Sary Nanakorotana Tao Trinite

Ao Trinite sy Tobago, niatomboka tamin'ny fihetsiketseha-panoherana tao Beetham Gardens, Mponina sahirana mipetraka ny manodidina ny renivohitra Port-d'Espagne ny volana rehefa nitifitra sy nahafaty zatovolahy iray avy ao amin'ny faritra ny polisy tao an-toerana. Ny mpitondra milaza fa nitondra fiadiana ilay olona nahiahiana ; ny mpiray monina mikiry milaza fa nitondra rongony izy ary nikasa hitsoaka ny polisy nisambotra azy. Nivoatra haingana ny toe-draharaha: Raikitra ny fifandonana raha niezaka hamoritra ny fihetsiketsehana ny polisy; nampiasa bala fingotra sy etona mandatsa-dranomaso ny polisy ho fanakanana ireo mpanao fihetsiketsehana tsy hanao barazy an-dalambe ary voalaza fa ampolony maro no naratra.

Tamin'ity herinandro ity, Newsday (iray amin'ireo gazety miseho isan'andro ao an-toerana) namoaka ny sarin'ny fihetsiketsehana eo amin'ny pejy voalohany. Fa tsy sary tsotra fotsiny ilay izy. Nasehon'ny sary ny vehivavy antitra iray  81 taona nampitranga ny kilaotiny – fanapahan-kevitry ny tonian-dahatsoratra niteraka fanafintohinana tao amin'ny fokonolona, ka mandoro ny kopian'ny gazety ny mponina.

Newsday Cover

Pejy Voalohan'ny Newsday

Niteraka ady hevitra mafana ao amin'ny blaogy sy ny tambajotra sosialy izany, maro no manakiana ny Newsday lasa fozaorana sy tia manaitaitra. Namoaka ny mpikambana amin'ny Vondron'Olo-Pirenen'i T&T (Trinite sy Tobago) fa somary namboarina avy amin'ny solosaina ilay sary, raha noharina tamin'ny sary hafa ao anatin'ny gazety:

Top: original inside newspaper. Bottom: Picture used on newpaper cover

Ambony: Sary tena izy ao anaty gazety
Ambany: Sary nampiasaina teo amin'ny pejy voalohany

Niantso ny mpanango-baovao tao amin'ny Newsday i Katherine Stollmeyer Wight  ary naneho ny tsy fahafaliany tamin'ilay sary:

He said the Newsday front page depicted what was happening. I said, ‘dishonestly so’..first of all..you may think you have, but the woman with her underwear exposed was not in that frame! He agreed, but defended them doing so by saying that was the behavior they encountered. I had to tell him, politely, that the Newsday has shown less class than the lady they exploited.

Milaza izy fa mitantara izay nitranga ny tao amin'ny pejy voalohany. Milaza aho, ‘dia tsy menatry ny handainga’..voalohany.. mety ho izay ny eritreritrareo saingy tsy teo amin'io sehatra io ilay vehivavy nampiseho ny atin'akanjony! Niaiky izy, saingy efa niteny azy ireo fa toy izao ny fihetsika ataon'izy ireo. Tsy maintsy niteny am-panajana aho, fa naneho saina mirefarefa noho ilay vehivavy natao fakam-bola ny Newsday.

Sheldon Awai mihevitra fa nanimba ny lazany fa ilay gazety:

The Newsday's credibility is now severely compromised as far as I'm concerned. Do no ethical journalists still exist? If they can do this in an attempt to classify people in a certain light whats (sic) to prevent them from falsely putting a gun or drugs in a mans (sic) hand in a bid to sell press or showing a person at the scene of a crime that was in fact not there?

Raha jereko dia simba tanteraka ny fitokisana ny Newsday amin'izao fotoana izao. Mbola misy ihany ve ny mpanao gazety manaja etika? Nahasahy nanao izao ry zareo hanasokajina olona amin'ny lafiny sasany () hisorohana ny fametrahana fitaovam-piadiana na rongony antanan'olona am-pitaka () mba hamarotana gazety sa hampisehoana olona any amin'ny toerana nisy vono-olona nefa tsy nandalo teo ny tena marina?

