin'ny manampahefana iraisampirenena ireo fitaovam-piadiana shimika ao aminy. Raha tena ho voaroaka tokoa izy, dia midika izany fa misy fiovana eo amin'ny politikan'ny raharaham-bahiny Rosiana. Milaza i El-murid fa izany fiovana izany dia hirona ho any amin'ny fanekena ny tolo-kevitr'i Etazonia ao amin'ny Firenena Mikambana ny hanaovana bemidina ara-miaramila ao Syria, ary mety hamelona indray ny fifampidinihana eo amin'ny Sekreteram-panjakana Amerikana Kerry.

Russia's Foreign Minister Sergey Lavrov. Wikimedia Commons, CC 3.0.

Minisitry ny Raharaham-Bahiny Rosiana Sergey Lavrov. Wikimedia Commons, CC 3.0.

Tsy maintsy raisina amim-pitandremana fatratra izany rehetra izany, satria tsy fantatra loatra hoe hatraiza moa no azo itokisana ny loharanom-baovaony. Niala tamin'ny fiafenan'anarana [ru] ho Analtoly Nesmiyan, milaza ny tenany ho manampahaizana manokana amin'ny sehatra miaramila manana fifandraisana amin'ny tontolon'ny fitsikilovana izy nefa tahaka ny tsy mba nanao mihitsy izany miaramila izany. Niara-niasa tamin'ny ANNA-News [ru] izy, sampam-baovao an'olo-tokana niorina tamin'ny 2011. Tao anatin'ny herintaona ilay sampam-baovao izay novelomin'ilay Marat Musin no nitati-baovao avy any Syria tamin'ny alalan'ny lahatsary YouTube. Nolazaina moa fa nanana fifandraisana tamin'ny vondron'ny naman'i Syria izy, ary angamba tohanan'ny fitondrana Syriana ara-bola. Tamin'ny 2012 i Nesmiyan novelivelesin'ilay mpanadihady ara-politika Lev Vershinin [ru], izay mibilaogy amin'ny anarana putnik1, ambava. Nampangain'i [ru] Vershinin ho manohana ireo mpanohitra Syriana i Nesmiyan, ho tafiditra amin'ilay fakana an-keriny ilay mpanao gazety Anhar Kochneva [tatitra Global Voices amin'ny teny malagasy], ary ho mpisoloky nandritra ny taompolo 1990.

Taorian'ny namoahana io “scoop” momba io Lavrov io, dia namoaka fanampim-baovao i Nesmiyan, namerina indray fa tsy afa-manamarina ny vaovao izy, saingy miaro kosa ny fanelezana azy:

Тем не менее, если в этой информации есть хотя бы грамм правды, то считаю, что сделал все правильно. Сам факт того, что подобные вещи делаются втайне, говорит о том, что огласка этим людям очень не по нутру. Поэтому и нужно делать то, что противоречит их интересам и планам. Если Лаврова снимут – даже с повышением – я опубликую те имена, которые стоят за таким решением. Они мне известны.

Na izany aza, raha misy marina na dia iray grama fotsiny aza io vaovao io dia mieritreritra aho fa mety ny nataoko. Na dia ny nanaovana azy tany amin'ny mangingina aza dia milaza fa tsy tian-dry zareo tabatabaina ilay izy. Izany no tokony hanaovan-javatra mifanohitra amin'ny tombontsoany sy ny paikany. Raha voaroaka i Lavrov – na dia omena toerana ambony aza – dia havoakako ny anaran'ireo olona ao ambadiky ny fanapaha-kevitra. Fantatro ireo olona ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.