Solombavambahoaka Jordaniana Nitifitra Tamin'ny Kalachnikov Tao Amin'ny Antenimiera

@fooqalsada shares this cartoon of Jordanian MP Sharif, who fired his Kalashnikov at his colleague after an argument today.

Tao amin'ny Twitter, @fooqalsada nizara ity sariitatr'ilay Solombavambahoaka Jordaniana Sharif ity, izay nitifitra ny mpiara-miasa aminy tamin'ny basy Kalashnikov taorian'ny adihevitra androany. Tsy nisy ny olona naratra

Mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenena Jordaniana no nitifitra solombavambahoaka iray nandritra ny fotoa-pivoriana androany. Tsy nisy ny olona naratra tao anatin'izany korontana izany – tranga hafa indray ity taorian'ilay tranga fifampitorahana kiraro sy tavoahangin-drano nataon'ireo solombavambahoaka.

Mpanao gazety Palestiniana Daoud Kuttab nizara lahatsarin'ny fitifirana, izay voalaza fa nitranga tao amin'ny efitra malalaka eo ivelany, nandritra ny fotoam-pivorian'ny Antenimiera androany. Mazava tsara ao anatin'ny lahatsary ny fipoakan'ilay basy Ak-47 nitifirana:

Lahatsarin'ny fitifirana tao amin'ny Antenimiera @AmmanNet فيديو// اطلاق النار تحت القبة http://t.co/8LqzEMmqcK #الاردن #مجلس_17

Hoy izy nanazava tsara:

Talla Sharif 33 taona no nanao ilay fitifirana tao amin'ny antenimiera #jo [jordaniana] ka basy AK Klashinkoff nalainy avy ao anaty fiara no nampiasainy tamin'izany http://t.co/8LqzEMmqcK de voiture

Hoy izy nanampy:

Solombavambahoaka 134 tamin'ireo 136 no nifidy ny handroahana ilay solombavambahoaka Tallal Sharif izay nitifitra tamin'ny Klashkinoff tao anatin'ny lapan'ny antenimiera #jo http://t.co/rTnBliI0sQ

Kristen McTighe nanontany ny fomba nahazoan'ilay Solombavambahoaka mitondra Kalashnikov ao anatin'ny antenimiera:

Fanontaniana, ahoana no fomba hidiran'ny olona ao amin'ny antenimiera miaraka amin'ny basy Kalachnikov? #Jordan

Jordaniana Yasmina Alnasser nanao fanontaniana hafa [ar]:

Mieritreritra ve [ianao] fa tokony hotazomina ao anaty karakaram-biby [zoo] ny bibidia? Ahoana indray ny ataon'ny  Solombavambahoaka ivelan[‘ny zoo]?

Jordaniana Ali Dahmash nanampy hoe:

Ry namana solombavambahoaka voafidy ao amin'ny antenimiera, Arahaba amin'ilay Kalashnikov. Aza adinoina ny mifamono alohan'ny Alakamisy, amin'izay afaka maka aina izahay. Misaotra, ny olom-pirenena

Avy ao Bahrain, bilaogera Eyad Ebrahim namariparitra ny zava-nitranga ho mahafinaritra – “mahafinaritra fotsiny”:

Solombavambahoaka Jordaniana mifampitifitra, mahafinaritra, mahafinaritra fotsiny

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.