26 Oktobra: Andro Entina Mankahatra Ny Fandraràna Ny Vehivavy Tsy Hamily Fiara

"Women are now allowed to drive bicycles in Saudi. "Not Forbidden" reads caption on caricature by @MohammadRSharaf pic.twitter.com/c4nJDxD95T" tweets @moniraism

Vao haingana ireo vehivavy Saodiana no nomena zo ho afaka hitaingina bisikilety. “Mahazo alàlana hitondra bisikilety ankehitriny ireo vehivavy ao Arabia Saodita. “Tsy voarara” hoy ny fampahafantarana mivaky eo aminà sariitatra iray nataon'i @MohammadRSharaf pic.twitter.com/c4nJDxD95T”  hoy ny bitsik'i @moniraism

Napetraky ny vondrona iray ahitàna ireo vehivavy Saodiana mpikatroka mafàna fo ny 26 Oktobra 2013 ho andro iray entina mankahàtra ny fandraràn'ny fanjakàna ny vehivavy tsy hahazo mitondra fiara. Tohin'ireo fanentanana maro efa nisy tany aloha ity fanentanana iray ity, ny tena nalaza indrindra tamin'ireny dia ny tamin'ny 17 Jona 2011.

Misy fanambaràna iray ahitàna teboka enina [ar] ao amin'ny tranonkalan'ilay fanentanana, hanazavana ny tanjony [ar]:

نرى وبما انه لا يوجد مبرر واضح يقتضي منع الدولة المواطنات البالغات اللواتي يتقنّ قيادة السيارة من القيادة، ضرورة توفير السبل المناسبة لإجراء اختبارات قيادة للمواطنات الراغبات و إصدار تصاريح و رخص للواتي يتجاوزن هذا الاختبار. و في حال عدم تجاوز أي مواطنة لاختبار القيادة فلا يتم إصدار رخصة قيادة لها، بحيث تكون متساوية مع الرجل في هذا الشأن، فيكون المعيار القدرة على القيادة فحسب، بغض النظر عن جنس المواطن او المواطنة

Satria tsy misy antony mazava naroson'ny fanjakana ho antony andraràna ny vehivavy lehibe, dia angatahanay ny hamelàna ireo vehivavy afaka manao izany hahazo miatrika fanadinana sy hanomezana taratasy fahazoan-dàlana hamily fiara ho an'izay afa-panadinana. Raha toa tsy afaka ilay vehivavy, tsy tokony hahazo taratasy fahazoan-dàlana izy. Tokony hisy fitovian-jo amin'io resaka io. Ny fahafahana manao izany no tokony ho fepetra tokana, tsy ijerena ny maha-lehilahy na vehivavy an'ilay olona.

Eo am-pamaliana fanontaniana iray mateti-pitranga avy amin'ireo Saodiana manampahefana an-tampony, hoe “anjaran'ny fiarahamonina no manapaka momba io olana io,” dia hoy ilay fanambaràna :

إرجاء أمر كهذا لحين “اتفاق المجتمع” عليه ليس إلا زيادة في الفرقة وليس من المعقول والمنطق إجبار الناس بالإتفاق على رأي واحد، و نحن مجتمع كغيرنا يجب عليه الرضى باختلاف وجهات النظر، خاصة في أمر لم يحرمه نص صريح من القرآن أو السنة

Ny fanemorana lava ny olana tahaka izao, mandra-“panaikin'ny fiarahamonina” dia fomba iray fotsiny handrehetana fifandirana misimisy kokoa. Tsy azo eritreretina mihitsy ny hanerena ny olona tsy hanana afa-tsy fijery tokana. Tahaka ny fiarahamonina hafa rehetra ihany, isika dia manaiky ny fanànana fomba fijery isankarazany, indrindra fa rehefa tsy voafaritra mazava ao anatin'ny Korany na ny Hadith ilay izy.

Hatramin'ny namoahana ilay fanambaràna, teo andro lasa izao, efa 8.600 no nanao sonia azy.

Niteraka resabe ny nambaran'ny filohan'ny Kaomity Saodiana ho Fampiroboroboana ny Harentsaina sy Fisorohana ny Ratsy (fantatra ihany koa amin'ny hoe polisy ara-pinoana), Abduallateef al-Shaikh, rehefa nanambara [ar] izy fa tsy nahita fanamarinana ara-pinoana mikasika ny fandraràna ny vehivavy tsy hahazo mitondra fiara. Kanefa, nolaviny ny tsy hitànan'ny Kaomity ireo vehivavy mamily fiara :

وأكد آل الشيخ في حديثه أمس لرويترز، أنه لا يملك أي سلطة لتغيير السياسة السعودية بشأن قيادة المرأة للسيارات […] لكنه نفى صدور تعليمات في الآونة الأخيرة لأعضاء الهيئة بعدم تعقب أو إيقاف نساء لقيادتهن السيارات في المستقبل.

Nohamafisin'i al-Shaikh tamin'ny Reuters fa tsy ananany ny fahefana hanova ny politika Saodiana mikasika ny fahafahan'ny vehivavy mamily fiara […] saingy laviny ny tsy hanenjehana sy hitànan'ireo mpikambana ao anatin'ny Kaomity an'ireo vehivavy tratra mamily fiara amin'ny hoavy.

Ny tranonkalan'ny 26 Oktobra ihany koa dia manainga ireo mpamaky azy hanampy amin'ireto fomba manaraka ireto :

Mampianara vehivavy iray hamily fiara
Ataovy printy ny sary famantarana ny 26 Okt ka hantòny eo amin'ny fitaratry ny fiaranao
Aparitaho erak'ireo media sosialy ny feo mikasika ny tarainan'ireo vehivavy Saodiana
Mampiakara lahatsary sy feo milaza ny fanohananao

Niparitaka be indray ireo lahatsary natao ho an'ireo fanentanana tany aloha mba ho entina manazava ny resaka familiana fiara ho an'ny vehivavy. Nahazo mpijery maherin'ny 450.000 ny iray tamin'ireny [ar] tao amin'ny YouTube hatramin'ny nampakarana azy roa taona lasa izao :

Ilay lahatsary dia manasongadina vehivavy avy amin'ny “Fanentanana Ampianaro Mamily Fiara Aho”, hanazavàna amin'ireo mpijery ny fomba hanamoriana fiara.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.