SARY: Ampikarohana Tontolo Azo Antoka Ho An'ny Zanak'i India

Ity sarin'i @Annu L ity dia iray amin'ireo nampidirina amin'ny fifaninanana sary ‘Fongory’ karakarain'ny UNICEF India ho anisan'ny fanentanana #ENDviolence [farano ny herisetra]. Nahazoana alalana.

Mila tontolo azo antoka sy maha-aro ny ankizy hitomboana, hianarana sy ho entiny manavatsava ny fahaizamamorona, ary miaraka amin'ny fandraisana andraikitra iraisantsika rehetra izany – ray aman-dreny, mpampianatra, sampan-draharaha sy orinasa mpampihatra lalàna – hiantohana izany.

Araka ny [PDF] Minisiteran'ny Fampandrosoana ny Vehivavy sy ny Ankizy India:

“Child Protection” means the creation of a protective environment in the home, school, community and society so that children are protected from all kinds of harm and harmful situations. It means providing a safety net for those children who are more vulnerable than others and who need special care and protection. It must be understood that a child’s right to protection is part of each and every other right and it is not possible to ensure the other rights without ensuring protection.

Ny “Fiarovana ny zaza” dia midika fananganana tontolo miaro [maharo] any an-trano, an-tsekoly, eo amin'ny fiaraha-monina sy fikambanana mba ho voaaro amin'ny karazan-javatra sy toe-javatra mety handratra ny zaza. Midika fanomezana haraton'aina ho an'ireo ankizy mora andairan-javatra kokoa mihoatra noho ny hafa ary mila fikarakarana sy fiarovana manokana. Tokony ho azo fa ny zon'ny ankizy ho voaaro dia anisany sy miaraka amin'ny zo hafa ary tsy azo tanterahany ny miantoka ny zo kafa tsy misy fiarovana.

Raha mahatsapa ho tsy manino-tsy maninona ny ankizy dia misokatra, faly, matoky ary malalaka hianatra, hamakivaky ny tontolony ary mahay mamorona. Indreto ny sasantsasany amin'ny sary nalain'ny bilaogera sy mpiserasera izay milaza ny amin'ny fiainan'izy ireo tsirairay avy:

Ny fihomehezana, ny fahafinaretan'ny boky tsara sy ny famakian-teny …#education. Twitpic avy amin'i @zenrainman.

Ankizy miresaka ny asany amin'ny mpampianatra. Saripika avy amin'ny rakitsary Andron'ny mpampianatra UNICEF India ao amin'ny Facebook

Kilonga manao ny sarin'i Paplu ilay saribakoly ao amin'ny Hetsika Fitantarana ao amin'ny boky Pratham, tarihan'i Saakshi KapoorSingla. Twipic avy amin'i @SaakshiSingla1

Ankizy manao kisarisary feno fifantohana. sary Flickr avy amin'i John Martin, CC BY-NC-SA 2.0

Ankizy milalao rugby ao Baikunthapur, India. Sary nalaina tao amin'ny pejy Facebook-n'i Khelo Rugby, fikambanana tsy mitady tombombarotra izay miezaka mampanao fanatanjahantena araka izay azony atao ireo fiaraha-monina niangaran'ny vintana ao India

Ao anatin'ny fampanenoana Anjombona [kiririoka] Mena [mg] mandeha amin'izao fotoana izao ny #ENDviolence [farano ny herisetra] amin'ny ankizy ny UNICEF India izay nanokatra fifaninan-tsary mitondra ny lohateny hoe ‘Stamp It Out’ [Fongory]. Indreto ny sasantsasany amin'ny sary ao anatin'ny rakitsary mifaninana, miantso ny hiantohana ny fitomboan'ny ankizy ao anatin'ny tontolo tsy misy herisetra.

Herisetra mitarika voina. Andao faranana izany. iditra ‘Stamp It Out’ [fongory] nalefan'i @Monalisa K. Nahazoana alalana.

Ny tontolo voaaro no mamela ny ankizy handalina ny fahaiza-mamorona amim-pitokiana. Iditra ‘Stamp It Out’ nalefan'i @Ajith PV. Nahazoana alalana

Ao amin'ny tontolo voaaro, mpandresy ny ankizy tsirairay avy. Iditra ‘Stamp It Out’ nalefan'i @Tayzeem R. Nahazoana alalana.

Ianao ihany koa, afaka mandray anjara ianao amin'ny fifaninanan-tsary ato sy manampy ny feonao ho amin'ny hetsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.