Phillip Edward Alexander miteny mafy nieritreritra hoe nahoana no tsy namindra fo tamin'ilay vehivavy ny tonian'ny fanoratana:

If i had a million dollars to spare i would offer it as a reward for anyone who could post a picture of the Editor in Chief of the Newsday in her underwear for all the world to see.
Just so she could feel and appreciate the humiliation she put that elderly lady from Beetham through yesterday.

Raha nanana iray tapitrisa dolara aho dia nanolotra loka amin'izay mahavita mandefa ny sarin'ny tonian'ny fanoratan'ny Newsday ahitana ny silipony ho hitan'izao tontolo izao.
Mba hatsapany ny fanalam-baraka nataony tamin'ilay vavy antitra tao Beetham omaly.

Nanontany i Judah Bharath raha nisy olona mba nijery ny fahasalaman-tsain'ilay vavy antitra:

HAS ANYONE stopped to think this Elderly Woman may have been in severe grief, and was pulling at her clothes in trying to vent her anger? Yes it looks bad, but has anyone thought of the fact she may have been grieving the loss of yet another Beetham child!

MBA MISY OLONA mihevitra ny mety ho alahelo mianjady amin'ity vavy antitra ity ve, ka izany no nampakarany ny akanjony hamoahana ny hatezerany? Eny ratsy jerena ilay izy, saingy mba efa nisy nieritreritra ve hoe mety ho nalahelo ny fahafatesan-janak'i Beetham hafa koa izy!

 Niresaka ihany koa ny fahasalaman-tsain'ity vehivavy ity i Rae-Ann Lloyd ary nitsikera ireo maika tamin'ny fanomezana tsiny ilay olona:

When I look at the comments of people who think it is ok to publicize an old woman's mental illness because that is ‘how they act’ THAT is what you dip into your own pocket money and pay an actor to do. The pseudo-intellectual trolls need to grow up or at least learn to shut up.

Rehefa mijery ny hevitry ny olona manaiky fa tsy maninona ny mamoaka sary ilay vehivavy marary saina satria izao no ‘fomba fanaon'izy ireo’ IZANY no amoahanao vola am-paosy sy andoavanao vola ny mpisehatra hanao tahaka izao. Mila mitombo fahamatorana ihany koa izany ireo miseho ho manam-pahaizana na farafaharatsiny mianatra mangina.

Lasa saina i Nkosi B. hoe inona koa ny sary hafa efa nasiana fanamboamboarana :

Journalistic integrity does not exist in Trinidad and Tobago. At this point they're just selling advertisements. I bet most of the people living in T&T who are commenting couldn't tell you what was on yesterday's front page.

Tsy misy ny fanaovan-gazety madio saina eto Trinite sy Tobago. Eto amin'ity teboka ity dia mivarotra dokambarotra ry zareo. Manao fanamby aho fa maro amin'ny olona mipetraka eto T&T namoaka ny heviny no tsy afa-milaza akory hoe inona no teo amin'ny pejy voalohan'ny gazety omaly.

Nametraka fanotaniam-pitokisana izy :

Also, isn't anybody else concerned about any other photo manipulations that have been forced upon the public in the past; front page or not?

Mba misy koa ve ny olona miraharaha ny amin'ny sary efa nasiana fanamboamboarana nalefa amboletra hojeren'ny olona tany aloha tany; na teo amin'ny pejy voalohany na tsia?

Jeanelle Bernard nahita ny sary ho sady mankaloiloy no mandratra:

I shudder to think if my dress blew up that a picture may be taken. I shudder to think that if I took the values and decency out of my mind and lifted up my dress, that a photographer would reinforce my temporary loss of common-sense and take and publish my picture! There is very

Nangoritsina mihitsy aho mieritreritra raha iny mikopaka ambony iny ny akanjoko no misy nanapika sary aho. Nangoritsina mihitsy aho very hevitra sy lasa ambiroa tantearka aho ka nahaainga ny akanjoko, mbola manampy trotraka ny fahaverezam-pisainana mandalo ahy izany ny mpaka sary dia avoakany izany! tena…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.