Fanantenan'i Tokyo Isian'ny Fihatsarana Mialoha ny Lalao Olaimpika 2020

A poster advertisement in Shibuya, Tokyo. Image by  Danny Choo on flickr under Creative Commons Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 Generic

Afisin-dokambarotra ao Shibuya, Tokyo. Sarin'i Danny Choo ao amin'ny flickr ampiasaina amin'ny Creative Commons Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 Generic

Nahazo ny safidin'ny mpikamban'ny Komity Olaimpika Iraisampirenena handray Lalao Olaimpika Fahavaratra 2020 i Tokyo tamin'ny 7 septambra 2013 manoloana an'i Madrid sy Istanbul.

Mandritra ny fotoana ankalazan'i Tokyo ny fandreseny, dia mizara ny fanantenany hisian'ny fanatsarana ao an-tanàna ireo mpitari-kevitra ao amin'ny twitter.

Nobuyuki Sato, talen'ny fifandraisana sady mpanoratra boky am-polony, ary manana mpanaraka mihoatra ny 70.000, nanasongadina ny lafiny mamirapiartra amin'ny fandraisana Lalao Olaimpika/Paralaimpika:

Ny fananana fotoana farany sy tanjona iraisana no mampatanjaka ny Japoney. Mieritreritra aho fa ny fampiatranoana ny Olaimpika/Paralaimpika ao Tokyo no hanafaingana ny fanasitranana ny faritra tratran'ny voina ao Tohoku, ary hihatsara ny zava-nampanahy rehetra eo am-pelatanana. Mandritra izany fotoana izany, misy ny teny miiba sy feno fanahiana, fa efa tapaka ny hevitra. Andao hiasa miaraka ary hanao ny tsara indrindra vitantsika.

Ny fanadihadiana ara-tsosialy no mampiseho fa nipoaka niroborobo tampoka ny resaka momba ny Olaimpika eo amin'ny samy Japoney, raha miakatra ihany koa ny resaka momba ny Paralaimpika saingy kelikely kokoa eo amin'ny isa.

green orange

Ny teboka manga mampiseho ny sioka ataon'ny Japoney ahitana ny voambolana “Olaimpika” izay nahitana fisondrotana haingana tamin'ny 7 septambra. Ny maitso misolotena ny “Paralaimpika” ary ny laoranjy misolotena ny “fanafahan-tsakana” [bika manerantany] amin'ny teny Japoney. Fanadihadiana sosialy mifototra amin'ny TOPSY.com


Na dia vitsy an'isa aza dia nilaza ny fanantenana hisokafan'i Tokyo bebe kokoa ny olona mba hahatonga azy ho tanàna mandray ny Olaimpika/Paralaimpika 2020.

Online conversations that seek a more accessible, universally designed city increase as Tokyo awarded 2020 Olympics host.

Firan'ny sioka ahitana ny “バリアフリー” teny japoney milaza ny “fanafahan-tsakana” [bika manerantany] nanomboka ny 9 Aogositra ka hatramin'ny 8  Septambra. Resadresaka an-tserasera mitady an'i Tokyo ho mora idirana kokoa, sy hanana bika fahita na aiza na aiza noho ny fahazoany ny fampiatranoana ny Olampika 2020.

Nilaza ny faniriany ilay mpandika ny literatiora Alemana sady mpisolovavan'ny fandriampahalemana Kayoko Ikeda izay monina ao Tokyo:

Tena manantena tokoa aho fa ao anatin'ny fito taona dia hirafitra araka ny bika fahita manerantany i Tokyo amin'ny kihon-dalana rehetra misy ao aminy [Tsy misy sakatsakana, azon'ny rehetra idirana]; Hita na aiza na aiza ny fidirana WiFi, ary hanjavona ny andrin-[jiro] telegrafika; ho feno ny tsikin'ny vahiny avy amin'ny vazatany efatra manerantany ny tsenan'i Tsukiji [toera-pivarotana trondro sy tsenan'hazandranomasina midadasika indrindra manerantany]; mba ho mora idirana kokoa ny serana-piaramanidin'i Tokyo, Haneda ary Narita; hanjavona ny kabarim-pankahalana; ho voavoatra ny faritra simban'ny tsunami; vita tsara ny fikarakarana ny tobim-pamokarana nokleary tra-doza; tsy hisy intsony ny toby nokleary fa miditra amin'ny angovo azo havaozina isika

Nanandratra ny feony ihany koa ny mpanangana endrika lalao an-tserasera sy mpandikateny, Shin Okada, mba hisokafana bebe kokoa ho an'ny fiaraha-monina mihaantitra [mihabetsaka ny antitra ao aminy].

Manantena aho amin'ny fandraisana ny Olaimpika sy ny Paralaimpika fa hanatsara ny fitaovany sy ny fahafahana miditra mora kokoa aminy ny tanàna sy ny fitateram-bahoaka, araka ny fandrafeta-tanàna fahita manerantany. Efa manasaka ny faha-valompolo taonany any ny reniko amin'izany, koa manantena aho fa azon'ny zokiolona efa sahirana mandeha andehanana tsy misy olana ny drafitrasa mihetsika sy tsy mihetsika rehetra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.